♦ Mitaky ny hanatanterahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny mpanolon-tsaina ny RMDM. Tapitra omaly ny fe-potoan-kiasany... ♦ Manampy an'i Madagasikara noho ny fandalovan'ny rivo-doza Alvaro farany teo i Etazonia. Fanampiana 4,7 taonina no natolotry ny amerikana... ♦ Mbola misy telo herinandro vao vita ny asa fanamboarana ny lalana Ankadimbahoaka mandalo ny Fasan'ny Karana hatreny Anosizato ao Antananarivo renivohitra. Nijery ny fizotry ny asa ny ekipan'ny ministeran'ny asa vaventy... ♦ Hitory an'i Israely any amin'ny Fitsaràna Iraisam-pirenena i Afrika Atsimo. Ambaran'ny ao Pretoria renivohitra ho hetsika fandringanan'olona no ataon'ny Israeliana any amin'ny faritr'i Gaza ankehitriny...

Ny safidy dia mampivoatra ny maha olona. Mampivoatra ny maha-izay avy amin'ilay atao hoe "développement personnel" na fampivoarana sy fanatsarana ny maha-izay eo amin'ny sehatra izay misy dia isan'ny tena ilaina indrindra amin'ny sehatry ny asa, mikendry ny hampitombo sy hanatsara ny vokatra azo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Manova paik'ady indray ny dahalo ao amin'ny Distrika Ankazobe amin'ny fanafihana ataony. Manentana ny vahoaka sy ny mpitondra eny ifotony ho mailo, hoy ny solombavambahoaka Rija Rasoava Rakotoarisoa... ♦ Maherin'ny 200 ireo voafonja afaka nivoaka ny fonjan'Antanimora omaly nahazo ny fanalefan-tsazy avy amin'ny filohan'ny Repoblika... ♦ Nanokatra ny taona 2024 omaly ny RMDM. Vonona hiady amin'ny tsy rariny sy ny tsy fanajàna ny lalàna izy ireo. Mitohy ny tolona hoy ny mpitondra teniny Pasitera Edouard Tsarahame... ♦ Nanambara ny Praiministra israeliana fa tsy hihazona maharitra an'i Gaza eo am-pelantanany izy ireo. Ny hamongorana ny Hamas no tanjon'izy ireo...

Ny antom-pisian'ny zokiolona : ilaina toy ny tanora izy, afaka mifanampy amin'ny rehetra, mahavita asasoa betsaka noho ny tanora ka zary ohatra ho an'ny olona rehetra. Ny zokiolona dia mahay mitsinjo ny ho avy. Ny zokiolona dia olon'ny fahalalahan-tanana ary mahafoy. Ny zokiolona dia mitaiza sy manabe ny fiaraha-monina misy azy. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...