Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 61, 1-2a. 10-11)
Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo,
satria voahosotry ny Tompo aho;
nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra,
hamehy ny ferin’ireo torotoro fo;
hampandre amin’ny babo fa afaka, sy ny ao an-tranomaizina
fa alefa hitory taom-pahasoavana anankiray ho an’ny Tompo.
Ho revon-kafaliana eo amin’ny Tompo aho,
ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko,
satria notafiany fitafiam-pamonjena aho
ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana,
toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany;
toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy,
sy toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy,
no ampanirian’ny Tompo Andriamanitra ny fahamarinana sy ny fiderana,
eo anatrehan’ny firenena rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Lk. 1, 46-48. 49-50. 53-54
Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny aiko:
fa nojereny ity ankizivaviny tsinontsinona,
ka hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho.
Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa,
ilay antsoina hoe “Ny Masina”,
ilay tia an’izay matahotra azy
amin’ny taona mifandimby.
Ireo noana vokisany soa,
ny manana ataony mody maina.
Nanarina an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsaroany ny teniny tamin’ny razantsika.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 5, 16-24)
Ry kristianina havana,
mifalia mandrakariva;
mivavaha lalandava;
ary misaora amin’ny zavatra rehetra,
fa izany no sitra-pon’Andriamanitra,
ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Aza mamono ny Fanahy;
aza manamavo ny faminaniana,
fa zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara;
fa fadio kosa na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza.
Ary Andriamanitry ny fiadanana anie
hanamasina ny tenanareo manontolo,
ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny
ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika avokoa ny fanahinareo
sy ny ainareo ary ny vatanareo.
Tsy mivadika Ilay niantso anareo,
ka Izy ihany koa no hanefa izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 6-8. 19-28)
Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra,
Joany no anarany;
tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy,
mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny.
Tsy izy anefa no Fahazavana
fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy.
Ary izao no nambaran’i Joany
raha naniraka mpisorona sy Levita, avy tany Jerosalema,
hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe:
“Iza moa Ianao?”
Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe:
“Tsy i Kristy aho”.
Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe:
“Iza àry?
i Elia va ianao?”
Fa hoy izy:
“Tsy izy aho”.
Ary hoy ihany izy ireo:
“Ilay mpaminany va ianao?”
Fa hoy ny navaliny:
“Tsia”.
Ka hoy izy ireo taminy:
“Iza àry ianao,
mba hitondranay valy amin’izay naniraka anay?
Ataonao ho iza ny tenanao?”
Dia hoy izy:
“Izaho no feo miantso any an’efitra hoe:
Ahitsio ny lalan’ny Tompo,
araka izay voalazan’i Izaia mpaminany”.
Ary Farisianina ireo iraka ireo.
Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe:
“Nahoana àry ianao no manao batemy
raha tsy i Kristy, na i Elia, na ilay Mpaminany?”
Ka novalian’i Joany hoe:
“Izaho manao batemy amin’ny rano;
fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo,
dia Ilay avy ao aoriako,
ary tsy mendrika hamaha ny kofehikapany aza aho”.
Tany Betania andafin’i Jordany,
izay nanaovan’i Joany batemy,
no natao izany zavatra izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nohenoina eny amin'ny tobin'ny zandary eny Fiadanana indray androany maraina ny mpanao gazety Gasikara Fenosoa taorian'ny tamin'ny zoma lasa teo. Miaraka aminy amin'izay fanadihadiana izay ny mpisolo vava azy sy ny filohan'ny holafitry ny mpanao gazety... ♦ Teratany vahiny miisa 12 miampy malagasy miisa 2, ka ny iray governoran'ny Faritra, no nahiditra am-ponja vonjy maika, taorian'ny fihainoan'ny fampanoavana azy ireo. Fitrandrahana volamena tao amin'ny reniranon'i kamoro, kaominina Marokoro Maevatanàna no anenjehana azy... ♦ Natolotra an'ireo tantsaha ao amin'ny Faritra Vakinakaratra androany ny milina fanodinana ny paoma ho lasa ranom-boakazo. Ao Andranomanelatra Antsirabe faharoa ny lanonana...
♦ Nanamarika ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny kolikoly isika teto Madagasikara ny sabotsy 9 desambra teo. Mivoatra manaraka ny teknôlôjia ny fanaovana kolikoly eto amintsika hoy ny tompon'andraikitra ao amin'ny Bianco ka tsy maintsy mivoatra ihany ko any fomba fiasa... ♦ Nomarihana omaly 10 desambra ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'olombelona. Mampiroborobo ny zon'olombelona manerana an'i Madagasikara ny governemanta hoy ny Ministry ny Fitsaràna. Marefo ny mpiaro ny zon'olombelona eto amintsika... ♦ Hihena 19% ny drakaka ahondran'i Madagasikara amin'ny taona 2024 noho ny fepetra ho ampiarin'ny ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga...
Ny toe-tsaina teo amin'ny Ntaolo milaza hoe "izay adala no toa an-drainy" dia ahatsapana ny hetaheta sy fahalinana amin'ny fivoarana na ny tsaratsara kokoa. Efa antaonany maro nanomboka tany amin'ny 1980 tany ho any no nahatsapana ny firohotana makany an-tanan-dehibe fa any hono no misy asa, any no mora tadiavina ny vola anefa tsy izany no misy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco