♦ Tsy maintsy handraisana fepetra ireo sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny, voamarina fa sakana amin'ny tsy fahafenoan'ny antonta-taratasin'ireo kandidà, hoy ny Filohan'ny HCC... ♦ Tanjona amin'ny fihaonamben'ny FFKM, atao eny Mandrimena, ny hahafahan'ny samy Malagasy mifampihaino... ♦ Nivoaka androany ny lisitr'ireo afaka tamin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, farany teo...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 21-23)
Ry kristianina havana,
taloha ianareo dia lavitra an’i Kristy sy fahavalony,
tamin’ny hevitra aman’asa ratsinareo,
fa ankehitriny kosa nampihavanin’Andriamanitra amin’ny Tenan’i Kristy nofo tamin’ny nahafatesany,
mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany,
raha tahiny ianareo maharitra sy miorim-paka mafy amin’ny finoana,
ary tsy azo tsoahina hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny Evanjely,
izay efa renareo sy notorìna taminareo ary nanendrena ahy, Paoly,
ho mpandraharaha.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 53, 3-4. 6 sy 8
Andriamanitra ô, vonjeo amin’ny Anaranao aho;
omeo rariny amin’ny herinao!
Andriamanitra ô, henoy ny talahoko;
mampandria sofina amin’ny tenin’ny vavako.
Indro Andriamanitra manampy ahy;
ny Tompo no ilay Mpanohana ny fanahiko.
Koa avy misorona amin’ny hazavam-ponao aho!
Eny, ry Tompo; tonga hidera ny hasoan’ny Anaranao!
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)
Indray Sabata,
raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa,
dia nioty salohim-bary ny mpianany,
ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin’ny tanany.
Dia hoy ny Farisianina sasany taminy:
“Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?”
Ary i Jesoa namaly azy hoe:
“Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida
raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy
ka naka ny mofo alahatra,
dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa,
nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?”
Sady nampiany hoe:
“Ny Zanak’Olona no tompon’ny Sabata.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 15-20)
I Kristy Jesoa no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita;
Izy no teraka talohan’izao voaary rehetra izao;
tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etý an-tany,
dia ny hita sy ny tsy hita,
na fiandrianana,
na fiamboniana,
na fifehezana,
na fahefana;
taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra.
Izy no talohan’ny zavatra rehetra,
ary ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.
Izy no Lohan’ny tena, izany hoe ny Eglizy;
Izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin’ny maty,
mba ho Loha amin’ny zavatra rehetra Izy;
satria ao aminy no sitraky ny Ray hitoeran’ny hafenoana rehetra;
ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray,
rahefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana,
dia tamin’ny tenany, na ny etý an-tany na ny any an-danitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 99, 2. 3. 4. 5
Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo
ka fo falifaly anompoana ny Tompo;
tongava eo aminy, mihira, miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
fa Azy isika satria nohariany
sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
ny ao an-kianjany idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 33-39)
Tamin’izany andro izany,
ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna dia nanontany an’i Jesoa nanao hoe:
“Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina
no mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava,
fa ny anao kosa mihinana sy misotro ihany?”
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:
“Moa ianareo mahazo mampifady hanina ny zatovon’ny mpampakatra,
raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra?
Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy,
ka amin’izay vao hifady hanina izy ireo.”
Dia nanao fanoharana taminy indray Izy nanao hoe:
“Tsy misy olona manampina lamba tonta
amin’ny tapa-damba nalaina tamin’ny vaovao,
fa raha izany, ny vaovao moa rovitra,
ny tonta koa tsy hifanendrika amin’ny tapa-damba vaovao.
Tsy misy manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta koa,
fa raha izany dia ho simban’ny divay vaovao ny siny hoditra
ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina;
fa siny hoditra vaovao no tokony hasiana ny divay vaovao,
dia samy haharitra izy roroa.
Ary tsy misy olona vao avy nisotro divay tranainy
ka hangataka ny vaovao, satria hoy izy hoe:‘Ny tranainy no tsaratsara kokoa.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Mikea Mpaminany (Mikea 5, 1-4a)
Izao no nolazain’ny Tompo:
Ary ianao, ry Betlehema Efratà,
kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory,
avy aminao no hivoaka ho Ahy Ilay tsy maintsy ho mpifehy amin’i Israely,
ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola,
hatramin’ny andro mandrakizay.
Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny Izy
mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka;
ary ny sisa amin’ireo rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.
Ho mafy fijoro Izy,
ka hiandry ny ondriny, amin’ny herin’ny Tompo,
amin’ny fiandrianan’ny Anaran’Andriamanitra Tompony,
ary handry fehizay ny olona, fa ho lehibe Izy amin’izay,
hatrany amin’ny faran’ny tany.
Izy no ho fiadanana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 26-30)
Ry Kristianina havana,
fantatsika koa fa ny zavatra rehetra
dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy,
dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa,
mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Ary izay notendreny no nantsoiny koa;
izay nantsoiny no nohamarininy koa;
izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 12, 6ab. 7de
Matoky ny Hatsaram-ponao aho;
mifaly amin’ny famonjenao ny foko.
Eny, mihira aho, ry Tompo,
noho ny soa ataonao.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 1-16. 18-23)
Filazana ny razan’i Jesoa Kristy,
Zanak’i Davida, Zanak’i Abrahama:
I Abrahama niteraka an’i Isaaka;
i Isaaka niteraka an’i Jakôba;
i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy;
i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara;
i Faresa niteraka an’i Esrôna;
i Esrôna niteraka an’i Arama;
i Arama niteraka an’i Aminadaba;
i Aminadaba niteraka an’i Naasôna;
i Naasôna niteraka an’i Salmôna;
i Salmôna niteraka an’i Bôôza tamin’i Rahaba;
i Bôôza niteraka an’i Obeda tamin’i Rota;
i Obeda niteraka an’i Jese;
i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka;
i Davida niteraka an’i Salômôna tamin’ilay vadin’i Oria;
i Salômôna niteraka an’i Rôbôama;
i Rôbôama niteraka an’i Asà;
i Asà niteraka an’i Jôsafata;
i Jôsafata niteraka an’i Jôrama;
i Jôrama niteraka an’i Oziasa;
i Oziasa niteraka an’i Jôatama;
i Jôatama niteraka an’i Akaza;
i Akaza niteraka an’i Ezekiasa;
i Ezekiasa niteraka an’i Manase;
i Manase niteraka an’i Amôna;
i Amôna niteraka an’i Jôsiasa;
i Jôsiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy,
tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna.
Ary rahefa nifindra tany Babilôna,
i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela;
i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela;
i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda;
i Abioda niteraka an’i Eliakima;
i Eliakima niteraka an’i Azôra;
i Azôra niteraka an’i Sadôka;
i Sadôka niteraka an’i Akima;
i Akima niteraka an’i Elioda;
i Elioda niteraka an’i Eleazara;
i Eleazara niteraka an’i Matàna;
i Matàna niteraka an’i Jakôba;
ary i Jakôba niteraka an’i Jôsefa
vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa,
ilay natao hoe i Kristy.
Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy:
i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo,
dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina,
sady tsy ta-hanala baràka azy,
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
indro ny anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy,
ka nanao hoe:
“Ry Jôsefa, zanak’i Davida,
aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny anarany hataonao hoe Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.”
Ary izany rehetra izany no tonga,
dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:
“Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny anarany hatao hoe Emanoela,
izany hoe amintsika Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 18-23)
Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy:
i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo,
dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina,
sady tsy ta-hanala baràka azy,
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
indro ny anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy,
ka nanao hoe:
“Ry Jôsefa, zanak’i Davida,
aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny anarany hataonao hoe Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.”
Ary izany rehetra izany no tonga,
dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:
“Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny anarany hatao hoe Emanoela,
izany hoe amintsika Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco