Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 4, 12-16
Ry kristianina havana,
velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra,
ka maranitra noho ny sabatra roa lela,
maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy,
ary ny famavàny sy ny tsoka aza;
fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra,
fa mihanjahanja sy miharihary
eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.
Koa noho isika manana Mpisorona lehibe
izay lasa namaky ny lanitra,
dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra,
dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Satria tsy Mpisorombe tsy mahalala mangoraka
ny fahalementsika no antsika;
fa efa nalaim-panahy tahaka antsika
tamin’ny zavatra rehetra Izy, afa-tsy ny fahotana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana,
mba hahazoantsika famindram-po,
sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika
amin’ny andro ilantsika izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 18, 8. 9. 10. 15
Ny lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana
samy rariny avokoa.
Ho sitraka eo anoloanao anie
ny vetson’ny foko sy ny tenin’ny vavako,
ry Tompo vatolampiko,
ry ilay Mpanavotra ahy.
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 13-17
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nivoaka ho any an-dranomasina,
ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra,
dia nampianatra azy Izy.
Raha nandalo Izy, dia nahita an’i Levi zanak’i Alfe
nipetraka tao amin’ny fandraisana hetra,
ka nanao taminy hoe:
“Andeha hanaraka Ahy.”
Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota maro
niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany;
fa maro ireo, ary nanaraka Azy.
Nony nahita Azy niara-nihinana
tamin’ny poblikanina sy ny mpanota
ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina
dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:
“Nahoana ny Mpampianatrareo
no miara-mihinana sy misotro
amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”
Raha nahare izany i Jesoa,
dia nanao taminy hoe:
“Tsy ny finaritra no mila dokotera,
fa ny marary;
tsy tonga hiantso ny marina Aho,
fa ny mpanota.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
21 desambra — Teraka ny 8 mey 1521 tao Nimègue, Pays-Bas, i Pierre Canisius. Pierre Kanis no anarany fa antsoina koa izy hoe Canisius satria mitovy ihany ny Kanis sy ny Canisius. Jacob Kanis no rainy ary i Ægidia van Houweningen no reniny. Mpanan-karena tao an-tanana ireo ray aman-dreniny ireo. Fotoana fohy tao aorian'ny nahaterahan'i Pierre no nodimandry ny reniny.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 4, 1-5. 11
Ry kristianina havana,
aoka hatahotra isika,
dieny mbola manana ny teny fampanantenana
fa hiditra amin’ny fialàny sasatra,
mba tsy hisy tsy hahatratra izany aminareo
na dia iray aza.
Fa isika koa
dia nitoriana filazana mahafaly toa an’ireny,
saingy tsy nombany finoana ny teny ren’izy ireny
ka tsy nahasoa azy akory.
Fa isika izay mino kosa
dia hiditra amin’ny fialan-tsasatra,
araka ny voalazany hoe:
“Nianiana noho ny hatezerako aho
fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.”
Toy izany ny teniny, na dia efa vita tapitra
hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao aza ny asany.
Fa hoy Izy hoe,
amin’ny andininy anankiray any ho any
ny amin’ny andro fahafito:
“Ary Andriamanitra
niala sasatra tamin’ny asany rehetra
tamin’ny andro fahafito.”
Ary eto indray, hoy Izy:
“Tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.”
Koa aoka isika hazoto miditra
amin’izany fialan-tsasatra izany,
mba tsy hisy ho latsaka amin’ny tsy finoana
tahaka ireny koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 77, 3-4d. 6d-7. 9
Izay henonay ka fantatray,
fa nolazain’ireo razana anay,
dia ny fiderana ny Tompo sy ny heriny
mbamin’ny zava-mahagaga izay vitany.
Ireo zaza vao ho teraka hitantara amin-janany koa,
ka ireto hatoky an’Andriamanitra,
tsy hanadino ny asan’ilay Mahery,
fa hitandrina kosa ny didiny.
