Bokin’i Nehemia (Nehem. 2, 1-8)
Tamin’ny volana Nisàna,
taona faharoapolo nanjakan’i Artakserksesa mpanjaka,
raha ilay efa mby teo anoloany iny ny divay,
dia noraisiko izaho Nehemia ny divay ka natolotro ny mpanjaka,
ary nitandrina aho mba tsy halahelo teo anatrehany.
Ka hoy ny mpanjaka tamiko:
“Nahoana itý ianao no malahelo tarehy,
kanefa tsy marary tsinona?
Tsy inona izao, fa alahelon’ny fo mihitsy!”
Nivadi-po terý aho, ka namaly ny mpanjaka hoe:
“Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka!
Hataoko ahoana no tsy falahelo tarehy,
kanefa ny tanàna nisy ny fasan-drazako rava
ary ny vavahadiny levon’ny afo?”
Dia hoy ny mpanjaka tamiko:
“Inona no tianao hangatahina amiko?”
Nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra aho,
dia namaly ny mpanjaka hoe:
“Raha sitraky ny mpanjaka
ka mba nahita fitia eo imasony koa itý mpanompony
dia alefaso aho ho any Jodà,
any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako
mba hanamboarako azy indray.”
Nipetraka teo anilany koa ny mpanjakavavy tamin’izay,
ary hoy ny mpanjaka tamiko:
“Haharitra ohatrinona ny dianao,
ary rahoviana no hiverina ianao?”
Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy,
ka nilaza fetr’andro taminy aho.
Ary hoy koa aho tamin’ny mpanjaka:
“Raha sitraky ny mpanjaka,
aoka homena taratasy aho,
ho an’ny governora any an-dafin’ny ony,
mba hamelany ahy handeha,
mandra-pahatongako any Jodà,
ary taratasy anankiray koa
ho an’i Asafa mpitandrina ny alan’ny mpanjaka,
mba hanomezany hazo ahy, hanaovana sakamandimby
hatao amin’ny varavaran’ny trano mimanda manoloana ny tempoly
sy hatao amin’ny mandan’ny tanàna,
mbamin’ny trano hihatahako.”
Dia nomen’ny mpanjaka ahy izany,
fa nomba ahy ny tanana manambin’Andriamanitro.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 136, 1-2. 3. 4-5. 6
Teo amoron’ny onin’i Babela,
nitorovoka izahay, nitomany mafy nahatsiahy an’i Siôna!
Ny lokanganay nahantonay
tamin’ny hazomalahelo izay teny.
Dia avy ny mpamabo
nangataka hira,
ny mpifaoka anay nangata-pifaliana:
“Ihirao hiran’i Siôna hoe izahay!”
Fa dia hataonay ahoana
no fihira ny hiran’ny Tompo atý an-tanin’olona?
Raha sanatria manadino anao aho, ry Jerosalema,
aoka ho maina ny tanako.
Aoka hipetaka amin’ny lanilaniko ny lelako,
raha tsy mahatsiahy anao aho,
raha tsy ianao, ry Jerosalema,
no hany antom-pifaliako!
Aleloia. Aleloia.
Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 57-62)
Tamin’izany andro izany,
raha mbola teny an-dalana ho any Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany,
dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe:
“Hanaraka Anao aho,
na aiza na aiza halehanao.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Ny amboadia manan-davaka,
ary ny voromanidina manana akany;
fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.”
Ary hoy Izy tamin’ny anankiray hafa:
“Manaraha ahy.”
Dia izao no navalin’io:
“Aoka aloha, Tompoko,
handevina ny raiko aho.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy,
fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra.”
Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe:
“Hanaraka Anao aho, Tompoko,
fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Rahefa mety ho mpitana angadin’omby miherika,
dia tsy sahaza ny Fanjakan’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mbola manana zom-pirenena malagasy ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, hoy ny Filohan'ny HCC teo aloha, Eric Rakotoarisoa... ♦ Tokony hosaziana ireo Andrim-panjakana tsy manara-dalàna, hoy ny fikambanana Fiverenana Andoharano... ♦ Niverina ny asan-dahalo, ny halatr'omby sy ny fakana an-keriny ary ny vaky fasana ato amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo...
Bokin’i Zakaria Mpaminany (Zak. 8, 20-23)
Izao no tenin’ny Tompo Nahary:
Ho hita mirohotra indray ireo firenena sy ny mponina
avy amin’ny tanàn-dehibe maro.
Dia hifanatona ny olona samihafa fiaviana, hifampilaza hoe:
“Andao re isika hifona amin’ny Tompo hitady azy Tompo Nahary.
Fa izaho koa handeha ho any!”
Eny, vahoaka maro sy firenena matanjaka no ho avy ao Jerosalema,
hitady ny Tompon’ny hery rehetra,
sy hifona eo anatrehany.
Ary izao no tenin’ny Tompo Nahary:
amin’izany andro izany,
dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena rehetra samihafa fiteny,
hihazona mafy ny sisin-damban’ny Jody anankiray, hilaza aminy hoe:
“Izahay te-hiara-dia aminareo;
satria efa renay fa miaraka aminareo Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 86, 1-3. 4-5. 6-7
Ry Siôna, ry Siôna ô, eny an-tendrombohitra masina
no naorin’ny Tompo ianao, Ilay Tompo tsy mahafoy anao.
Ny fonenan’i Jakôba: maromaro ihany izy ireny
fa ianao no andrian’ny fony, tiany mihoatra ny sisa rehetra.
I Rahaba sy Babela: mahafantatra ahy izy ireo,
ary i Tira sy i Filistia, ary i Etiôpia sy ny hafa.
Izao no ambara momba ireo: Izy, hono, teraka tao!
I Siôna tsy tahaka izany: Ny rehetra no teraka tao!
Ny Avo indrindra, ry Siôna, manamafy orina anao!
Hosoratany anatin’ny boky ny Vahoaka fa: teraka tao.
Ny andriana eran-tany, toy ny Zanakao tsisy hafa!
Izy ireo samy faly milaza: fa Ianao loharano niaviany.
Aleloia. Aleloia.
Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 51-56)
Nony efa antomotra ny andro
tsy maintsy hanalàna an’i Jesoa eto amin’izao tontolo izao,
dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy
ka nandefa iraka nialoha Azy.
Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray
tany amin’ny Samaritanina,
mba hanomana ny fandraisana Azy;
fa tsy nisy nandray Azy ny olona,
satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy.
Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe:
“Tompoko,
tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy
handevona azy?”
Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe:
“Tsy fantatrareo manko izay tokony ho fanahinareo.
Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy.”
Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Maro ny tanora tsy mahafantatra ny ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo atao hoe : IST kanefa mitombo be ireo fahazoana ny otrik'aretina mahatonga azy ankehitriny. Aleo misoroka toy izay mitsabo anefa satria maro be ny voka-dratsiny ara-pahasalamana sy ara-pitondrantena sy ara-panahy... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco