Vakiteny voalohany

Fanombohan’ny Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 1, 1-6. 8-20)

Tsy nahita tahaka an-dry Daniely sy Ananiasa, ary Misaely sy Azariasa izy ireo.

Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà,
dia tonga i Nabokôdônôzôra mpanjakan’i Babilôna
hamely an’i Jerosalema, ka nanao fahirano azy.
Natolotry ny Tompo, ho an-tanany i Jôakima, mpanjakan’i Jodà,
mbamin’ny fanaka sasany tao an-tranon’Andriamanitra,
ka nentiny ireny, ho any amin’ny tany Sennaara,
ao amin’ny tranon’ny andriamaniny,
sady napetrany tao amin’ny firaketan’andriamaniny ny fanaka.

Nanome teny an’i Asfeneza, lehiben’ny eonokany ny mpanjaka,
hitondra ny sasantsasany amin’ny zanak’i Israely
izay isan’ny taranak’andriana, na izay avo razana,
ny zatovo tsy misy kilema, tsara tarehy, manana talenta isan-karazany,
nandia fianarana sy manan-tsaina, ary matanjaka tsara,
hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka,
sady hampianarina taratasy aman-teny Kaldeanina.
Natokan’ny mpanjaka izay anjara ho azy ireo isan’andro,
amin’ny hanin’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony,
mba hitoerany eo anatrehan’ny mpanjaka,
rahefa nobiazina telo taona izy ireo.
Anisan’ireo i Daniely, i Ananiasa, i Misaely ary i Azariasa,
avy amin’ny taranak’i Jodà.

Tapa-kevitra tao am-pony i Daniely
fa tsy handoto tena amin’ny hanim-pihinan’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony;
ka nangataka tamin’ny lehiben’ny eonoka izy
mba tsy hanery azy handoto tena.
Ary nataon’Andriamanitra nahita fitia tamin’ny lehiben’ny eonoka i Daniely.
Hoy ny lehiben’ny eonoka tamin’i Daniely:

“Matahotra ny mpanjaka tompoko aho,
fa ny tenany no niandraikitra izay hohaninareo sy hosotroinareo;
ka ahoana moa raha hahita ny tarehinareo mahia
noho ny an’ireo zatovo mitovy taona aminareo?
Hanao izay hanapahan’ny mpanjaka ny lohako ianareo izany.”

Dia hoy i Daniely tamin’ny mpikarakara sakafo
notendren’ny lehiben’ny eonoka hikarakara an’i Daniely, i Ananiasa, i Misaely sy i Azariasa:

“Masìna ianao,
manaova fanandramana hafoloana, aminay mpanomponao,
hanin-kotrana hohanina sy rano hosotroina omena anay.
Ka rahefa afaka izany,
samy hojerenao ny tarehinay sy ny an’ireo zatovo mihinana amin’ny hanin’ny mpanjaka,
dia araka izay ho hitanao no hataonao aminay mpanomponao.”

Nekeny ny hatak’izy ireo,
ka nizaha toetra azy izy hafoloana.
Nony tapitra ny hafoloana,
dia hita fa tsara tarehy sady matavy izy noho ireo zatovo rehetra
nihinana tamin’ny hanin’ny mpanjaka.
Ka dia tsy nentin’ilay mpikarakara sakafo
ny hanina aman-divay tsy maintsy sotroiny,
fa hanin-kotrana no nomeny azy.

Ireo zatovo ireo, dia izy efa-dahy,
samy nomen’Andriamanitra fahalalana amam-pahaizana
momba ny taratasy amam-pahendrena rehetra;
ary i Daniely nahafantatra ny nofy amam-pahitana rehetra.
Nony tonga ny fotoana voatendrin’ny mpanjaka hampidirana azy rehetra,
dia nentin’ny lehiben’ny eonoka ho eo anatrehan’i Nabokôdônôzôra izy ireo.
Niresaka tamin’izy rehetra ny mpanjaka,
ary izy rehetra dia tsy nisy tahaka an’i Daniely, i Ananiasa, i Misaely ary i Azariasa,
ka dia noraisina hanao ny fanompoana ny mpanjaka izy ireo.
Tamin’ny zavatra rehetra ilam-pahalalana nanontanian’ny mpanjaka azy ireo,
dia hitany fa nanan-tombo impolo heny
noho ny an’ny mpahay taratasy ama-mpisikidy rehetra,
teo amin’ny fanjakany manontolo,
ny fahambonian’izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56

Mendrika hoderaina sy homem-boninahitra mandrakizay Ianao.

Isaorana indrindra Ianao,
ry Tompo Andriamanitry ny Razana:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!

Isaorana ny Anaranao,
fa masina, be voninahitra:
ka mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!

Isaorana indrindra Ianao,
an-tempoly be voninahitra:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!

Isaorana indrindra Ianao.
Mahatsinjo ny halalin’ny hantsana:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!

Isaorana indrindra Ianao.
Mipetraka ambony Kerobima:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay.

Evanjely

Aleioia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 1-4)

Nahita mpitondratena mahantra nanatitra farantsa kely varahina roa tao Izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanopy ny masony ka nahita ny mpanan-karena
nanatitra vola tao amin’ny fandatsahan-drakitra.
Dia nahita mpitondra tena anankiray
nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa Izy,
ka nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io
no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra;
satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany
ho an’Andriamanitra,
fa io kosa,
dia tamin’ny fahantrany indrindra izy
no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 34, 11-12. 15-17)

Ny aminareo, ry ondriko, indro Aho hitsara, hanavaka ny ondry amin’ny ondry hafa.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro Izaho dia Izaho ihany no hiahy ny ondriko sy handinika azy.
Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny,
amin’ny andro hitsanganany eo amin’ireo ondriny mihahaka,
no handinidinihako ny ondriko;
ary hoesoriko izy ireo,
hiala any amin’ny tany rehetra efa nielezany tamin’ny andro mandrahona sy manjombona.
Izaho no hiandry ny ondriko,
Izaho no hampandry azy;
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra.
Ny very hotadiaviko;
ny nania, haveriko;
ny naratra, hotsaboiko;
ary ny marary, hohatanjahiko;
fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako;
handrasako ara-drariny izy ireo.
Ary ny aminareo, ry ondriko,
izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro Aho hitsara,
hanavaka ny reniondry sy ny reniondry;
hanavaka ny ondralahy sy ny osilahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-2a. 2b-3. 5-6

Sambatra anie aho, ka sambatra manana an’i Iaveh ho Mpiaro.

Ny Tompo miandry ahy:
tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso.

Entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany,
tarihiny amin’ny lala-marina.

Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko:
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.

Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 20-26a. 28)

Atolony an’Andriamanitra Ray ny Fanjakana, mba ho ao amin’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra.

Ry kristianina havana,
efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy
ary Izy no santatr’izay efa nody mandry;
satria olona iray no niavian’ny fahafatesana,
ka dia Olona iray koa no iavian’ny fitsanganan-ko velona;
ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama
no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy,
fa manaraka ny laharany avy:
i Kristy no santatra,
dia izay an’i Kristy amin’ny andro hiaviany.
Rehefa afaka izany, tonga ny farany,
dia rahatrizay hatolony amin’Andriamanitra sy amin’ny Ray ny Fanjakana,
rehefa levony avokoa ny fifehezana sy ny fahefana ary ny hery rehetra.
Satria tsy maintsy manjaka Izy
ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin’ny tongony.
Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
Koa rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra,
na Izy Zanaka aza dia hanaiky izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra,
mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 31-46)

Hipetraka eo ambony seza fiandrianan’ny voninahiny Izy, ary hanavaka azy ireo.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’Olona
otronin’ny Anjely rehetra,
dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;
ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra,
ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy:
ny ondry moa hataony eo ankavanany;
ary ny osy kosa eo ankaviany.
Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo ankavanany hoe:

‘Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko,
handova ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo
hatrizay nahariana izao tontolo izao.
Fa noana Aho, nomenareo hanina;
nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina;
nivahiny Aho, nampiantranoinareo;
tsy nitafy Aho, notafianareo,
narary Aho, novangianareo;
tany an-tranomaizina Aho, notsidihinareo’.

Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe:

‘Tompo,
oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina,
nangetaheta ka nomenay hosotroina?
Oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay,
na tsy nitafy ka notafianay?
Oviana no hitanay narary Ianao
na tany an-tranomaizina ka novangianay?’

Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe:

‘Lazaiko marina aminareo
fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray
amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo,
dia nanao izany tamiko’.

Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray Izy ka hanao hoe:

‘Mialà amiko ianareo, ry voaozona,
mba ho any amin’ny afo mandrakizay,
izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.
Fa noana Aho, tsy nomenareo hanina;
nangetaheta Aho, tsy nomenareo hosotroina;
nivahiny Aho, tsy nampiantranoinareo;
tsy nitafy Aho, tsy notafianareo;
narary Aho, sy tany an-tranomaizina tsy novangianareo’.

Dia hamaly Azy koa ireo hanao hoe:

‘Tompo,
oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta,
na nivahiny, na tsy nitafy, na narary,
na tany an-tranomaizina, ka tsy namonjy Anao izahay?’

Fa hovaliany hoe:

‘Lazaiko marina aminareo
fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray
amin’ireto kely indrindra ireto ianareo,
dia tsy nanao izany tamiko koa’.

Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo,
fa ny marina kosa,
ho any amin’ny fiainana mandrakizay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Makabeo (1 Makab. 6, 1-13)

Noho ny ratsy nataoko tany Jerosalema, dia ho faty amin’alahelo lehibe aho.

