Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 4, 12-16)
Ry malala,
aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao,
fa aoka ho fakan-tahaka ho an’ny mpino ianao,
amin’ny teny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana,
amin’ny finoana, ary amin’ny fahadiovana.
Mandra-piaviko,
milozoha amin’ny famakiam-boky sy fananarana ary fampianarana.
Aza atao tan-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao,
izay nomena anao tamin’ny faminaniana maro
mbamin’ny fametrahan-tanan’ireo Pretra tafangona.
Diniho izany zavatra izany,
ary araiketo amin’izany ny tenanao manontolo,
mba hiharihary amin’ny olona ny fandrosoanao.
Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao
ary mahareta tsara amin’izany,
fa raha manao izany ianao,
dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 110, 7-8. 9. 10
He marina sady mahitsy ny Tompo.
Ka ny lalany azo itokisana.
Marim-pototra tsy mba mikoro
ka maharitra mandrakizay.
Nandray famonjena ny olom-boafidy.
Fanekem-baovao no iorenany,
ka mijoro ho mandrakizay.
Eny masina ny Anarany.
Ny tahotra santatry ny fahendrena,
izay manoa ny Tompo ho velona.
Ka ho feno ny fahalalana.
Tsisy fetra ny lazan’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 36-50)
Tamin’izany andro izany,
nisy Farisianina nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy,
ka niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy,
dia nipetraka nihinana.
Ary indro nisy vehivavy ratsy fitondran-tena tao an-tanàna
nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina i Jesoa
ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra,
dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany
ka kotsan’ny ranomasony ny tongony,
fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany,
ary nohosorany diloilo manitra.
Nony nahita izany ilay Farisianina nanasa Azy,
dia nanao anakampo hoe:
“Raha mpaminany Izy
dia ho nahalala ny toetran’itý vehivavy mikasika Azy,
fa hoe mpanota io.”
Ary i Jesoa niteny taminy nanao hoe:
“Ry Simôna,
misy zavatra holazaiko aminao.”
Dia hoy izy:
“Lazao, ry Mpampianatra.”
Ary hoy i Jesoa:
“Nisy olona roa lahy nananan’ny mpampanjana-bola anankiray trosa,
ny iray nananany denie dimanjato, ary ny iray dimampolo.
Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa,
dia nafoiny ny trosa tamin’izy roa lahy.
Koa iza amin’ireo no ho tia azy kokoa?”
Dia hoy i Simôna namaly Azy:
“Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa.”
Ary hoy Izy taminy:
“Marina ny anao.”
Dia nitodika an-dravehivavy izy ka nanao hoe:
“Hitanao va io vehivavy io?
Niditra teto an-tranonao Aho,
fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra,
izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony
sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany.
Ianao tsy nanoroka Ahy,
izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako.
Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako,
izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro.
Noho izany dia lazaiko aminao
fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy;
fa izay amelana kely no kely fitiavana.”
Dia hoy Izy tamin-dravehivavy:
“Voavela ny helokao.”
Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe:
“Iza moa itý
no mamela na dia ny heloka aza?”
Fa hoy Izy tamin-dravehivavy:
“Ny finoanao no nahavonjy anao,
mandehana amim-piadanana.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 3, 14-16)
Ry malala, manoratra izany aminao aho,
na dia manantena hankatý aminao faingana aza,
satria amin’izay, raha tahiny tratra ela aho,
dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao
ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra,
dia ny Eglizin’Andriamanitra velona,
izay andry sy fiorenan’ny marina.
Ary tsy azo lavina,
fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana,
dia ilay naseho teo amin’ny nofo,
nohamarinina tao amin’ny Fanahy,
niseho tamin’ny anjely,
notorìna tamin’ny Jentily,
ninoana tamin’izao tontolo izao,
ary nakarina tamim-boninahitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 110, 1-2. 3-4. 5-6
Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo
am-pivorian’ny olo-marina sy am-Piangonam-be!
Lehibe ny asan’ny Tompo,
mampisaina izay rehetra tia Azy.
Voninahitra sy fiamboniana no vitan’ny Tompo
maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy.
Mangoraka sy antra ny Tompo.
Manome hanina ny matahotra Azy Izy,
fa mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay.
Naneho asa mahery tamin’ny vahoakany Izy,
fa nanome azy ny lovan’ireo firenena.
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Hohariko amin’iza re ny olona amin’itý taranaka itý,
ary tahaka an’iza izy?
Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe:‘Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo;
nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay,
lazainareo hoe:‘Azon’ny demony izy.’
Tonga indray ny Zanak’Olona mihinana sy misotro,
ataonareo hoe:‘Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io,
sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.’Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Napetraka tamin'ny fomban'ny Fiangonana omaly ho Eveka vaovaon'ny Diôsezin'Antsirabe, Mgr Jean Pascal Andriantsoavina. Misy ny akon'izany avy any Antsahasoa-Antsirabe... ♦ Notànana vonjimaika ary hiakatra fampanoavana anio eny amin'ny Fitsaràna i Foutsy Tsotsy, anisan'ireo "lanceur d'alerte" eo anivon'ny Tambajotran-tserasera. Efa nampanantsoina noho ny resaka fanehoan-kevitra tao amin'ny Facebook izy ny zoma teo... ♦ Mpiofana kabary miisa 56, eo anivon'ny fikambanan'ny mpikabary katôlika indray no navoaka tamin'ny fomba ôfisialy ny sabotsy teo. Andiany faha-18 ao amin'ny MPIKALO izy ireo, nampisalorana ny anarana andiany Masindahy Paoly...
Mety ho fanoitra ho an'ny fampandrosoana ny fahatongavan'ny mpila ravin'ahitra, fa tsy voatery ho vato misakana satria misy hatrany ny fifamenoan'ny talenta sy ny fahalalana. Ny rafitra ara-panjakana, any amin'ireo tany mandray mpila ravin'ahitra dia tokony hanara-maso tsara, mba tsy hahazo vahana ny fakam-panahy hanararaotana ny mpiasa vahiny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco