Ny fisotroana toaka be sy tsy tapaka dia mampitombo ny mety hisian'ny aretina maro toy ny homamiadana, aretim-po. Ny toaka dia miteraka poizina lehibe ho an'ny fo ary mampiakatra ny tosi-drà ka mety hiteraka aretina hafa. Ny fisotroana toaka dia miteraka tebiteby lava, lasa ketraketraka, mikorontana ny fitondran-tena ka lasa tsy mahafehy tena intsony... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

23 febroary 2024 — Zoma, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)

♦ Voasambotra androany teny Mahamasina, ny filoha mpitarika ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy. Tsy fantatra mazava ny antony, fa mety misy ifandraisany amin'ny hetsika kasaina hotanterahana amin'ny sabotsy izao... ♦ Nomarihana androany 22 febroary, izay daty nahaterahan'ny mpanorina azy, ny Andro maneran-tany ho an'ny Skotisma... ♦ Niampy telo indray ireo faritra miroso mankany amin'ny tany hay na voakasiky ny fiangazanana, eto Madagasikara. Milaza ho tsy mipetra-potsiny ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana, manoloana izany...

♦ Velom-panahiana momba ny ho avin'ny fananan-tany eto Madagasikara ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'izany manoloana ny fampihatoana ny fanomezana tanim-panjakàna ny mponina... ♦ Mbola maro ny tokantrano Malagasy misy Ray sy Reny. Iharan'ny fanavahana sy fanilikilihana ireo renim-pianakaviana miteraka nefa tsy manambady araka ny fanadihadiana natoan'ny UCM niarahany nanatontosa tamin'ireo mpikaroka aty Afrika sy any Frantsa... ♦ Tanterahana eny anivon'ny hopitalim-panjakàna manerana ny nosy nanomboka androany hatramin'ny sabotsy izao ny varavarana misokatra karakarain'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Nihotsaka ny toeram-pitrandrahana haritany iray tsy ara-dalàna any Venezuela ny talata teo...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...