Bokin’i Tôbia (Tôb. 6, 10-11a ; 7, 1. 9-17 ; 8, 4-10)
Tamin’izany andro izany, dia hoy i Tôbia tamin’ny anjely:
“Aiza no tianao hialantsika sasatra?”
Ary hoy ny anjely namaly azy:
“Eto misy lehilahy anankiray atao hoe Ragoela,
iray foko amam-pianakaviana aminao,
manan-janakavavy anankiray atao hoe Sarà izy.”
Dia niditra tao amin-dRagoela izy ireo,
ka noraisiny tamin-kafaliana.
Nony avy niresaka teo izy ireo,
nampamono ondralahy iray i Ragoela
sy nampanamboatra sakafo lehibe
dia nanainga azy ireo hipetraka hisakafo.
Fa hoy i Tôbia:
“Tsy hihinana na hisotro eto aho anio,
raha tsy ekenao aloha ny fangatahako,
ka omenao toky aho fa homenao ho vadiko i Sarà zanakavavinao.”
Nivadika ny fon-dRagoela nandre izany teny izany,
satria fantany ny nanjò azy fito lahy vadin’io, izay nanatona azy,
ka raiki-panahiana sahady izy,
fandrao dia hidiran-doza toy izany koa ity.
Mbola tao anatin’izany fisalasalana izany izy,
ka mbola tsy namaly ny fangatahan’i Tôbia,
no hoy ity anjely taminy:
“Aza matahotra ny hanome ny zanakao vavy
ho vadin’ity tovolahy ity,
fa tsy maintsy ho anjara vadin’io matahotra an’Andriamanitra io izy,
ka izany no tsy nahazoan’ny hafa rehetra nanana azy.”
Dia hoy i Ragoela tamin’izay:
“Tsy misalasala aho,
fa efa noraisin’Andriamanitra teo anatrehany ny vavaka aman-dranomasoko;
ary mino aho fa Izy no naniraka anareo ho atý amiko,
mba hanambadian’ny zanako vavy ny havany araka ny lalàn’i Môizy.
Koa dia aza misalasala intsony fa dia omeko anao izy.”
Dia nalainy ny tanana havanan’ny zanany vavy
nataony teo amin’ny tanana havanan’i Tôbia ka hoy izy:
“Homba anareo anie ny Andriamanitr’i Abrahama,
ny Andriamanitr’i Isaaka, ary ny Andriamanitr’i Jakôba,
hanakambana anareo anie Izy,
ary hampidina ny tso-dranony feno aminareo.”
Rahefa izany, naka taratasy izy,
dia nosoratany ny fanambadian’izy ireo.
Vita izany, vao nandroso nanao fihinanam-be
tamim-pisaorana an’Andriamanitra izy ireo.
Avy eo i Tôbia kosa namporisika an-drazazavavy nanao taminy hoe:
“Mitsangàna, ry Sarà,
aoka hivavaka amin’Andriamanitra isika anio
sy ampitso ary rahafakampitso;
Andriamanitra no hiraisantsika mandritra ireo andro telo ireo;
rahefa afaka ny alina fahatelo
dia ho velona ao amin’ny fanambadiantsika isika.
Fa zanaky ny olo-masina,
ka tsy mahazo miray araka ny fanaon’ireo firenena
tsy mahalala an’Andriamanitra.”
Dia nitsangana izy ireo ka niara-nivavaka tamin-kafanam-po
mba hanomezany azy ny fahasalamana.
Hoy i Tôbia:
“Ry Tompo Andriamanitry ny razanay,
hisaotra Anao anie ny tany aman-danitra,
ny ranomasina, ny loharano sy ny ony,
mbamin’ny zava-boaary rehetra ao aminy.
Ianao no nanao an’i Adama, tamin’ny fota-tany,
sy nanome an’i Eva ho vadiny.
Ary ankehitriny, ry Tompo,
fantatrao fa tsy mba ny hanarana ny filàn’ny nofoko
no angalako an’ity zanakavavin’i Israely ity ho vadiko,
fa noho ny faniriako te-hamela taranaka
izay hidera ny Anaranao amin’ny taona rehetra ihany.”
Ary hoy i Sarà:
“Mamindrà fo aminay, Tompo ô, mamindrà fo aminay,
enga anie ho tratra antitra ho salama tsy marofy izahay roroa.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 127, 1-2. 3. 4-5
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny Lalany!
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao;
ka sambatra sy tretrika!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
ao anivon-tranonao!
Ny zanakao: solofon’oliva
manodidina ny latabatrao!
Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra iainanao!
