Mitodika manokana amin'ny kristiana ny konsily ka milaza fa "ohatra no tsy maintsy omeny amin'ny fandraisana adidy sy fahafoizan-tena ho an'ny soa iombonana, ka ny asany no entiny mampiseho fa azo arindra ny fahefana sy ny fahalalahana, ny hevitry ny tena samirery sy ny asa vadi-drano ary ny filàna ny fokonolona miara-monina. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
29 nôvambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 12-19)
♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana androany, ny Ray aman-dreny ara-drazana mijoro. Nambaran'izy ireo fa nisy hosoka sy tsy fanarahan-dalàna maro tamin'iny fifidianana izay ho Filoham-pirenena lasa teo iny... ♦ Nodinihina tanatin'ny asam-baomiera teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny volavolan'ny teti-bolam-panjakana ho an'ny taona 2024... ♦ Nitombo ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka sy mahery vaika any Faritra Atsimo-Atsinanana, tao aorian'ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai sy Emnati, hoy ny Governoran'ny Faritra...
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 6, 12-28)
Tamin’izany andro izany,
dia avy nirodorodo ny olona ka nahita an’i Daniely nivavaka
sy niantso an’Andriamanitra Tompony;
dia nanatona ny mpanjaka sy niteny taminy
ny amin’ilay didim-panjakana izy ireo nanao hoe:
“Moa tsy nanoratra lalàna ianao
fa na zovy na zovy mivavaka amin’andriamanitra na amin’olombelona,
afa-tsy aminao irery mandritra ny telopolo andro, ry mpanjaka,
dia hatsipy ao an-davaky ny liona?”
Namaly ny mpanjaka nanao hoe:
“Marina tokoa izany,
araka ny lalàn’ny Meda sy ny Persa izay tsy azo ovàna.”
Dia niteny indray izy ireo,
ka nilaza teo anatrehan’ny mpanjaka hoe:
“I Daniely anankiray amin’ireo babo avy amin’i Jodà anefa, ry mpanjaka,
namotsifotsy anao, sy ny didy nosoratanao;
fa manao ny fivavahany intelo isan’andro.”
Nalahelo mafy ny mpanjaka nony nandre izany;
raikitra tao am-pony ny hanafaka an’i Daniely,
ka mandra-pilentiky ny masoandro izy,
nitady hamonjy azy ihany.
Fa nirodorodo nankao amin’ny mpanjaka ireo olona ireo,
ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe:
“Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô,
fa lalàn’ny Meda sy ny Persa
ny tsy ahazoana manova ny didy aman-dalàna rehetra
efa navoaky ny mpanjaka.”
Tamin’izay ny mpanjaka nanome teny
hitondra an’i Daniely sy hanipy azy ao an-davaky ny liona.
Niteny ny mpanjaka,
ka nanao tamin’i Daniely hoe:
“Ny Andriamanitrao izay tompoinao mandrakariva anie,
no hanafaka anao!”
Dia nalaina ny vato natampina ny vava lavaka,
ka nasian’ny mpanjaka fitomboka tamin’ny fanombohan-kaseny
sy ny fanombohan-kasen’ireo andriantompomenakeliny,
mba tsy hisy hovana ny amin’i Daniely.
Avy eo ny mpanjaka dia nankany an-dapany
tsy nitendry hanina mandritra ny alina,
tsy nampiantso vehivavy ho eo aminy,
ary lasa lavitra azy ny torimaso.
Vao marainakoa ilay nangiran-dratsy iny ny andro
dia niarina ny mpanjaka,
ka nidodododo nankany an-davaky ny liona.
Nony mby teo akaikin’ny lavaka izy,
niantso an’i Daniely tamin’ny feo malahelo,
ary niteny ny mpanjaka ka nanao tamin’i Daniely hoe:
“Ry Daniely mpanompon’Andriamanitra velona ô;
nahavonjy anao tamin’ny liona va
ny Andriamanitrao tompoinao mandrakariva?”
Dia niteny tamin’ny mpanjaka i Daniely:
“Ry mpanjaka ô,
velona mandrakizay anie ianao!
Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny
ka nanakombona ny vavan’ny liona ka tsy naninona tsy naninona ahy akory ireo,
satria hita fa tsy manan-tsiny eo anatrehany aho,
sady tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka o!”
Faly dia faly ny mpanjaka ny amin’i Daniely
ka nasainy nesorina tao an-davaka i Daniely.
Dia nesorina tao an-davaka i Daniely,
ka tsy nisy ratra kely akory hita tao aminy,
satria nino ny Andriamanitra Tompony izy.
Fa nandidy kosa ny mpanjaka,
ka ireo olona nilaza ratsy an’i Daniely
dia nalaina ary natsipy tao an-davaky ny liona izy
mbamin’ny vady aman-janany.
Ka mbola tsy nipaka tamin’ny vodilavaka akory
dia noraisin’ny liona,
ary notapatapahiny ny taolany rehetra.
Tamin’izay i Dariosa mpanjaka
nanoratra ho any amin’ny foko amam-pirenena rehetra
mbamin’ny samihafa fiteny,
izay monina eto ambonin’ny tany nanao hoe:
“Hitombo fiadanana anie ianareo!
Lalàna avoakako ny mba hatahorana sy hangovitan’ny olona
eo anatrehan’ny Andriamanitr’i Daniely eran’ny fanjakako rehetra,
fa Izy no Andriamanitra velona,
maharitra mandrakizay,
ny fanjakany tsy mba ho rava,
ary ny fifehezany tsy hanam-pahataperana.
Manafaka sy mamonjy Izy
ary manao famantarana amam-pahagagana eny an-danitra
sy etý an-tany.
Izy no nanafaka an’i Daniely tamin’ny hohon’ny liona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Dan. 3, 68. 69. 70. 71. 72. 73. 74
Ry ando aman’erika:
isaory ny Tompo!
Ry rano sy havandra:
isaory ny Tompo!
Fanala sy zavona:
isaory ny Tompo!
Antoandro sy alina:
isaory ny Tompo!
Mazava sy maizina:
isaory ny Tompo!
Ry raho-mamiratra:
isaory ny Tompo
Ry tany tontolo:
isaory ny Tompo!
Tongava hihoby:
isaory ny Tompo!
Aleloia. Aleloia.
Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 20-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Rahefa hitanareo voahodidin’ny miaramila i Jerosalema,
dia fantaro amin’izany fa efa antomotra ny fandravana azy,
ka amin’izany,
izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra,
izay ao an-tanàna aoka hivoaka any ivelany,
ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony,
satria izany andro izany no ho andro famaizana
sy hahatanterahan’izay rehetra voasoratra.
Loza ho an’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany,
fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany,
ary ho mafy ny hatezeran’Andriamanitra amin’itý firenena itý:
haringana amin’ny lela sabatra izy,
sy ho lasan-ko babo any amin’ny firenena rehetra,
ary hohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema
mandrapahafenon’ny andron’ny Jentily.
Hisy famantarana koa
eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana,
ary etý an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena
noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany;
ho ankona foana ny olona
noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjò an’izao tontolo izao,
fa hihozongozona ny herin’ny lanitra.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’Olona
avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe.
Raha vao miantomboka izany zavatra izany,
dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo,
fa efa akaiky ny fanavotana anareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco