♦ Efa eny am-pelan-tanan'ny governemanta ny vinavina amin'ny datim-pifidianana avy amin'ny CENI. Hotanterahana amin'ny 29 mey izao ny fifidianana solombavambahoaka ary ny 6 novambra ny fifidianana kaominaly... ♦ Tafiditra ao anatin'ny kajikajy pôlitika ny vinavina amin'ny tetiandrom-pifidianana navoakan'ny CENI hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa... ♦ Arahanao ato anatin'izao vaovao izao ny famintinan'ny Pr Armand Rasoamiaramanana ny zavatra niainany tamin'ny 11 febroary 1975... ♦ Nanaiky hihaona eo ambany fanarahamason'ny firenena mikambana ireo vondrona 2 mpifanandrina any Soudan...

Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe, androany 12 febroary 2024, i Mompera Jean Désiré Razafinirina, pretra diôseziana, avy ao Toliary, Rektoran'ny Seminera Zokiny, Masindahy Jean Baptiste, Vohitsoa-Fianarantsoa.Teraka ny 5 mey 1975 tao Manombo-Atsimo, Toliara-II i Mompera Jean Désiré. Ny taona 1994 ka hatramin'ny taona 1997 izy no nandalina ny filôzôfia tao amin'ny Seminera zokiny, Vohitsoa-Fianarantsoa. Rehefa vita ny roa taona nanaovany ny "stage de régence" dia niverina tao Vohitsoa izy nandalina ny Teôlôjia, ny taona 1999 ka hatramin'ny 2002...

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 9, 8-15)

Ny faneken’Andriamanitra tamin’i Nôe, dia ny hanafaka azy amin’ny safo-drano.

Taorian’ny safo-drano Andriamanitra
niteny tamin’i Nôe sy ny zanany niaraka taminy nanao hoe:

“Izaho dia hanao fanekem-pihavanana aminareo sy amin’ny taranaka mandimby anareo,
amin’ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo,
na vorona, na biby fiompy, sy ny bibin’ny tany rehetra,
hatramin’izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara ka hatramin’ny biby rehetra ambonin’ny tany.
Manao fanekem-pihavanana aminareo aho:
tsy hisy levon’ny safo-drano intsony ny nofo rehetra,
ary tsy hisy safo-drano handringana ny tany intsony”.

Dia hoy Andriamanitra:

“Ity no famantarana ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo
mbamin’ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo,
amin’ny taranaka ho avy rehetra:
Nataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko, sy amin’ny tany.
Ka rehefa hampiangona rahona ambonin’ny tany Aho,
dia hiseho eo amin’ny rahona ny avana ka hotsarovako ny fanekena misy amiko sy aminareo
mbamin’ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra,
ka dia tsy hisy rano hanjary safo-drano mandringana ny nofo rehetra intsony”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 24, 4bd-5ab. 6-7bd. 8-9

Ny teninao, Tompo ô, mamiko sy teliko.

Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy;
ampianaro ahy ny soritrao.
Ny fahamarinanao itarihana ahy,
ianao no Andriamanitra Vonjiko.

Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ny mpanota toroany lalana,
ny ory entiny amin’ny marina,
asehony azy ireo ny lalany.

Ny lalany: fahamarinana, fitiavana
amin’izay mitandrina ny fanekeny.
Izay matahotra ny Tompo tsy anafenany:
atorony azy ny fanekeny.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 3, 18-22)

Ny Batemy izay tenan’io tandindona io no amonjena anareo.

Ry kristianina havana,
na i Kristy aza niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina,
mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy,
fa novelomina tamin’ny fanahy.
Ary tamin’io fanahy io ihany koa no nandehanany nitory teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina,
dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nôe,
mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsivitsy, dia valo monja,
sy namonjena azy ireo tamin’ny safo-drano.
Ary amin’ny rano ihany koa ankehitriny, dia amin’ny Batemy izay tenan’io tandindona io,
sy tsy fanadiovana ny loton’ny vatana, fa fangatahana fo tsara amin’Andriamanitra,
no amonjena anareo noho ny nitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,
dia ilay nandevona ny fahafatesana mba hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay,
ary efa lasa any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, eken’ny Anjely sy ny fahefana ary ny hery.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 12-15)

Nalain’i Satana fanahy Izy, ary ny Anjely nanompo Azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nentin’ny Fanahy ho any an’efitra, ka nitoetra tany efapolo andro
dia nalain’i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin’ny bibidia,
ary ny Anjely nanompo Azy.
Ary rahefa natao an-tranomaizina i Joany,
dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra,
ka nanao hoe:

“Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra;
mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Andrasana anio ny ho fizotry ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fifidianana eo anivon'ny kaominina. Hitafa amin'ny mpanao gazety eny amin'ny foiben-toerany eny Alarobia amin'izao maraina izao ny CENI... ♦ Fanilo miampita ho an'ireo mpitandro ny filaminana ankehitriny ary afo tsy maty mampiredareda ny fitiava-tanindrazana ny toe-tsain'ny Kôlônely Ratsimandrava Richard. Feno 49 taona omaly ny namonoana azy teny Ambohijatovo... ♦ Fotoana tsara hamoahana ny tena marina momba ny raharaha Ratsimandrava izao ary tsy tokony handratra ny fahalalana izany, hoy Pr Armand Rasoamiaramanana izay vavolombelona voalohany nohenoina tamin'iny raharaha iny...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...