Ny safidy tsara dia ahitana fahafahampo ho anao, ary vokatra tsara ho an'ny manodidina. Na eo amin'ny ankohonana misy anao izany, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eto amin'ny firenena ; olom-pirenena tompon'adidy ianao sy izaho koa aoka hanana heri-po hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦Asa andrasana amin'ny governemanta vaovao hijoro eo ny famaritana ny datim-pifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsain'ny tanàna... ♦ Manana fotoana hatramin'ny alatsinainy 22 jolay izao ireo nisoratra anarana amin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisitra vonjy maika... ♦ Tanterahana eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina hatramin'ny sabotsy izao ny foaran'ny FROMAZY avy eto an'ivon-tany. Mpandray anjara 20 mahery no mampiranty ny vokany, izay hita fa efa mahafolaka ary mahafehy ny fenitra misy... ♦ Nifanakalo babo an'ady i Rosia sy Ukraine ; miisa 95 avy ireo voafonja nifanakalozan'ny andaniny sy ny ankilany...
♦ Asa andrasana amin'ny Governemanta vaovao hijoro eo, ny famaritana ny datim-pifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsain'ny Tanàna... ♦ Manana fotoana hatramin'ny alatsinainy 22 jolay 2024, ireo nisoratra anarana amin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisitra vonjy maika... ♦ Hanamafy ny fiarovana ny Zandarimariam-pirenena mandrita ny fotoam-pialantsasatra...
♦ Dimy andro mialoha ny fanadinam-panjakàna bakalôrea : Maro amin'ireo tanora hiatrika ny fanadinana no mbola manenjika ireny karazana hetsika fara-doboka ireny... ♦ Manomboka miha maro ireo olona miazo ny Faritra mandeha miala sasatra, mahalasa fiara 170 isan'andro izao ny eny amin'ny toby fiantsonan'ny fiara Makis Andohatapenaka ka i Mahajanga no maro mpandeha... ♦ Nisokatra ny alatsinainy 15 jolay lasa teo ny taom-piotazana "la vanille" maitso ho an'ny Faritra Fitovinany sy Atsimo-Atsinanana, tsy nisy ny fameram-bidy fa miankina amin'ny tolotra sy ny tinady eo amin'ny tantsaha sy ny mpanangom-bokatra izany... ♦ Hisokatra ny 29 jolay ny fametrahana ny firotsahan-kofidiana filoham-pirenena any Tunisie...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco