Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 6, 19-23)

Ankehitriny afaka tamin’ny fahotana ianareo ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
miteny araka ny fanaon’ny olona aho,
noho ny fahalemen’ny nofonareo:
tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana
sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana,
no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny
hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
Fa nony mpanompon’ny ota ianareo,
dia olon-ko azy tamin’ny fahamarinana.
Inona àry no vokatra azonareo tamin’izay?
Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny,
fa fahafatesana no iafarany.
Ary ankehitriny kosa,
rahefa afaka tamin’ny fahotana ianareo,
ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra,
dia ny fahamasinana no vokatra azonareo
ary ny fiainana mandrakizay no hiafaranareo.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota,
ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa
no fanomezan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6

Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny.

Endrey ny hasambaran’ny olona
tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota
na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso
fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina.

Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony
mahomby avokoa.

Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina fantatry ny Tompo,
ny lalan’ny mpanota kosa mamery.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 49-53)

Tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa fampisarahana aza.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tonga hanipy afo etý ambonin’ny tany Aho,
ka akory itý faniriako mba hirehetan’izany sahady!
Ary manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho,
ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanterak’izany!
Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana etý an-tany Aho?
Tsia, hoy Izaho aminareo,
fa fampisarahana aza.
Satria hatramin’izao raha olona dimy an-trano iray,
dia hanao an-daniny,
ka hifanohitra ny telo amin’ny roa,
ary ny roa amin’ny telo;
ny ray amin’ny zanany lahy,
ary ny zanakalahy amin’ny rainy;
ny reny amin’ny zanany vavy,
ary ny zanakavavy amin’ny reniny;
ny rafozam-bavy amin’ny vinantony vavy,
ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Amin'ny fiainana dia atao fomba fanao ny manao jery todika ny zavatra nisy sy nolalovana mba entina hanatsarana ny ho avy. Tsara ny hametrahana ny fanontaniana amin'ny tena : aiza ho aiza ny fiainanao eo anatrehan'ny safidy noraisinao?. Ny fanaovana an'io safidy io araka ny tokony ho izy dia hahatsara ny fiainanao. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 6, 12-18)

Atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray.

Ry kristianina havana,
aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty
amin’ny fanarahana ny filan-dratsiny
ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana
hataony fiasana fanaovan-dratsy
fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo,
izay maty no velona indray,
sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana,
satria ianareo tsy ambanin’ny Lalàna,
fa ambanin’ny fahasoavana.
Ahoana àry: hanota va isika,
satria tsy ao ambanin’ny Lalàna,
fa ao ambanin’ny fahasoavana?
Sanatria izany!
Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena
ho mpanompo mba hanaiky azy,
dia mpanompon’izay ekenareo ianareo,
na ny fahotana ho amin’ny fahafatesana izany,
na ny fanekena ho amin’ny fahamarinana?
Ary isaorana Andriamanitra,
fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo,
dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo;
ary rahefa afaka tamin’ny fahotana ianareo,
dia tonga mpanompon’ny fahamarinana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 123, 1-3. 4-6. 7-8

Ny fitahiana antsika dia ny Anaran’ny Tompo.

Raha tsy ny Tompo no nomba antsika, lazao re, ry Israely!
raha tsy ny Tompo no nomba antsika, tamin’ilay niantsampazan’ireny,
dia ho nateliny velona isika,
fa nirehitra loatra ny havinirany.

Ho nadifotry ny rano isika;
ho nosaforan’ny riaka ny fanahintsika!
Eny, ny fanahintsika ho nosaforan’ny rano misamboaravoara!
Isaorana ny Tompo tsy nahafoy horotehin’ny vangin’ireny!

Toy ny fody afa-pandrika harato isika:
rovitra ny harato ka afaka isika!
Ny Fitahiana antsika dia ny Anaran’ny Tompo,
Ilay nanao ny Lanitra sy ny tany!

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 39-48)

Izay nomena be no hitakiana be.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:

“Fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano
ny ora hiavian’ny mpangalatra,
dia hiambina izy,
fa tsy hamela ny tranony hotamìna.
Koa mivonòna koa ianareo,
fa ho avy amin’izay ora tsy hampoizinareo ny Zanak’Olona.”

Dia hoy i Piera taminy:

“Tompoko,
ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany,
sa ho an’ny olona rehetra koa?”

Ary hoy ny Tompo:

“Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry
izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony
mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana?
Sambatra izany mpanompo izany raha tratry ny tompony
manao tahaka izany raha avy izy.
Lazaiko marina aminareo fa hotendreny
ho mpitandrina ny fananany rehetra izy.
Fa raha izany mpanompo izany kosa,
manao anakampo hoe:

‘Ela vao ho avy ny tompoko’,

ka amin’izany dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy,
sady mihinana sy misotro ka mamo,
dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny
sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany,
ka hataony rotiky ny kapoka izy,
ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy.
Izay mpanompo nahalala ny sitrapon’ny tompony ihany
nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitrapony,
no hokapohina imbetsaka;
fa izay tsy nahalala kosa,
na nanao zavatra mendri-pamaizana aza,
dia hokapohina kelikely ihany.
Izay nomena be no hitakiana be,
ary izay nanankinana be no hadinina be koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 12. 15b. 17-19. 20b-21)

Raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olon-drehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray no ahaveloman’ny rehetra.

Ry kristianina havana,
tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray,
no nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana
ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana,
satria nanota avokoa izy rehetra.
Fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra,
mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray,
dia i Jesoa Kristy,
no nandraisan’ny olona rehetra an-kabetsahana
ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.
Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza
nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io,
mainka fa ny nataon’ny anankiray,
dia i Jesoa Kristy,
no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana
amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana.
Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra
noho ny fahadisoana iray
no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana
ho an’ny olona rehetra kosa
noho ny fahamarinana iray.
Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota
noho ny tsy nanekan’ny olona iray
no nahatongavan’ny maro ho marina kosa
noho ny naneken’ny olona iray.
Nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra
no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra
mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty
no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana
hahavelona mandrakizay kosa,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17

Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitra no mamiko.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao mantsy ny sofiko.
Tsia, tsy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana:
ka hoy aho hoe: Intý aho tamy!

Ny manao ny sitrakao,
ry Andriamanitro no mamiko!
Eny, ato anatin’ny foko
ny lalànao!

Torìko ao am-Piangonam-be
ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo
tsy akomboko ny molotro.

Fa hifaly sy hiravo aminao kosa
izay rehetra mitady Anao;
ary izay tia ny vonjinao hivolan-dava hoe:
Lehibe ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 35-38)

Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina raha tonga izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka ho voaetra ny andilanareo,
ary ho voarehitra ny jironareo.
Manaova toy ny olona miandry ny fotoana hiverenan’ny tompony
avy any amin’ny fampakaram-bady,
mba hamoha azy miaraka amin’izay
raha vantany vao tonga sy mandondòna izy.
Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina
raha tonga izy;
lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony
ka hampipetraka azy hihinana,
ary ho avy hampihinana azy.
Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy,
na tonga amin’ny fiambenana fahatelo
ka mahatratra azy manao toy izany,
dia sambatra ireo mpanompo ireo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...