Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 19, 9a. 11-13a)
Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra i Elia,
dia niditra tao anaty zohy, ary nandry tao.
Ary indro tonga taminy ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Mivoaha ianao,
ka mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’ny Tompo,
fa indro handalo ny Tompo”.
Dia nisy rivotra be sady mahery,
nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy teo alohan’ny Tompo,
nefa tsy tao amin’ny rivotra ny Tompo.
Nanarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany,
nefa tsy tao amin’ny horohoron-tany ny Tompo.
Nanaraka ny horohoron-tany dia nisy afo koa,
nefa tsy tao amin’ny afo ny Tompo.
Ary nanarakaraka ny afo nisy fizozozozo malefaka sy malemy.
Ka raha nandre izany i Elia,
nosaronany ny kapotiny ny tarehiny ka dia nivoaka izy
ary nijanona teo am-bava zohy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14
Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa tsy fiadanana no lazainy.
Akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny;
efa honina eto amin’ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana,
ny fahamarinana mitrebona ety an-tany,
ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.
Ny Tompo amim-peo avo manome orana,
ny tanintsika manome ny vokany;
ny rariny mizotra eo anoloany,
ny fiadanana manjohy ny diany.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 9, 1-5)
Ry kristianina havana,
milaza ny marina ao amin’i Kristy aho,
ka tsy mandainga,
ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko,
fa malahelo mafy aho,
ory lalandava ny foko,
satria saiky niriko aza ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy ny tenako,
hamonjeko ny iray finoana amiko,
izay havako araka ny nofo,
dia ireo Israelita,
izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra,
sy ny fanekena, sy ny lalàna sy ny fombam-pivavahana,
ary ny fampanantenana;
azy koa ny Patriarika,
sady avy aminy araka ny nofo i Kristy,
izay ambonin’ny zavatra rehetra,
Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-33)
Tamin’izany andro izany,
rehefa avy namahana ny olona i Jesoa ka nahavoky azy,
dia nandidy ny mpianany hiakatra an-tsambo kely sy hita hialoha Azy
ambara-pandravany ny vahoaka;
ary rehefa nampirava ny vahoaka Izy,
dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana;
ka nony alina ny andro dia izy irery no teo.
Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina,
fa nanoha rivotra.
Ary tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina,
dia nandeha teny ambony rano i Jesoa,
ka nankeo amin’izy ireo.
Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo,
dia natahotra ka nanao hoe:
“Matoatoa io”,
sady niantsoantso izy noho ny tahony.
Niaraka tamin’izay dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe:
“Matokia, fa Izaho ihany,
ka aza matahotra!”
Namaly i Piera nanao hoe:
“Raha Ianao àry, Tompo,
asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho”.
Hoy Izy hoe:
“Avia”.
Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera,
ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.
Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra,
dia natahotra izy;
ary nony nanomboka nilentika izy,
dia niantso mafy hoe:
“Tompo ô, vonjeo aho!”
Niaraka tamin’izay dia naninji-tanana i Jesoa,
dia nandray azy ka nanao taminy hoe:
“Ry kely finoana,
nahoana no nisalasala ianao?”
Ary rehefa niakatra teo an-tsambo izy ireo,
dia nitsahatra ny rivotra.
Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely,
dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe:
“Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka ho an'ny ankizy, manentana azy ireo mba ho ankizy apôstôlin'ny ankizy marina tokoa, eo amin'ny lafim-piainana rehetra... ♦ Manolotra fisaorana sy fankasitrahana ho an'ireo rehetra nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny JNE-3, notontosaina teto Antananarivo, ny Vikera Jeneraly eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Hanatanteraka ny "pèlerinage" nasiônaly ny avy eo anivon'ny "Aumônerie militaire"...
Boky Deteronômy (Det. 6, 4-13)
Hoy i Môizy tamin’ny vahoakan’i Israely:
“Mihainoa, ry Israely:
Ny Tompo Andriamanitsika dia Izy ihany no Tompo.
Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra.
Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao.
Alatsaho ao an-tsain’ny zanakao izany;
ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao,
na mandry ianao, na hiarina.
Afehezo amin’ny tananao izany, mba ho famantarana ho anao,
ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonao.
Soraty eo amin’ny tolam-baravaranao izy, sy eo amin’ny vavahadinao.
Raha avy izay hahatafidiran’ny Tompo Andriamanitrao anao
any amin’ny tany nianianany tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba razanao, homena anao,
tanàna sady soa no lehibe, tsy naorinao;
trano feno zava-tsoa isan-karazany, tsy nofenoinao;
dobo famorian-drano, tsy nolavahanao,
voaloboka amam-pototr’ôliva, tsy nambolenao,
dia hihinana sy hivoky ianao;
ka tandremo fandrao manadino ny Tompo izay nampivoaka anao
avy tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Matahora ny Tompo Andriamanitrao, manompoa Azy,
ary aoka ny Anarany no hianiananao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 17, 2-3a. 3bd-4. 47 sy 51ab
Mamiko Ianao, ry Tompo izay heriko,
Tompo vatolampiko, toera-mafy ho ahy,
Andriamanitro mpanafaka
sy haram-bato fialofana.
Ampinga sy tandro-pamonjena,
fiarovana-avo ho ahy!
Dera ho an’ny Tompo, hoy aho,
fa voavonjy amin’ny fahavaloko aho!
Veloma anie ny Tompo!
Hisaorana ny vatolampiko.
Hasandratra ilay Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakanay;
anehoany hatsaram-po ny voahosony;
dia i Davida sy ny taranany hatrany amin’ny mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjinako ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 14-19)
Tamin’izany andro izany,
nisy lehilahy anankiray nanatona an’i Jesoa ka nandohalika teo anatrehany nanao hoe:
“Tompo, mamindrà fo amin’ny zanako lahy;
mararin’ny androbe izy ka mijaly mafy loatra,
fa matetika mianjera any anaty afo,
ary matetika koa any anaty rano.
Nentiko tamin’ny mpianatrao izy,
fa tsy nahasitrana azy izy ireo.”
Ary namaly i Jesoa nanao hoe:
“Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy,
mandra-pahoviana no hitoerako aminareo?
mandra-pahoviana no handeferako aminareo?
Ento aty amiko izy.”
Dia norahonan’i Jesoa ny demony ka nivoaka,
ary sitrana niaraka tamin’izay razazalahy.
Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe:
“Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?”
Hoy i Jesoa taminy:
“Noho ny tsy fahampian’ny finoanareo.
Fa lazaiko marina aminareo,
fa raha manam-pinoana hoatra ny voantsinapy anankiray aza ianareo,
ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe:
‘Mifindrà erý ianareo’,
dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo atao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Deteronômy (Det. 4, 32-40)
Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe:
“Anontanio ny andro fahagola tany alohanao,
hatramin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona teto ambonin’ny tany
sy hatramin’ny faravodilanitra na aiza na aiza,
raha mba nisy zava-dehibe tahaka izany na oviana na oviana,
na nisy re toy izany akory na oviana na oviana!
Vahoaka aiza no efa nandre ny feon’Andriamanitra
niteny tao anatin’ny afo toy ny efa renareo,
ka mbola velona ihany izy?
Oviana no mba nisy Andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy
tao afovoan’ny firenena iray hafa,
tamin’ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady,
tanana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe,
toraky ny nataon’ny Tompo Andriamanitrareo ho anareo,
teo imasonareo tany Ejipta?
Ianao no nanehoana izany, mba hahafantaranao,
fa ny Tompo no Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy.
Nampandre anao ny feony avy any an-danitra hampianatra anao Izy,
sy nampiseho anao ny afony lehibe teto an-tany;
ary nandre ny teniny tao anatin’ny afo ianao.
Noho ny fitiavany ny razanao,
dia nifidy fara aman-dimby ho azy ireo Izy,
ka nampivoaka anao avy tany Ejipta,
tamin’ny nitoerany tao aminao sy ny heriny lehibe,
handroahany firenena maro sady matanjaka noho ianao teo anoloanao,
mba hampidirany anao amin’ny taniny sy hanomezany izany ho lovanao,
araka izao ankehitriny izao.Koa fantaronao anio,
sy araiketo ao am-ponao fa ny Tompo no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony,
sy ety amin’ny tany ambany ary tsy misy hafa.
Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay andidiako anao anio,
mba ho sambatra ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao,
ary mba ho lava ny andronao, amin’ny taona mifandimby rehetra
any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 76, 12-13. 14-15. 16 sy 21
Tsaroako ny asa mahatalanjona
narafitry ny tanan’izy Tompoko.
Ireo asa vitanao, Andriamanitra ô,
dia tena mahagaga ny fisainako.
Ny lalanao no masina Andriamanitra
tsy misy toa Anao ireo andriamanitra.
Nahefa be Ianao ka mahatalanjona,
niaiky ny herinao tokoa ny olona.
Vahoakanao nahazo fanavotana:
i Jakôba sy i Jôsefa sy ny zanany.
Ka indro ny olonao tsy very lalana:
i Môizy sy i Aarôna no filohany.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo;
Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 24-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany,
sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.
Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy.
Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?
Fa ny Zanak’Olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy
miaraka amin’ny anjeliny,
ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.
Lazaiko aminareo marina tokoa,
fa ny sasany eto, dia tsy hanandrana fahafatesana,
raha tsy efa mahita ny Zanak’Olona avy amin’ny fanjakany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco