Namolavola mari-pamantarana Label Soa Far ho an'ireo Foibem-panofanana mivondrona ao aminy ny tambazotra FARMADA. Miisa 13 ny ivon-toerana efa nisitraka izany. Nitondra anjara biriky lehibe amin'ny fanatsaràna ny kalitaom-pampiofanana atolotra ny tanora sy ny tantsaha hanabe voa ny famokarana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra teto amintsika ny Tambazotra FARMADA. Marika entina manavaka ny ivon-toeram-panofanana, izay mitondra fanatsaràna sy manavao ny rafitra ao aminy ny Label Soa Far...
♦ Nanamafy ny eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena fa tena jiolahy, ireo olona dimy namoy ny ainy, tamin'ilay fifampitifirana teny Andohanimandroseza... ♦ Rahampitso amin'ny 10 ora maraina no hamoaka ny vokatra vonjy maika tamin'ny fifidianana ny 16 nôvambra 2023, ny CENI. Efa ny 91%-n'ny birao fandatsaham-bato no namoahany vokatra tamin'ny 10 ora maraina teo... ♦ Vehivavy iray amin'ny telo no mbola iharan'ny herisetra eto Madagasikara, raha ny tatitry ny FNUAP. Laharana faha-14 maneran-tany isika amin'ny fampanambadiana ankizy tsy ampy taona, izay matetika iharan'ny herisetra ao an-tokantrano...
Tokony fantarina ny holafitra eo amin'ny asa fitsaboana sy ny tombontsoa azo ao aminy, eo amin'ny lafiny fahasalamam-bahoaka. Maro ny olana tsy mampilamina ny asa fitsaboana sy ny fahasalamam-bahoaka ankehitriny. Izany no antony hiresahana androany ny dikan'ny holafitra sy ny andraikiny mikasika izany rehetra izany. Sarobidy ny fahasalamana ka aoka mba eny amin'ny tobim-pahasalamana sy ireo nianatra manokana momba ny fitsaboana no hatonina rehefa misy tranga tsy fahasalamana...
♦ Nihaona tamin'ny Papa François ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Feno dia feno ny fandaharam-potoanan'izy ireo omaly, nandritra ny fitsidihana tao Vatican... ♦ Mitana ny sain'ny mpanara-baovao ilay fifampitifirana nahafaty olona dimy teny Amparihikely Andohanimandroseza, ny talata teo... ♦ Hiakatra Fampanoavana eny amin'ny Fitsarana anio, ny mpandrindra ny Randrana Sendikaly sy ny Filohan'ny SECES Sampana Antananarivo. Indroa alina izy ireo no notazonina teny Fiadanana. Nampangaina ho manohintohina ny fiandrianam-panjakana...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco