♦ Navoaka amin'ny fomba ôfisialy sy fomban'ny Fiangonana androany, ireo mpiofana ho pretra sy relijiozy 14 mirahalahy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nahazo ny diplaoma Licence amin'ny taranja filôzôfia... ♦ Hotanterahana amin'ny 13 sy 14 jolay 2024 ny lanonana fanamasinana sy fametrahana an'i Mgr Herizo Rakotohasimbola, ho Evekan'i Maintirano... ♦ Nahatratra 105 ny fanamasinana ho pretra tany Frantsa tamin'ity taona 2024 ity...

♦ Nanamafy ny hiady ho an'ny demôkrasia ny MMM, eo anivon'ny IDC Afrika, nandritra ny fivoriana natao tany Paris... ♦ Nanomboka nitondra mpandeha androany, ny fitaterana an-tariby na ny TPC Anosy-Soarano... ♦ Andro vitsy tao aorian'ny fitokanana ny MIAMI ao Toamasina, misy ireo mpivarotra velon-taraina ary nilaza ho diso fanantenana ka mikasa ny hamerina ny fanalahidy amin'ny toeram-pivarotany ao amin'ny Village Kiosque Miami...

♦ Nibaribary ny fampandresena kandidàn'ny fitondrana sy ny fitsabahan'ny Minisiteran'ny Atitany, nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka teo, raha ny tatitry ny KMF/CNOE Fanabeazana Olompirenana... ♦ Hisitraka telo andro fialan-tsasatra ireo raim-pianakaviana ao aorian'ny fahaterahan'ny vadiny, raha araka ny tinapaky ny Solombavam-bahoka teny Tsimbazaza omaly... ♦ Hita faty teto Antananarivo, rehefa tsy nandrenesam-baovao tao anatin'ny tapabolana, ny Mpitsara ambony mpampanoa eo anivon'ny Fitsarana Ambony ao Mahajanga...

♦ Natsikafon'ny Cnoe androany, ireo tsy fahatomombanana hitany nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka farany teo... ♦ Nampiditra vola 500 tapitrisa Euros tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny fizahan-tany tamin'ny taon-dasa. Misy indray ny foara iraisam-pirenena momba ny fizahan-tany, ety Ivato, hampiroboroboana io sehatra io... ♦ Tafakatra 600 eo ny isan'ireo zaza latsaky ny 18 taona voatazona am-ponja. Misy ny atrikasa hitadiavana vahaolana sy hampitoviana ny fomba fijerin'ny mpitsara zaza tsy ampy taona, amin'ny fampiharana ny lalàna amin'izy ireo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...