♦ Hamafisina ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fanamarihana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara. Hahetsika avokoa ny mpitandro ny filaminana hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Amboarina ny lalana Betsioky ao amin'ny Faritra Anôsy. Fiaraha-miombon'antoky ny Fanjakàna Malagasy sy ny orin'asa QMM no afahana manatanteraka izany. Nijery ifotony ny asa fanamboarana ny governora... ♦ Tsy nahavita nianika ny faratampon'ilay tendrombohitra EVEREST any Nepal, avo indrindra eran-tany, ireo fianakaviana Malagasy nandray anjara tamin'izany... ♦ Mihamafy ny fanafihana ataon'ny rosianina any Ukraine...

Ny finoana dia mampisy ny tsy misy ary ny vavaky ny maro mampisy fanantenana ; ny fahaiza-mihaino dia tena fototra tsara mahatsara ny fiaraha-monina, manampy azy ny fifanakaikezana am-po. Misy fetra ny fizahozahoana sy ny tanjaka, ary mety hakasika ny taranaka ny voka-dratsiny. Valio soa ireo izay manao ratsy anao fa singa mahasoa ny fiaraha-monina, ny asa ary ny firenena ny ezaky ny tsirairay... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nanitsy ny resaka ahely momba ireo baobab ao amin'ny faritra arovana Ranobe PK faha-32 ny Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovanin-jafy. Tsy voakitika amin'ny fitrandrahana fasimainty ataon'ny Base-Toliara izany hoy ny Ministra... ♦ Nahangona 30.000.000 Ariary tamin'ny ezaka taon-jaobily 2025 ny vahoaka sahirana eo ambany fiahian'i Mompera Pedro Opeka. Hozaraina amin'ny Diôsezin'Antsiranana sy Taolagnaro izany vola voahangona izany... ♦Nolaniana teny amin'ny antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna mifehy ny fanalalahana ny famokarana sy ny fivarotana toaka gasy ...

22 mey — Teraka tao amin'ny tanana kely tao afovoan'i Italie i Rita tamin'ny taona 1381, efa zokiolona ireo ray aman-dreniny vao niteraka azy ary nobeaziny tao anatin'ny fitiavam-bavaka tany amin'ny fiainan-drelijiozy izy ka mbola kely dia efa nankafy ny fanginana sy ny fahaiza-manaiky.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...