Vakiteny voalohany

Boky Faharoan’i Makabeo (Makabeo 6, 18-31)

Ohatra ambony no havelako raha hiatrika ny fahafatesana amin-kerim-po noho ny lalàna mendrika hohajaina aho.

Tamin’izany andro izany,
i Eleazara iray amin’ireo mpampiana-dalàna ambony,
izay lehilahy efa nandroso taona, sy niendrik’andriana indrindra,
dia nosokafana an-keriny ny vavany noterena hihinan-kena kisoa.
Kanefa naleony maty be voninahitra toy izay velona ho olo-meloka;
naloany ny hena, dia nandroso an-tsitrapo ho any amin’ny fampijaliana izy;
toy ny tsy maintsy androsoan’izay manan-kerim-po handoa ny voarara tsy hohanina,
noho ny fitiavana ny aina.
Nifankahazo tamin’i Eleazara hatra ny ela kosa
ireo voatendry hitarika izany fisoronana manohitra ny lalàna izany,
ka nalainy mangingina izy,
novokisany hampaka hena azo hanina sy nandrahoin’ny tenany ihany
ary hody hihinana ny hena natao sorona, araka ny nandidian’ny mpanjaka;
satria rahefa vitany izany, dia ho afaka amin’ny fahafatesana izy,
ka hahita soa amin’ny famindram-po ataon’izy ireo
noho ny fisakaizany taminy efa ela be.
Fa izy kosa nandinidinika tamim-pahendrena,
araka izay nety, ny taonany sy ny fanajana ambony tandrifin’ny fahanterany,
ampian’ny volony fotsy be voninahitra sy toe-piainana mendrika indrindra
narahiny hatramin’ny fahazazana,
ary indrindra ny lalàna masina naorin’Andriamanitra mihitsy;
ka noho izany ny handefasana azy haingana any amin’ny fonenan’ny maty, no navaliny.

Hoy izy:

“Tsy mety tokoa,
raha olona be taona toa anay izao no hoe manafin-kevitra;
fandrao dia heverin’ny zatovo maro
fa nanaraka ny fombam-pirenen-kafa tokoa i Eleazara nony efa sivifolo taona.
Amin’izany izy ireo,
noho ny fanafenako hevitra,
sy noho ny sisam-piaina-mandalo, dia ho diso lalana;
ka ho voatototra henatra amam-pahafaham-baraka ny fahanterako.
Ary na ho afaka amin’ny sazin’olombelona fe ankehitriny aza aho;
tsy ho afa-mandositra ny tanan’Ilay mahefa ny zavatra rehetra,
na velona aho na maty.
Noho izany,
raha amin-kerim-po no handaozako itý fiainana itý ankehitriny,
dia hiseho ho mendrika ny fahanterako ahay,
ary ohatra ambony no havelako harahin’ny tanora
amin’ny fahafatesana antsitrapo sy amin-kerim-po
noho ny lalàna mendrika hohajaina sy masina.”

Vao avy niteny izany izy,
dia nizotra nankao amin’ny fiasana famonoana.
Noheverin’izay nitondra azy hankeny ho hadalàna ny teny vao notononiny,
ka novany ho halozana ny fitiavany azy vao nasehony taminy teo.

Nony efa ho fatin’ny kapoka izy, dia nisento nanao hoe:

“Ny Tompo manana ny fahalalana masina
no mahita fa rahefa afa-mandositra ny fahafatesana ihany aho,
dia miaritra fampijalijaliana mafy amin’ny nofoko asiana ny langilangy,
fa amin’ny fanahiko kosa,
mandefitra izany an-kafaliana noho ny fanajako azy.”

Toy izany no namoizany ny aina
ka ny fahafatesany nataony tonga oha-kerim-po
sy tsangam-baton’ny hatsaram-panahy,
tsy ho an’ny tanora ihany,
fa ho an’ny vahoaka rehetra koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 3, 2-3. 4-5. 6-7

Manohana ahy ny Tompo.

Tompo ô! drey itý hamaroan’ny rafiko
sy ireo mitsangan-kanohitra ahy,
sy ireo mikendry ny aiko:
fa tsy vonjen’Andriamanitra, hono, aho!

Kanjo Ianao, ry Tompo, no Mpanao soa ahy.
Voninahitro, Mpanatràka ny lohako!
Izaho niantso ka niantso ny Tompo:
Izy nanoina tany am-Bohiny Masina!

Izaho mandry, dia matory, dia mifoha:
fa ny Tompo manohana ahy!
Tsy atahorako izay vahoaka alinalina
manemitra ahy hatraiza hatraiza!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 1-10)

Hitady sy hamonjy ny very no nahatogavan’ny Zanak’olona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa,
rahefa niditra tao Jerikao, dia namaky ny tanàna.
Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe i Zake,
lehiben’ny poblikanina sady mpanan-karena,
nitady hahita an’i Jesoa mba hahalala Azy,
fa tsy afaka noho ny habetsahan’ny olona,
satria fohy izy.
Koa nihazakazaka nialoha izy,
dia nianika amontana anankiray hitazana Azy,
fa eo no handalovany.
Nony mby teo i Jesoa dia niandrandra ka nahita azy,
ary nanao taminy hoe:

“Ry Zake, midina haingana,
fa tsy maintsy hiantrano ao aminao Aho anio.”

Dia nidina haingana izy ka nandray Azy tamin-kafaliana.
Ary nony nahita izany ny olona,
dia nimonomonona nanao hoe:

“Lasa niditra any an-tranon’ny mpanota Izy.”

Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin’ny Tompo hoe:

“Tompoko,
indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra,
ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny
dia honerako inefatra hoatra azy.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Tonga amin’itý trano itý androany ny famonjena,
satria zanak’i Abrahama koa itý lehilahy itý,
fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Dingam-piofanana tsy maintsy lalovana amin’ny fiofanana ho pretra ny filôzôfia… ♦ Nanentana ny tanora mba ho mpamafy fanantenana ny Papa François… ♦ Manan-danja amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny hafaliana…

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Makabeo (Makabeo 1, 11-16. 43-45. 57-60. 65-67)

Hatezerana mafy loatra no niantonta tamin’ny vahoaka.

Tamin’izany andro izany,
nisy solofom-paharatsiana anankiray nivoaka avy amin’ireo mpanjaka,
dia i Antiôkosa Epifana, zanak’i Antiôkosa mpanjaka,
izay natao antoka tany Rôma,
sy tonga mpanjaka tamin’ny fahafito amby telopolo amby zato taonan’ny mpanjakan’ny Greka.

Tamin’izany andro izany,
nisy taranaka mpivadika avy amin’i Israely
ka nitarika ny hafa betsaka koa, nanao hoe:

“Andeha isika hikambana amin’ireo firenena manodidina antsika
fa nidiran-doza maro isika,
hatrizay nitokanantsika lavitra an’ireo izay.”

Ary nataony ho mety harahina izany teny izany.
Ka ny sasany tamin’ny vahoaka dia rototra nanatona ny mpanjaka,
ka nomeny lalana hanaraka ny fanaon’ny firenena.
Nanorina toerana fanaovana asa tena mampatanjaka tao Jerosalema,
araka ny fanaon’ny firenena izy ireo.
Nofoanan’izy ireo ny marika amin’ny famorana azy,
dia nialany amin’izay ny fanekena masina,
ary tafakambana tamin’ny firenena sy nivaro-tena hanao ny ota izy.

Namoaka didy tamin’ny fanjakany manontolo i Antiôkosa mpanjaka,
mba hiraisan’izy rehetra ho vahoaka tokana,
fa samy hanary ny lalàny manokana.
Nanaraka ny didin’ny mpanjaka avokoa ny firenena.
Nanaiky hanaraka ny fombam-pivavahany koa ny Israelita ankamaroany;
ka nanao sorona tamin’ny sampy sy nandoto ny sabata.

Tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana Kasleo,
taona fahadimy amby efapolo amby zato,
dia naoriny teo ambony ôtelin’ny sorona dorana
ny fahavetavetana lozan-tany.
Nanorenany ôtely koa teo amin’ny tanànan’i Jodà rehetra,
eny amin’ny manodidina.
Ary nandoro emboka teo am-baravaran’ny trano
sy teny amin’ny kianja izy ireo.
Raha mahita Bokin’ny Lalàna eny ho eny izy,
rovitiny aloha, dia dorany.
Izay nahitana Bokin’ny Fanekena,
ary izay niseho ho mbola miraikitra amin’ny lalàna,
na zovy na zovy,
dia novonoina ho faty, noho ny didin’ny mpanjaka.

Maro anefa ny Israelita no nanohitra tamin-kerimpo
sy nanao fikasana mafy tsy hihinana na inona na inona amin’izay maloto.
Naleony maty toy izay handoto tena amin’ny hanina,
sy hametaveta ny Fanekena masina;
ka dia maty izy ireny.
Hatezerana mafy loatra no niantonta tamin’i Israely fahizany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 53 sy 61. 134 sy 150. 155 sy 158

Velomy aho, Tompo, hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao.

Entanin’ny hatezerana aho noho ireo ratsy fanahy,
izay mandao ny lalànao.
Voan’ny fandriky ny ratsy fanahy aho;
nefa tsy manadino ny lalànao.

Avoty amin’ny fampahorian’ny olombelona aho,
mba hitandremako ny lahatrao.
Ireo mpanenjika ahy manatona heloka,
fa manalavitra ny lalànao kosa.

Lavitra ny olon-dratsy ny famonjena;
satria izy tsy mitady ny fitsipikao.
Nahita mpivadika aho: ka narikoriko;
ny didinao tsy mba tandremany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 35-43)

Inona no tianao hataoko aminao? Mba hahiratra aho, Tompo.

