♦ Efa eny am-pelatanan'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny tolo-kevitra amin'ny anaran'ireo ministra hotendrena ao anatin'ny Governemanta vaovao. Andrasana ny famoahana ôfisialy ireo mpikambana handrafitra izany... ♦ Miandrandra fihaonana amin'ny vondron'ireo mpampiasa ny FISEMARE manoloana ny fampiakarana ny karama ho an'ny sehatra tsy miankina... ♦ Miisa 280 reo boky novokarin'ny faribolana Sandratra tao anatin'ny 35 taona nijoroany... ♦ Nihoatra ny 200% ny tahan'ny fisondrotry ny vidim-piainana tany Argentine tamin'iny taona 2023 iny...
Tsy misy fanantenana ny fiainantsika rehefa tsy misy zokiolona. Ny vehivavy dia mahari-pery, mahavita manohana ny vadiny mandrankariva. Vitsy ny lehilahy manana herim-pom-bahivavy, môdely kokoa amin'ny faharetana ny zokiolona vehivavy. Afa-mifanohana ny zokiolona rehefa misy iray mijoro. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
12 janoary 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 1-12)
♦ Nanolotra ireo tolo-keviny any amin'ny filoham-pirenena momba ireo ministra hotendrena anaty Governemanta vaovao ny Praiministra androany, raha ny efa voafaritra. Haneho ny heviny eto momba izay fanendrena ministra izay ireo mpanao politika... ♦ Namoaka naoty ny eo anivon'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka manoloana ny fihanak'ilay areti-maso "conjonctivite". Efa ahitàna io trangan'aretina io ihany koa eto Antananarivo amin'izao raha ny tatitra azo... ♦ Tsy maintsy hisy ny fisondrotan-karama ho an'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina amin'ity taona ity, hoy ny FISEMARE. Handefa taratasy any amin'ny vondron'ny mpampiasa izy ireo, hisian'ny fihaonana handinihana izany amin'ity volana ity...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco