Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz. 9, 1-6)
Ny vahoaka nandeha tamin'ny haizim-pito,
nahita mazava lehibe;
ary ireo nonina tamin'ny tany aloky ny fahafatesana,
namirapiratan'ny mazava.
Nampitombo ny vahoakanao Ianao, ary nataonao lehibe ny hafaliana;
ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy,
toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.
Satria ny jioga nanavesatra azy,
ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,
ny tehin'ny mpitoraka azy,
dia samy notapahinao, toy ny tamin'ny andron'i Madiàna.
Ny kapan'ny mpiady rehetra tamin'ny fikatrohana
mbamin'ny kapaoty mihosin-dra rehetra,
dia atao anaty afo: ka levon'ny afo.
Fa misy zaza teraka ho antsika;
zazalahy nomena antsika;
ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony;
ary ny anarany atao hoe:
Mpanolo-tsaina mahagaga,
Andriamanitra mahery,
Ray mandrakizay,
Andrian'ny fiadanana,
mba hanitatra ny fanjakana,
sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana,
ho an'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany,
mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy,
amin'ny hitsiny sy ny rariny,
hatramin'izao ka ho mandrakizay.
Ny zotom-pon'ny Tompon'ny tafika no hanatanteraka izany.
— Izany àry ny tenin'ny Tompo.
Vakiteny hafa azo ifidianana:
Fanisana 6, 22-27 : Hiantso ny Anarako amin'ny zanak'i Israely izy, ary Izaho hitso-drano azy.
Izaia 32, 15-20 : Ny vokatry ny fahamarinana dia ny fandriam-pahalemana.
Izaia 57, 15-19 : Fiadanana ho an'ny lavitra, fiadanana ho an'ny akaiky.
Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14
Hihaino izay lazain'ny Tompo aho;
moa tsy fiadanana no lazainy
ho an'ny olony mpivavaka aminy,
ho an'izay manankim-po aminy?
Akaiky an'izay matahotra Azy ny famonjeny;
efa honina amin'ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana,
ny fahamarinana mitrebona an-tany,
ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.
Ny Tompo amim-peo avo manome orana,
ny tanintsika manome ny vokany,
ny rariny mizotra anoloany,
ny fiadanana manjohy ny diany.
Taratasin'i Masindahy Paoly ho an'ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 3-14)
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nitso-drano antsika tao amin'i Kristy,
amin'ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra
sy nifidy antsika tao aminy talohan'ny nahariana izao tontolo izao,
mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,
ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny Fony,
mba ho zanaka hatsangany amin'ny alalan'i Jesoa Kristy isika:
nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany,
dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin'Ilay malalany.
Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin'ny Rany,
sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben'ny fahasoavany,
izay nomen'Andriamanitra be dia be ho antsika
tamin'ny fahendrena amam-pahalalana rehetra,
fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin'ny safidim-pony,
izay nofidin'ny hatsaram-pony hotanterahiny, rehefa feno ny andro:
dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy,
na ny any an-danitra, na ny ety an-tany.
Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika,
rehefa voatendry rahateo isika,
araka ny fikasàn'Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny Fony,
mba ho fankalazana ny voninahiny isika,
dia isika nanantena an'i Kristy rahateo.
Tao aminy ianareo no nino,
rehefa nahare ny tenin'ny fahamarinana,
ny Evanjelin'ny famonjena anareo,
ka nasiana ny tombo-kasen'ny Fanahy Masina,
Izay nampanantenaina sy santatry ny lovantsika,
mandram-pahatanteraky ny fanavotana
an'izay rehetra nofidin'Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny.
— Izany àry ny tenin'ny Tompo.
Vakiteny hafa azo ifidianana
Filipianina 4, 6-9 : Hiaro ny fonareo sy ny sainareo anie ny fiadanan'Andriamanitra.
Kôlôsianina 3, 12-17 : Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan'i Kristy.
Jakôba 3, 13-18 : Izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin'ny fivavahana.
Aleloia. Aleloia.
Ny fonenako ho eo ambonin'izy ireo, hoy ny Tompo.
Izaho ho Andriamanitr'izy ireo, ary izy ireo ho vahoakako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio (Mt. 6, 31-34)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Aza manahy ianareo manao hoe:
‘Inona no hohaninay,
na inona no hosotroinay,
na inona no hotafinay?’
Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany;
ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany,
dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo,
fa ny ampitso hanahy ny azy,
ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely hafa azo ifidianana
Joany 14, 23-29 : Fiadanana no avelako ho anareo.
Matio 5, 13-20 : Aoka ho lehibe noho ny an'ny Farisianina ny fahamarinanareo.
Matio 20, 20-28 : Izay lehibe aminareo no aoka ho mpanomponareo.
Joany 8, 12. 30-36 : Izaho no fahazavana... ary ny fahamarinana no haha-olona afaka anareo.
Joany 10, 1-10 : Izaho kosa tonga mba hananan'ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.
Bokin’ny Jenezy (Jen. 17, 1-2. 9-10. 15-22)
Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrahama
dia niseho taminy ny Tompo ka nanao taminy hoe:
“Izaho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra;
mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao.”
Hoy Andriamanitra koa taminy:
“Ny aminao kosa hitandrina ny fanekeko ianao,
dia ianao sy ny taranakao amin’ny taona mifandimby.
Ka ny fanekena hotandremanareo,
izay ifanekeko Izaho sy ianareo sy amin’ny taranaka handimby anao dia izao:
Hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo.”
Hoy koa Andriamanitra:
“Ny vadinao dia Sarà (izany hoe: Andriambavy) no anarany.
Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao.
Hasiako soa izy, ka ho tonga firenena maro ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy.”
Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe:
“Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray!
Ary i Sarà vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!”
Dia hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra:
“Enga anie ka ho velona eo anatrehanao i Ismaely!”
Kanefa hoy Andriamanitra:
“Tsia, fa hitera-dahy ho anao i Sarà vadinao:
hataonao Isaaka no anarany;
ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho,
dia fanekena mandrakizay ho an’ny taranany hanaraka azy.
Ny amin’i Ismaely dia efa nihaino anao Aho,
ka efa nitso-drano azy Aho;
hataoko maro anaka izy, ary hampitomboiko be indrindra.
Hiteraka andriana roa ambin’ny folo izy
hotongaviko ho firenena lehibe.
Ny fanekeko anefa dia haoriko amin’i Isaaka,
izay haterak’i Sarà vadinao, ho anao,
raha avin-taona toy izao.”
Nony tapi-teny tamin’i Abrahama Andriamanitra
dia niakatra Izy niala teo aminy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 127, 1-2. 3. 4-5
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny lalany!
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao:
ka sambatra sy tretrika.
Ny vadinao:
foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao!
Ny zanakao:
solofon’ôliva manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Aleloia. Aleloia.
Manantena ny Tompo ny fanahiko,
miandry ny teniny aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 1-4)
Tamin’izany andro izany,
raha nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa,
dia narahin’ny vahoaka betsaka.
Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona,
dia nitsaoka Azy ka nanao hoe:
“Tompo ô, raha mety Ianao,
dia mahay manadio ahy.”
Ary i Jesoa naninjitra ny tanany,
dia nanendry azy ka nanao hoe:
“Mety Aho, madiova ianao.”
Dia afaka niaraka tamin’izay ny habokany.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza,
fa mandehana miseho amin’ny mpisorona,
ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina
mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 15, 1-12. 17-18)
Tamin’izany andro izany,
tonga tamin’i Abrahama tamin’ny fahitana ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Aza matahotra, ry Abrahama,
fa Izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.”
Fa hoy ny navalin’i Abrahama:
“Ry Tompo Andriamanitra ô, inona no omenao ahy?
Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko
dia i Eliezera avy any Damasy.”
Nanampy teny ihany i Abrahama:
“Tsy nomenao fara handimby aho,
ka dia lehilahy mipetraka amin’ny fianakaviako no ho mpandova ahy.”
Tamin’izay dia tonga taminy ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Tsy izy io no mpandova anao,
fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao.”
Dia nentiny nivoaka izy, ka nilazany hoe:
“Atopazo hijery ny lanitra ny masonao
ka isao ny kintana raha mahaisa azy ianao”,
ary hoy Izy taminy:
“Ho tahaka izay ny taranakao.”
Ary nino i Abrahama ka neken’ny Tompo ho fahamarinany izany.
Ary hoy Izy taminy:
“Izaho no Tompo nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina,
mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.”
Hoy ny navalin’i Abrahama:
“Ry Tompo Andriamanitra ô,
inona no hahafantarako fa hanana izany aho?”
Dia hoy ny Tompo taminy:
“Mandehana maka ombivavy kely efa telo taona iray,
osivavy efa telo taona iray,
domohina iray ary vanto-boromailala iray.”
Dia nentin’i Abrahama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo,
ka nosasahany roa mitovy avy izy rehetra ireo,
dia nifampifanandrifiny avy ny vakiny;
fa ny vorona kosa tsy mba nosasahany.
Niantoraka hifaoka ny fatin’ireo ny vorona mpihaza,
fa noroahin’i Abrahama.
Raha ilay nilentika iny ny masoandro,
dia rendriky ny torimaso mafy i Abrahama,
ary indro notsindrian’ny tahotra mafy sy ny haizim-pito izy.
Nony maty ny masoandro ka efa maizina ny andro,
dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra
namakivaky iretsy biby voasasaka.
