♦ Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, nanoloana ny biraon'ny Faritany teny Ambohidahy. Voasambotra ny Sekretera Jeneralin'ny antoko TIM, vokatry ny hetsika notarihan'ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena... ♦ Tsy misy atahorana ny ahiahy amin'ny fikomian'ny miaramila manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny Loholona Richard Ravalomanana... ♦ Nitarika disadisa teo amin'ny Fiangonana nisy azy ny fametrahan'ny Pasteur Rasolofotiana Miarintsoa ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho Filoham-pirenena...
Ny fototra iorenan'ny soa imbonana dia ny ankohonana. Fanirin'Andriamanitra tamin'ny naharian'ny ny olombelona : tian'Andriamanitra ny haha fianakaviana iray monja ny olombelona rehetra ary ny hifampitondran'izy ireo toy ny mpirahalahy sy mpianadahy. Ny atao hoe soa imbonana dia "fitambaran'ny fepetra ara-piaraha-monina afahana manatratra ny fahalavorariana tanteraka. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
2 ôktôbra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 46-50)
Ny Mpiaro voalohany ny nosy Madagasikara dia Maria Immaculée izay, ankalazaina isaky ny 8 desambra. Ny andron'ny 27 septambra dia fety Olomasina Vincent de Paul, Mpiaro faharoa ny nosy, izay mpiaro sy fankatahaka tamin'ny asa fiantrana, vao 19 taona izy dia efa pretra. Toetr'Andriamanitra ny toetra tia manome, izay niainan'ny Olomasina Vincent de Paul. Ny Papa François dia isan'ny miaina io fitiavana ny mahantra io, nisy tahirin-kevitra nosoratany mihitsy niresahany ny Eglizy sy ny fahantrana, mitondra ny loha-teny hoe "Evangelii gaudium" .
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco