5 mey 2024 — Alahady fahenina Fankalazana ny Paka — Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina no aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)

Ny tevii-doha dia teny ara-pitsaboana ampiasaina hilazana ny mandeha ran'orona. Mora mandeha ra ny orona noho ny toerana misy azy eo amin’ny tarehy sy ny akaiky ny lalan-dra ao amin’ny fonon’ny orona. Misy karazany roa ny tevi-doha : tevi-doha hita ivelany, tevi-doha anaty zany hoe aorian'ny kambon'orona. Ny ankizy 5 hatramin'ny 10 taona no matetika mandeha ran'orona, misy ihany koa anefa ny olon-dehibe. Mety ho vokatry ny dona na aretina hafa no mahatonga ny tevi-doha, toetr'andro. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Fototry ny safidy ny hatsaram-panahy : mino an'Andriamanitra. Ny vady dia mety miankina amin'ireto : asa, fianakaviana nipoirana, fiainana andavanandro, toetra sy fihetsem-po. Mety hametra-panontaniana isika hoe : tsy maintsy lavorary ve za no fidiana ho vady? ; tsy ampisalasalana no ilazana hoe tsy misy lavorary izany fa ny hatsaram-panahy voanjanahary no tombony ho an'ny tsirairay.  Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

4 mey 2024 — Sabotsy, Herinandro fahadimy Fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 18-21)

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...