♦ Tsy namaly ny antson'ireo Solombavam-bahoaka miara-dia amin'ny vondron'ny kandidà, ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon'ny Governemanta androany, raha nampiantsoina hitondra fanazavana teny Tsimbazaza... ♦ Handray fepetra hanerena ny fanafoanana ny fifidianana amin'ny 16 novambra 2023, ny vondron'ireo firaisamonim-pirenena, fikambanana sy ny sendikà isan-tsokajiny... ♦ Hiverina amin'izay ny fahafahana manondrana volamena sy vato sarobidy any ivelany. Tafapetraka ary nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany, ny “Guichet unique” hisahana izany, etsy Mamory Ivato...
♦ Nanapa-kevitra nampitsahatra ny diabe nokasaina natao androany ny vondron'ny kandidà. Manamafy ny fitakiana amoahana ny depiote Fetra Ralambozafimbololona nosamborina omaly izy ireo... ♦ Tsy ara-dalàna ny hetsika an-dalambe ataon'ny vondron'ny kandidà hoy ny vovonana IFI. Tsy tokony hoy ny fanakorontanana hoy ny sekretera jeneraly Pasitera Nestor Razafindramanitra fa aleo handeha ny fifidianana... ♦ Manitsakitsaka ny andininy faha-16 anatin'ny lalam-panorenana malagasy ny nampiasana ny rindram-baiko Predator hoy ny Kmf/Cnoe... ♦ Mihamafy ny fifandonan'ny tafiky ny jeneraly roa mifanandrina any Soudan. Efa ho 5.000 isa ny olona maty tao anatin'ny 7 volana nisian'ny ady...
Boky Fahendrena (Fahendrena 2, 23 — 3, 9)
Noarìn’Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona,
ary nataony mitovy tarehy amin’ny tenany;
fa ny fialonan’ny demony
no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao,
dia hanandrana izany ry zareo izay azy.
Eo an-tanan’Andriamanitra ny fanahin’ny marina,
ka tsy mahatratra azy ny fijaliana.
Hoatra ny maty izy,
araka ny fiheveran’ny adala azy,
ary hoatra ny loza ny fialany amin’izao fiainana izao,
ary toa fahalevonana ny fandehany avy eo afovoantsika;
kanjo ao anatin’ny fiadanana izy.
Na dia niharan-tsazy aza izy, eo imason’ny olombelona,
ny fanantenany kosa henika ny tsy fetezana ho faty.
Rahefa afaka ny fijaliana maivana foana,
dia handray valisoa lehibe izy:
fa efa nozahan’Andriamanitra toetra izy,
ka hitany ho mendrika Azy.
Notsapainy toy ny volamena atao anaty memy izy,
ka nankasitrahany,
toy ny sorona dorana lavorary.
Amin’ny andro hamalian-tsoa azy,
hamirapiratra izy ireo;
tahaka ny kilalaon’afo hivoivoy haingana amin’ny bozaka.
Hitsara ny firenena sy hanapaka ny vahoaka izy;
ary hanjaka aminy mandrakizay ny Tompo.
Izy ireo niantehitra taminy ka hahafantatra ny marina;
hiara-monina aminy amim-pitiavana, ny miraiki-po aminy,
satria ho an’ny olom-pinidiny ny fahasoavana amam-pamindram-po.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 33, 2-3. 16-17. 18-19
Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko;
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Ny mason’ny Tompo amin’ny olo-marina;
ny sofiny amin’ny tolokon’ireo.
Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo:
ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.
Aleloia. Aleloia.
Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 7-10)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:
“Iza moa aminareo no manana mpanompo
miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha
no mba hilaza aminy hoe:‘Metia faingana, ary mipetraha hihinana?’
Moa tsy izao aza no holazainy aminy:
‘Amboary ny sakafoko,
ary misikina hampihinana ahy
mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro,
fa rahefa izany vao hihinana sy hisotro ianao?’Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy,
satria nanao izay nasainy nataony io?
Ataoko fa tsy izany.
Koa tahaka izany koa ianareo:
rahefa vitanareo izay nandidiana anareo,
dia lazao hoe:‘Mpanompo tsy mahasoa izahay,
fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Fanombohan’ny Boky Fahendrena (Fahendrena 1, 1-7)
Tiavonareo ny fahamarinana,
ianareo izay mpitsara eto an-tany;
aoka ho araka ny hitsiny no fihevitrareo ny Tompo,
ary amin’ny fo marina no hitadiavanareo Azy;
fa mety ho hitan’izay tsy maka fanahy Azy Izy,
ary miseho amin’izay matoky Azy.
Satria ny hevi-dratsy mampisaraka amin’Andriamanitra,
ary ny fahefany raha misy maka fanahy Azy
miampanga ny adala.
Ny fahendrena
tsy mba miditra amin’ny fanahy misain-dratsy,
ary tsy monina amin’ny vatana andevon’ny fahotana.
Ny Fanahy Masina,
mpanabe ny olona mandositra ny hafetsen-dratsy,
manalavitra ny hevitra tsy misy saina,
ary mihataka Izy raha mandroso ny heloka.
Fa fanahy tia ny olombelona ny fahendrena,
ka tsy avelany ho afa-potsiny
ny mpiteny ratsy an’Andriamanitra amin’ny teny ratsy ataony.
Satria Andriamanitra dia vavolombelon’ny voany.
Mpamantatra marina ny fony,
ary mandre ny teniny.
Fa manerana an’izao tontolo izao ny Fanahin’ny Tompo,
ary ao aminy avokoa ny zavatra rehetra,
ka reny daholo izay lazain’ny olona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 138, 1-3. 4-6. 7-8. 9-10
Tompo ô! mandinika ahy Ianao,
ka mahafantatra!
Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana;
mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro!
Voadinikao aho na mamindra na miato;
ny lalako tsy misy manavao Anao.
Ny teny tsy mbola eo amin’ny lelako,
dia indro, ry Tompo, efa fantatrao tontolo!
Voambombanao aho na aloha na aoriana;
ny tananao mipetraka eo amboniko!
Fahalalana mahagaga loatra amiko;
avo loatra, tsy hamboiko takarina.
Aiza no hialako amin’ny fofon’ainao?
Aiza no handosirako tsy ho anoloanao?
Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao;
mitakoko any an-tSeoly, io koa Ianao.
Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho,
mba honina any am-paran’ny ranomasina,
mbola ny tananao no mitondra ahy any,
eny: ny tananao no mitantana!
Aleloia. Aleloia.
Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 1-6)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana,
fa loza ho an’izay iaviany!
Aleo anantonana vato fikosohan-dafarinina ny vozony
ka alentika any anatin’ny ranomasina izy
toy izay manafintohina
na dia ny anankiray amin’ireto madinika ireto aza.
Koa mitandrema ianareo.
Raha diso taminao ny rahalahinao,
anaro izy,
ka raha mivalo izy,
dia mamelà azy.
Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy,
ka miverina impito koa manao hoe:‘Mifona aho’,
dia mamelà azy.”
Ary hoy ny Apôstôly tamin’ny Tompo:
“Ampitomboy ny finoanay.”
Fa hoy ny Tompo:
“Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo,
dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe:‘Miongota,
ka mifindrà any amin’ny ranomasina’,dia hanaiky anareo izy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco