♦ Notokanana sy notsofon-drano, androany, ny clinique Medicale Flamboyant sy ny Lycée katolika vao nahorina ao Mampikony, Diôsezin'i Port Berger. Tamin'ny alalan'ny Eokaristia Masina notarihan'ny Nonce Apostolique, Mgr Tomasz Grysa no nanehoana izany... ♦ Maro ny olana momba ny fitanterana tsy voavaha ao amin'ny kaominina Antananarivo-renivohitra. Tokony foanana ny kôperativa mpitatitra fa orinasa matihanina no mpanao ny asa hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa... ♦ Tsy mijery fotsiny ireo toerana ahitàna fiarabe manao fanotofana tany ao Antananarivo sy ny manodidina ny tompon'andraikitra mbola mihatra ny fampiharana ny didy...

♦ Nahazo fitaovana avy amin'ny fanjakàna rosianina hanarenana ny fahasimbana vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Fitia sy Gezani tamin'ity taona ity i Madagasikara. Nandray izay tety Ivato omaly ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Miezaka mampiroborobo hatrany ny lalam-pihariana Volibe na ny Bambou eto Madagasikara ireo mpisehatra aminy. Fanamby hotratrarina amin'ny tetik'asa vaovao ny fanomezana lanja ny indostria ho an'ny volibe... ♦ Haka ny hevitry ny olom-pirenena momba ny fanatsaràna ny drafi-panajariana an-tanan-dehibe manerana an'i Madagasikara ny MInistera tompon'andraikitra...

Arakaraka ny fitomboan'ny olombelona sy ny filany maro no tokony hiezahana hiezahana mafy ihany koa hampitomboana ny asa fivelomana, famokarana, fambolena ary ny taozava-baventy. Atao laharam-pahamehana ny hanasoa ny olombelona amin'ny maha-izy azy manontolo : ara-nofo, ara-tsaina, ara-panahy sy ara-pivavahana, tsy anavahana olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

• Miezaka mampiroborobo hatrany ny lalam-pihariana volibe na bambou eto Madagasikara, ireo mpisehatra aminy. Fanamby hotratrarina amin'ny tetikasa vaovao ny fanomezana lanja ny indostria ho an'ny volibe. Mamatsy vola ny tetikasa ry zareo Sinoa... • Haka ny hevitry ny olom-pirenena momba ny fanatsarana ny drafi-panajariana an-tanandehibe manerana an'i Madagasikara, ny minisitera tompon'andraikitra. Fihaona hotanterahana ny 11 sy ny 12 jona 2026, eny amin'ny tanana Voara Andohatapenaka... • Miditra amin'ny andiany faha-8 ny Rallye Jovena ankehitriny. Hotanterahana ny 19 hatramin'ny 21 jona 2026 eny Amoronakona. Mampiavaka ity andiany ity ny fiverenan'ny orinasa Jovena hanohana ny hetsika rehefa nisy fiatoana kely izany teo aloha...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...