Aleo kely ombam-pahatahorana ny Tompo, toy izay ny harem-be omban'ny tsy fahamarinana. Matoa mahantra ny firenena dia mbola betsaka ny kolikoly. Ilaina ny fialan-tsasatra satria izany no hatsiarovana ny asan'Andriamanitra, tamin'ny fahariana izao tontolo izao. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

29 aogositra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 23-26)

♦ Vaky am-batolampy ny disadisa misy eo amin'ny zanaka vavin'ny Amiraly Ratsiraka manoloana ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena... ♦ Misy amin'ny fianakavian'ireo namoy ny ainy teny Mahamasina ny zoma teo no mitaraina fa tsy mifanaraka amin'ny vola nampanantenain'ny fitondram-panjakàna no azon'izy ireo... ♦ Manao ranolava kosa ny fanambaran'ny mpianatry ny ambaratonga ambony ankoatra ny fanohizan'ny SECES ny fitokonana... ♦ Lasibatry ny zera baomban'y Israeliana androany ny seranam-piara-manidina iraisam-pirenena Siriana ao Alep... 

♦ Nivoaka tamin'ny fomba ôfisialy izao atoandro izao ny andiany faha-44, amin'ireo manam-boninahitra niofana tao amin'ny akademia miaramila na ny ACMIL any Antsirabe, nisalotra ny anarana Amiraly Didier Ratsiraka... ♦ Mbola mitana ny laharana voalohany hatrany amin'ny fahazoana medaly i Madagasikara hatramin'izao. 74 ankehitriny ny medaly azontsika ka volamena ny 43 amin'ireo... ♦ "Ny fiovaovan'ny toetr'andro" no loha-hevitra hifanakalozan'ireo tanora, anatin'ny "volet jeunesse" amin'izao lalaon'ny nosy andiany faha-11 izao. Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy omaly teny amin'ny Arena Ivandry izany...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...