Tamin’izany andro izany,
nony mby tao akaikin’i Jerikao i Jesoa,
dia nisy jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
Ary nony nandre ny vahoaka nandalo izy,
dia nanontany hoe:

“Inona izany?”

Ka nilazana fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo.
Dia niantso izy nanao hoe:

“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô,
mamindrà fo amiko.”

Noraran’izay teo aloha izy mba hangina,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe:

“Ry Zanak’i Davida ô,
mamindra fo amiko e!”

Dia nijanona i Jesoa,
ka nasainy hoentina mankeo aminy izy.
Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe:

“Inona no tianao hataoko aminao?”

Ary hoy izy:

“Mba hahiratra aho, Tompoko.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Mahiràta, ny finoanao no nahavonjy anao.”

Niaraka tamin’izay,
dia nahiratra izy ka nanaraka Azy sy nankalaza an’Andriamanitra.
Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Ohabolana (Ohab. 31, 10-13. 19-20. 30-31)

Aoka ny vokatra avy amin’ny tanany homena azy.

Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo?
mihoatra lavitra noho ny an’ny voahangy ny tombany.
Matoky azy ny fon’ny lahy,
ary tsy mba handao azy ny tombony miditra.
Soa no ataony aminy, fa tsy mba ratsy,
amin’ny andro rehetra iainany.
Mamory ny volon’ondry aman-drongony izy,
dia miasa an-kafaliana, amin’ny tanany.
Mandray ny fihazonam-bohavoha ny tanany,
ary mihazona ny ampela ny rantsan-tanany.
Manatsò-tanana amin’ny ory izy;
ary mamela-tanana amin’ny mahantra.
Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy,
fa ny vehivavy matahotra ny Tompo ihany no hoderaina.
Aoka ny vokatra avy amin’ny tanany homena azy;
ary aoka hitory fiderana eo am-bavahady ny asany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 127, 1-2. 3. 4-5

Mba sambatra izay matahotra ny Tompo sambatra izay matoky, mino Azy.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
izay mizotra fehizay amin’ny lalany.
Eny, ahazoanao tombontsoa ny asanao:
hasambarana moa ny anao!

Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
ao anivon-tranonao;
ny zanakao: solofon’ôliva
manodidina ny latabatrao.

Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Avy ao Siôna anie ny Tompo
hitahy anao hatrany:
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra iainanao.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 5, 1-6)

Aoka ny andron’ny Tompo tsy hahatratra anareo tahaka ny mpangalatra.

Ry kristianina havana,
ny amin’ny andro sy ny fotoana hiavian’ny Tompo,
dia tsy ilaina akory ny hanoratanay izany aminareo,
satria efa mahalala marina rahateo ianareo
fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.
Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe:

“Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany!”

iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo,
tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohòka,
ka tsy ho afa-mandositra izy.
Ianareo anefa, ry kristianina havana,
dia tsy mba ao amin’ny maizina,
ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany;
fa zanaky ny mazava avokoa ianareo,
ary zanaky ny andro koa;
tsy misy an’ny alina isika, na an’ny maizina akory.
Koa aza mba matory tahaka ny sasany isika,
fa aoka hiari-tory sy hifady hanina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona ianareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 14-30)

Noho ianao nahatoky tamin’ny kely dia miaraha mifaly amin’ny tomponao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Nisy lehilahy anankiray handeha hivahiny
ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.
Ny anankiray nomeny talenta dimy.
Ny anankiray roa,
ary ny anankiray iray,
samy araka ny fahaizany avy;
dia lasa nandeha izy.
Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany,
ka nahazo tombom-barotra dimy koa.
Toraka izany,
ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa;
fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa,
nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony.
Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo,
ka nampamoaka azy ny amin’ny volany.
Dia nanatona ilay nandray talenta dimy,
nitondra talenta dimy hafa koa, ka nanao hoe:

‘Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko,
ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho’.

Dia hoy ny tompony taminy:

‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely
dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao’.

Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa,
dia nanao hoe:

‘Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko,
ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho’.

Dia hoy ny tompony taminy:

‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely,
dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao’.

Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray
ka nanao hoe:

‘Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao,
fa mijinja amin’izay tsy namafazanao,
ary manangona amin’izay tsy nanahàfanao,
ka natahotra aho,
dia lasa naleviko tany anatin’ny tany ny talentanao:
ka indro averiko aminao ny anao’.

Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe:

‘Ry mpanompo ratsy sady kamo,
fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho,
ary manangona amin’izay tsy nanahàfako;
koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako,
ary rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany.
Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo an’ilay manana talenta folo;
fa izay manana no homena, ka hanam-be izy,
fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza.
Ary ilay mpanompo tsy vonon-ko inona
dia ario any amin’ny maizina any:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify!’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...