Tamin’izany andro izany,
nanao fanekena tamin’i Abrahama ny Tompo nanao hoe:
“Homeko ny taranakao ity tany ity,
hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe,
dia i Eofrata izany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 104, 1-2. 3-4. 6-7. 8-9
Derao ny Tompo!
Antsao ny Anarany!
Ampahafantaro ny vahoaka ny asany ambony!
Hirao Izy! Antsao!
Vetsoy ny asany mahagaga.
Ireharehao ny Anarany Masina!
Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo!
Katsaho ny Tompo sy ny Heriny!
Tadiavo lalandava ny Tavany!
Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny!
Izy no Tompo Andriamanitra:
manerana ny tany tontolo ny Fitsaràny.
Tsaroany mandrakizay ny Fanekeny,
dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo:
ilay niantohany tamin’i Abrahama,
sy nianianany tamin’i Isaaka.
Aleloia. Aleloia.
Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa,
fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 15-20)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:
“Tandremo ny mpaminany sandoka izay manatona anareo
manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;
ny voany no hahafantaranareo azy.
Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona,
na voan’aviavy amin’ny hery?
Toy izany, ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara,
ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy.
Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy,
ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.
Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara
hokapaina ka hatsipy ao anaty afo:
ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 13, 2. 5-18)
Nanana harena be tokoa i Abrahama,
dia biby fiompy sy volafotsy ary volamena.
I Lôta izay niara-dia tamin’i Abrahama,
dia mba nanana omby aman’ondry sy lay koa;
ka tsy ampy hiarahan’izy roa lahy monina intsony ny faritany,
fa efa be dia be ny fananany,
ka tsy nahazo niara-nitoetra intsony izy.
Nifanditra ny mpiandry ondrin’i Abrahama sy ny mpiandry ondrin’i Lôta.
Ny Kananeanina sy ny Ferezeanina no nitoetra tamin’ny tany tany tamin’izay.
Dia hoy i Abrahama tamin’i Lôta:
“Aoka re tsy hifanditra izaho sy ianao,
na ny mpiandry ondriko sy ny mpiandry ondrinao, fa mpirahalahy isika.
Tsy eo anoloanao ve ny tany rehetra?
Ka aoka hisaraka amiko ianao.
Raha mankany amin’ny havia ianao dia ny havanana kosa no halehako;
ary raha mankany amin’ny havanana ianao dia ny havia kosa no halehako.”
Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra
izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io,
talohan’ny nandravan’ny Tompo an’i Sôdôma sy Gômôra,
dia tahaka ny sahan’ny Tompo,
tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsoara.
Ka dia ny tany lemak’i Jordany no nofidin’i Lôta ho azy;
ka nifindra niantsinanana izy;
toy izany no nisarahan’izy roa lahy.
I Abrahama nonina tamin’ny Kanaàna
ary i Lôta kosa nonina tao afovoan’ireo tanàna
eo amin’ny tany lemaka sy nanorina ny lainy hatrany Sôdôma.
Ary ny mponina tany Sodôma dia olon-dratsy sy mpanota indrindra tamin’ny Tompo.
Ary hoy ny Tompo tamin’i Abrahama taorian’ny nisarahan’i Lôta taminy:
“Atopazy ny masonao ary eto amin’ity fitoerana misy anao ity,
dia mijere mianavaratra sy mianatsimo,
ary miankandrefana sy miantsinanana;
fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay izao tany rehetra tazanao izao.
Hataoko toy ny vovo-tany ny taranakao
ka raha azo isaina ny vovo-tany dia ho azo isaina koa ny taranakao.
Koa mitsangana ianao,
tetezo an-davany sy an-tsakany ny tany,
fa homeko anao izy.”
Dia nifindra toby i Abrahama
ka nandeha nonina teo amin’ny terebintan’i Mambre,
izay any Hebrôna,
ary teo izy nanangana ôtely ho an’ny Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 14, 2-3ab. 3de-4ab. 5
Izay mizotra tsy manan-tsiny
sy mitandro ny rariny:
milaza izay tena ao am-pony,
tsy mamela ny lela haniasia.
Tsy manisy ratsy ny namana,
na manebaka ny miara-monina;
tsy manao ny olo-meloka ho zavatra,
fa manaja izay matahotra ny Tompo;
tsy mivadika amin’ny teny nomena,
na dia hahasingo-tena aza.
Tsy mampanàna vola,
na mandray kolikoly hahavoa ny madio.
Izay manao izany
tsy hihontsona mandrakizay!
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana,
ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 6. 12-14)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Aza omena ny alika ny zava-masina,
ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo,
sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy.
Koa amin’izany,
izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo,
dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany,
fa izany no Lalàna sy Mpaminany.
Midira amin’ny vavahady ety,
fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana,
ka maro no mahazo any;
fa tery kosa ny vavahady,
ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana,
ka vitsy no mahita azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco