Ny fanantenana dia mitondra amin'ny finoana ary ny finoana manova ny zavatra ho amin'ny tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Tsy mihemotra amin'ny fampiharana ilay lalàna momba ny famosirana ireo lehilahy mpanolana ankizy tsy ampy taona ny fitondram-panjakàna na misy aza ny fanakianana ataon'ireo mpiaro ny zon'olombelona. Fanambarana nataon'ny mpitondra tenin'ny governemanta Rakotondrazafy Lalatiana... ♦ Hanohy ny asan'ny maha mpanolontsainan'ny tanànan'Antananaivo Renivohitra aza Ramatoa Ravololomanana Lalatiana. Tsy ho PDS ho an'ny tanànan'Antananarivo ny tenany araka ny nambarany omaly... ♦ Mbola hitoetra hatramin'ny anio ny alondrano any amin'ny morontsiraka atsimo andrefana sy atsimon'ny nosy. Mbola hahazo vahana ihany koa hatramin'ny anio ny oram-baratra ho an'ny afovoan-tany sy ny faritra afovoany atsinan'ny nosy...

♦ Tsy hihemotra amin'ny fampiharana ilay lalàna vaovao ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny famosirana ireo mpanolana ankizy, ny fitondram-panjakana... ♦ Tsy ho isan'ireo delegasiôna manokana, hitantana vonjy maika ny tanàn'Antananarivo Renivohitra, Ramatoa Lalatiana Ravololomanana... ♦ Mirongatra ny aretin'omby besoroka, any amin'ny Kaominina Andriandampy, tapany avaratry ny Disitrikan'i Betroka, raha ny tatitry ny Solombavam-bahoaka tamin'ny mpanao gazety...

♦ Misy ny fanazavan'i tompon'andraikitra momba ny disadisa nisy nandritra ny hetsika nataon'ny UPAR tany Fianarantsoa.. ♦ Nanamafy ny fahavononany hirotsa-kofidiana ho solombavambahoaka ao amin'ny distrikan'i Manjakandriana Dr Fidy Bariniaina. Lalana iray hahatongavana amin'ny fampandrosoana ity distrika ity hoy izy ny fanomezana fahefana ny eny ifotony mba hamaritra ireo laharam-pahamehana... ♦ Nivoaka ny didim-pitsarana ka niampy 2 taona an-tranomaizina indray ny sazin'i Mbola Rajaonah, noho ny fikasany handositra ny fonja... ♦ Mety hitarika any amin'ny ady lehibe fahatelo ny fikasan'ny tandrefana hampiditra ny tafikany any Ukraine, hoy ny mpitondra tenin'ny masoivohon'i Rosia any Frantsa...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...