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy;
ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)
Tamin’izany andro izany,
nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona an’i Jesoa
sy nanontany Azy hoe:
“Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?”
Ary i Jesoa namaly azy hoe:
“Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia ity:
Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana;
koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy amin’ny fanahinao rehetra,
sy amin’ny sainao rehetra ary amin’ny herinao rehetra.
Izany no didy voalohany.
Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa:
Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo.”
Dia hoy ilay mpampiana-dalàna taminy:
“Tsara izany, ry Mpampianatra,
marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra,
ary tsy misy hafa afa-tsy Izy,
ka ny tia Azy amin’ny fo rehetra sy amin’ny fanahy rehetra,
ary amin’ny hery rehetra ary ny tia namana tahaka ny tena,
dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra
sy ny fanatitra hafa rehetra.”
Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy,
dia hoy Izy taminy:
“Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.”
Ary hatramin’izay,
dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Raha tian'ny ray aman-dreny ny hanana taranaka vanona sy mendrika dia mila manao ezaka ny rehetra mba hanome fanabeazana ao anatin'ny fahamarinana. Ny fahamarinana dia antoka iray mampifanakaiky am-po. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Bokin’i Tôbia (Tôb. 3, 1-11. 24-25)
Velon-tsento i Tôbia ka rafitra nivavaka tamin-dranomaso, nanao hoe:
“Marina Ianao, ry Tompo,
marina avokoa ny fitsaranao,
antra sy hitsiny aman-drariny ny lalànao rehetra.
Koa ankehitriny, ry Tompo, tsarovy aho,
aza valianao ny ratsy nataoko,
ary aza tsiahivinao ao amin’ny fahatsiarovanao ny fahotako sy ny an’ny razako.
Fa tsy nankatò ny didinao izahay,
ka natolotra ho amin’ny fandrobana,
ho amin’ny fahababoana, ho amin’ny fahafatesana
sy ho amin’ny fihomehezana ary ho amin’ny fandatsana
eo amin’ny firenena rehetra nanelezanao anay.
Ary izao, ry Tompo ô, lehibe ny famaizanao,
satria tsy nitandrina ny didinao tamin’ny nataonay izahay,
sy tsy nandeha tamim-pahatsorana teo anatrehanao.
Koa amin’izao, ry Tompo ô,
ataovy izay sitra-ponao amiko,
ary tapaho ny horaisina amim-piadanana ny fanahiko
fa izao tsara lavitra amiko ny maty noho ny velona.”
Tamin’izay andro izay ihany koa,
tany Ekbatàna, tanànan’ny Meda,
dia nandre, ny fanebahan’ny iray amin’ny ankizivavin-drainy azy,
i Sarà zanakavavin-dRagoela.
Fa lehilahy fito no samy efa namoahana azy ho vadiny
nefa nisy demony anankiray atao hoe i Asmôdea namono an’ireo,
raha vao handeha taminy izy.
Ka raha niteny an’ilay ankizivavy iny izy,
noho izay hadisoany anankiray izay,
dia izao no navalin’io azy:
“Aza ahitanay zanakalahy na zanakavavy eto an-tany ianao na oviana na oviana,
ry ilay mpamono vadinao;
tadiavinao hovonoina aho
toy ny namonoanao azy fitolahy vadinao.”
Raha nandre izany teny izany i Sarà
dia niakatra tany an’efitranon’ny tranony ambony rihana,
ka nijanona tao hateloana, tsy nihinana na nisotro;
fa naharitra nivavaka sy nitaraina tamin’Andriamanitra tamin-dranomaso
mba hanafaka azy amin’izany fahafaham-baràka izany.
Indray nekena teo anatrehan’ny voninahitr’ilay Andriamanitra ambony indrindra
ireo fitalahoana roa ireo.
Ny Anjely masin’ny Tompo, i Rafaela,
no voairaka hanasitrana an’i Tôbia sy i Sarà,
fa ny vavak’izy ireo dia indray notononina teo anatrehan’ny Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 24, 2-4a. 4b-5ab. 6-7. 8-9
Ianao, ry Andriamanitro, no ifefeko:
tsy ho azon-kenatra aho, tsy ho resin’ny fahavaloko!
Izay rehetra mitady Anao tsy ho azon-kenatra;
ny mpivadika tsy amin’antony no ho azon-kenatra.
Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy;
ny soritrao, ampianaro ahy!
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo:
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Tsarovy ny indrafo sy hatsaram-ponao,
izay efa hatramin’ny fahagola!
Ny otako fahazaza, ry Tompo,
hadinoy noho ny hatsaram-ponao!
Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ka ny mpanota toroany lalana;
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny;
ny ory ampianariny ny lalany.
Aleloia. Aleloia.
Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo;
ny baikonao mazava, manilo ny maso.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 18-27)
Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny Sadoseanina
izay mandà ny fitsanganan’ny maty ka nanontany Azy hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
izao no nosoratan’i Môizy ho antsika:
Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny,
dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy.
Ary nisy olona fito mirahalahy,
ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba.
Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy;
toraka izany koa ny fahatelo.
Ary samy nanam-bady azy izy fito mirahalahy, fa maty momba avokoa.
Faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo,
iza no ho vadin-dravehivavy,
fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy?”
Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Moa tsy diso hevitra va ianareo
noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina
sy ny fahefan’Andriamanitra?
Fa rahefa tafatsangana ny maty,
dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony,
fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty,
moa tsy mbola novakìnareo va ao amin’ny Bokin’i Môizy,
amin’ilay misy ny voaroy,
izay nolazain’Andriamanitra taminy hoe:
‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama,
Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?’
Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.
Koa diso lehibe loatra ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Tôbia (Tôb. 2, 10-23)
Indray andro, nony tonga tao amin’ny tranony i Tôbia,
ilay sasatra loatra avy nandevina ny maty iny,
dia niretaka teo ambody rindrina; ka nosintonin-tory.
Mbola natory teo izy no nisy tain-tsidintsidina mbola mafana nilatsaka avy any amin’ny akaniny,
teo amin’ny masony roa ka tonga jamba izy.
Fitsapana navelan’Andriamanitra hihatra aminy izany,
mba ho atao fakan-tahaky ny taranaka any aoriana ny faharetany,
toy ny an’i Jôba lehilahy masina.
Fa satria hatramin’ny fahazazany, no natahorany an’Andriamanitra,
sy nitandremany ny didiny mandrakariva,
dia tsy mba nanana alahelo tamin’Andriamanitra izy,
tamin’izany azon-doza tonga jamba izany;
fa naharitra tsy azo nohozongozonina tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra izy,
nisaotra Azy isan’andro nandritra ny andro niainany.
Toy ny nanebahan’ireo loham-pirenena an’i Jôba, lehilahy sambatra,
no nanarabian’ireo havana aman-tsakaizan’i Tôbia ny fitondran-tenany,
nataony hoe:
“Fa zary inona ity fanantenanao,
tamin’ny nanaovanao fiantrana sy nandevenanao ny maty?”
Nanarin’i Tôbia izy ireo, nataony hoe:
“Aza miteny toy izany fa zanaky ny olo-masina isika,
ka ilay fiainana tsy maintsy homen’Andriamanitra
an’izay tsy mitsoaka na oviana na oviana amin’ny firaiketam-po aminy
no antenaintsika.”
I Annà vadiny nandeha isan’andro, nanenon-damba,
ary izay mety ho azony, tamin’ny asan-tanany dia nentiny niverina hiveloman’izy ireo.
Toy izany no sendra nandraisan-dravehivavy zanak’osy,
ka nentiny tao an-trano.
Nony nandre ny fibarareok’ilay zanak’osy ny lahy, dia nanao hoe:
“Jereo, fandrao zanak’osy nangalarina izany,
ka avereno amin’ny tompony,
fa tsy mahazo mihinana na inona na inona avy amin’ny halatra isika,
na dia mikasikasika izany akory aza.”
Izay, dia novalian’ny vavy an-katezerana hoe:
“Miharihary fa foana tokoa ny fanantenanao;
izany no vokatry ny fiantranao?”
Izany sy ny toy izany no teny fikizahany azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 111, 1-2. 7bd-8. 9
Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.
Ny fony mitombina matoky ny Tompo;
ny fony tsy matahotra fa mandry fehizay,
ny masony mibandrina ny rafilahiny.
Malala-tanana izy,
manome ny mahantra,
ny fahamarinany maharitra mandrakizay;
ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.
Aleloia. Aleloia,
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 13-17)
Tamin’izany andro izany,
naniraka ny sasany tamin’ny Farisianina sy Herôdianina ireo mpanohitra an’i Jesoa
mba hamandrika Azy amin’ny teniny,
ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
fantatray fa marina Ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona,
satria tsy mba mizaha tavan’olona Ianao,
fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina.
Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara:
handoa izahay sa tsy handoa?”
Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy:
“Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Itondray denie iray Aho hozahako.”
Dia nitondrany iray Izy ka hoy Izy taminy:
“Sarin’iza, sy anaran’iza io?”
— Hoy iretsy hoe:
“An’i Sezara.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara,
ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.”
Dia nigagan’izy ireo Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco