♦ Miandrandra asa mivaingana amin'ny PDS vaovaon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny mponina, hoy ny ONG Tolotsoa. Tsy tokony hirona amin'ny fiatrehana fifidianana ity tompon'andraikitra ity, hoy izy ireo... ♦ Nohamafisin'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena androany, fa tsy mandoa saram-pianarana ny mpianatra any amin'ny sekolim-panjakana manerana ny nosy amin'ity taom-pianarana ity... ♦ Mampiantrano ny dinika nasiônaly momba ny famatsiam-bola ho an'ny tontolo iainana ny eto Antananarivo. Noraisin'ny Filoham-pirenena ny delegasiôna avy amin'ny FEM, mandray anjara amin'ny dinika...

♦ Hamory ireo mpiantsehatra voakasiky ny fifidianana eny Alarobia rahampitso ny CENI. Fotoana ifanakalozan-kevitra momba ny fanomanana ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao... ♦ Tanimbary 7.000Ha no maina noho ny tsy fisian'ny rano any amin'ny lemak'i Bas-Mangoky.Simba ny foto-drafitr'asa any amin'ny "Prise Bevoay", ka itarainan'ny tantsaha... ♦ Olona 4 no maty vokatry ny faharendrehin'ny lakana nentin'izy ireo tao Imahasoabe, Distrika Vohipeno. Mbola tsy hita popoka izy 4 mirahavavy mianaka ireo hatramin'izao... ♦ Tsy mbola voatendry omaly indray ny Praiministra vaovao any Frantsa. Nolavin'ingahy Macron ny fanoloran'ny NFP an-dramatoa Lucie Castets ho lehiben'ny Governemanta...

♦ Voatendry ho PDS vaovao hitantana vonjimaika ny tanànan'Antananarivo Ramatoa Harilala Ramanantsoa. Izy indray no hisolo an'Andriamatoa Richard Ramanambitana... ♦ Manomboka midina an-kianja ireo Ministra anatin'ny Governemanta vaovao, taorian'ny nanendrena azy ireo. Miandrandra asa mipaka amin'ny fiainany ny Malagasy maro... ♦ Manomboka miakatra tsikelikely ny vidin'ny Vary Gasy eny amin'ireo tsena eto Antananarivo amin'izao. Hanazava izay eto ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Naato indray omaly ny famatsiana ny fanampiana ny maha-olona mankany amin'ny faritr'i Gaza izay tanterahin'ny Firenena Mikambana. Nanaitra ny sivily hiala ao Deir-al-abalah ny tafika israeliana...

♦ Manomboka midina an-kianja ireo Minisitra anatin'ny Governemanta vaovao. Miteraka fifanitsahana andraikitra ny fisiana Minisitra sy Sekreteram-panjakana amina sehatra mitovy, hoy ny mpamakafaka pôlitika iray... ♦ Miakatra tsikelikely ny vidin'ny vary gasy eny amin'ireo tsena eto Antananarivo. Ariary zato isan-kilao eo io fiakaram-bidy io, hoy ny filohan'ny PMH... ♦ Manambana ny hitokona indray ireo mpianatry ny Oniversiten'i Maninday any Toliara, raha nanao fanambarana. Mpianatra miisa 361 no voalaza fa mbola tsy mandray vatsim-pianarana taom-pianarana 2023-2024 hatramin'izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...