Alahady fahaenina tsotra mandavan-taona : Sitrana ny boka ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana hoy ny Tompo, tsy misy olona makany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. Evanjely masina nosoratan'i Md Marka 1, 40-.45 : Ary nisy boka anankiray nanatona azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: Raha mety hianao dia mahay manadio ahy. Nangoraka azy Jesoa ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: Mety aho, madiova hianao... Ny vakin-teny anio dia miresaka ny lalàna sy ny momba ny boka izay tsy maintsy miseho amin'ny mpisorona manamarina fahasitranany...  Maro ireo haboka ara-panahy mahazo ny olombelona ka izay no ezahina tsaboina ao amin'ny Tompo.

♦ Kasain'ny Fitsaràna Malagasy ho gadraina mandritra ny 150 taona ve i Mbola Rajaonah, hoy ny fanontaniana napetraky ny Mpisolovava azy ny Maître Eric Mihaja Rafidison... ♦ Nahitana olona roa velona soamantsara sy razana miisa fito hafa ilay lakana dobo an-dranomasina tao Nosivarika saika hiazo an'i Mananjary... ♦ Manentana ny olona ho mailo amin'ny mety firodanan'ny trano, fihotsahan'ny tany, aorian'ny fisian'ny rotsak'orana tahaka izao, ny tale jeneralin'ny Birao nasiônaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza na ny BNGRC... 

♦ Miantso ny hanafainganana ny famoahana ny didim-panjakàna fampiharana ireo lalàna vao nolaniana ny filohan'ny antenimieran-doholona, raha nanasongadina ny olana iainan'ny vahoaka amin'ny ankapobeny ny filohan'ny antenimieram-pirenena amin'ny fotoam-pamaranana ny fivoriana tsy ara-potoanan'izy ireo omaly... ♦ Nitokana foto-drafitr'asa maro tany amin'ny Faritra Alaotra Mangoro ny filoha Rajoelina Andry... ♦ Hiroso amin'ny fanavaozana ny votoatin'ny fandaharam-pampianarana ho an'ireo sekoly fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i Robert Banditer...

♦ Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana, midangana ny vidim-piainana. Isan'ny noresahan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa izany androany, raha namarana ny fivoriana tsy ara-potoan'ny Antenimieram-pirenena izy. Tsy hanelingelina ny Governemanta kosa ny Antenimieran-doholona, hoy ny Jeneraly Ravalomanana Richard... ♦ Hatao faritra manokana, hisitaka amin'Alaotra ny ao Mangoro, misy ny Distrikan'i Moramanga sy Anosibe an'Ala. Fantatra izany androany, nandritra ny lahatenin'ny Filoham-pirenena, nitokana zava-bita maro tao amin'ny Distrikan'i Moramanga...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...