Tamin’izany andro izany,
i Antiôkosa mpanjaka, nitety ireo faritany avo.
Nony reny fa any Persa, any amin’i Elimaida,
misy tanàna anankiray malaza amin-karena,
be volafotsy sy volamena,
manan-tempoly be zava-tsarobidy,
misy fiadiana volamena, fiarovan-tratra,
fiadiana navelan’i Aleksandra, zanak’i Filipo,
mpanjakan’i Masedoàna,
ilay nanjaka voalohany tamin’ny Greka,
dia nankany izy, ka nitady haka sy hamabo ny tanàna,
kanjo tsy nahomby izy,
fa fantatr’ireo tompon-tanàna ny fikasany.
Nitsangan-kiady aminy ireo,
dia vaky nandositra izy, sy nihataka tamin’alahelo lehibe,
hiverina ho any Babilôna.

Tamin’izay nisy iraka tonga tany Persa
nilaza taminy ny faharesen’ireo miaramila niditra tamin’ny tanin’i Jodà, fa hoe:
Nony nandroso nitondra tafika lehibe dia lehibe i Lisiasa,
dia voatery handositra teo anoloan’ny Jody,
ka ireo kosa nampitombo ny heriny tamin’ny fiadiana
mbamin’ny miaramila sy ny babo azony tamin’ny tafika resy;
noravany ny fahavetavetana natsangany teo ambonin’ny ôtely, tany Jerosalema,
nohodidininy manda avo toy ny taloha indray ny tempoly;
toy izany koa no nataony tany Betsora,
anankiray amin’ny tanànany.

Raha nandre izany vaovao izany ny mpanjaka,
dia azon-tahotra mafy sy notsindrian-tebiteby lozan-tany,
ka nidaboka teo amin’ny fandriany, sy nandraikinararin’alahelo,
fa tsy tanteraka ny faniriany.
Andro maro izy teo ihany,
ary nihonaka lava tamin’ny fahorian-tsainy lalina.
Nony nataony fa efa antomotra ny hahafatesany,
dia niantso ireo sakaizany izy, sy nilaza taminy hoe:

“Ny torimaso nandao ny masoko,
ary ny alahelo mandreraka ny foko, ka hoy aho anakampo:
Alahelo lehibe manao ahoana itý mahazo ahy,
ary hantsan-dalina manao ahoana itý nilatsahako izao?
Ilay izaho tsara fo sy tiana teo amin’ny fanjakako teo iny!
Tsaroako anefa izao ny ratsy nataoko tany Jerosalema
fa nentiko avokoa ny fanaka volamena sy volafotsy hita tao,
ary nandefa tafika aho handringana, tsy misy antony,
ny mponina rehetra tany Jodà.
Koa fantatro fa noho izany no niharan’izao loza izao amiko,
ary indro aho ho faty amin’alahelo lehibe,
atý an-tanin’olon-kafa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 9, 2-3. 4 sy 6. 16b sy 19

Hifaly amin’ny famonjenao aho, Tompo!

Midera ny Tompo amin’ny foko tontolo aho,
mitanisa ny asanao mahagaga rehetra,
mifaly sy miravo ao aminao,
miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.

Rafitra mianòtra ny fahavaloko,
mivena sy ringana anoloanao.
Faizinao ireo firenena; aringanao ny olon-dratsy;
ny anarany kosehinao ho faty mandrakizay!

Ireo firenena, lavo an-kady nohadìna;
ny tongony, voasingotry ny harato nafenina!
Ny mahantra kosa tsy ho hadino lalandava;
ny fanantenan’ny ory tsy ho diso mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 20, 27-40)

Tsy mba Andriamanitry ny maty Izy fa an’ny velona.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny sasany tamin’ny Sadoseanina,
izay mandà ny fitsanganan’ny maty,
ka nanontany Azy nanao hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe:
Raha misy lehilahy manambady ka maty momba,
dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny,
mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
Koa nisy olona fito mirahalahy,
ary nanambady ny zokiny, ka maty momba.
Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa.
Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo,
ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy,
fa maty momba daholo.
Farany, dia maty koa ravehivavy.
Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty?
fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina;
fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy
sy ny fitsanganan-ko velona kosa,
dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina,
ary tsy mety maty intsony izy,
fa tahaka ny anjely sady zanak’Andriamanitra,
satria zanaky ny fitsanganan-ko velona.
Ary raha ny hoe hitsangana ny maty,
dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany,
fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe:

‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.’

Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo,
satria tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.”

Dia namaly ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna ka nanao taminy hoe:

“Ry Mpampianatra ô, marina ny filazanao.”

Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika noho ny tsy fahaizana manaja ny safidin'ny hafa. Ny fanajana safidy dia mitondra filaminana sy fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...