Tsy mba hanahaka ireo razany,
izay taranaka mpikomy sy mpiodina,
tsy niraiki-tsaina tamin’Andriamanitra.
Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy
sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 1-12
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia niditra indray tao Kafarnaôma.
Nony re fa hoe tao an-trano Izy,
dia nivory betsaka dia betsaka ny olona,
ka tsy nisy hitoerana intsony
na dia hatrany anoloan’ny varavarana aza;
dia nitory teny taminy Izy.
Tamin’izay dia nisy nanatona Azy
nitondra lehilahy malemy anankiray,
izay nolanjain’olona efa-dahy.
Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo
noho ny habetsahan’ny vahoaka,
ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany;
nony voasokatra,
dia nampidininy teo ny fandriana nandrian’ilay malemy.
Ary i Jesoa nony nahita ny finoan’ireo,
dia nanao tamin’ilay malemy hoe:
“Anaka, voavela ny helokao.”
Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo,
ka nanao anakampo hoe:
“Ahoana no itenenan’ilay ity toy izany?
Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy.
Iza no mahavela fahotana
afa-tsy Andriamanitra irery ihany?”
Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay
fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo
ka hoy Izy taminy:
“Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo?
Inona no moramora kokoa,
ny manao amin’itý malemy ity hoe:
Voavela ny helokao, sa ny manao hoe:
Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana?
Ary mba ho fantatrareo
fa ny Zanak’Olona manam-pahefana ety an-tany
hanafaka ny fahotana,
dia izao no lazaiko aminao, (hoy Izy tamin’ilay malemy):
Mitsangàna, batao ny fandrianao,
ary modia any an-tranonao.”
Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy
ka nibata ny fandriany, ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra;
hany ka talanjona izy rehetra
sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:
“Tsy mbola nahita tahaka izany izahay.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 3, 7-14
Araka ny tenin’ny Fanahy Masina hoe:
“Anio, raha mandre ny feony ianareo,
aza manamafy ny fonareo
tahaka ny tamin’ny andron’ny fahasosorana,
tamin’ny andron’ny fakam-panahy tany an’efitra,
izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy,
sy nizahany toetra Ahy,
nefa anie efa nahita ny asako
nandritra ny efapolo taona izy.
Tezitra tamin’izany taranaka izany Aho
ka nanao hoe:Maniasia amin’ny fony mandrakariva ireo,
ka tsy nahalala ny diako;
koa nianiana noho ny hatezerako Aho
fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo”:
dia tandremo, ry kristianina havana,
fandrao misy manana fo ratsy sy tsy mino ao aminareo,
ka ho tafasaraka amin’Andriamanitra velona;
fa mifamporisiha isan’andro,
dieny mbola misy izay atao hoe “anio”,
mba tsy hisy hihamafy fo aminareo,
noho ny famitahan’ny fahotana.
Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika
raha tanantsika mafy hatramin’ny farany
ny fahatokiantsika voalohany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 94, 6-7. 8-9. 10. 11
Avia miondreha ary miankohofa,
hitsaoka ilay Tompo nanao antsika.
Fa Izy no tena Andriamanitsika,
isika: vahoaka sy ondry fiandriny.
Hihaino Azy ve ianareo anio?
Fa izao no ambarany sy lazainy:
Aza dia mafy fo toy ny tany an’efitra,
toy ny tany Masà sy tany Meribà.
Ny razanareo dia nitsapa Ahy,
kanefa nahita ny asa vitako.
Ity taranaka ity efapolo taona
dia nahatofoka Ahy, nahatezitra Ahy.
Vahoaka mpaniasia tokoa ity.
Tsy mety hahalala ny tena lalako;
koa tezitra Aho ka nianiana,
fa ireto tsy hiadana miaraka amiko.
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao,
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 1, 40-45
Tamin’izany andro izany,
nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa
nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe:
“Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.”
Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany,
dia nanendry azy sy nanao taminy hoe:
“Mety aho, madiova ianao.”
Vantany vao niteny Izy,
dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy.
Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa
sady namepetra azy mafy nanao hoe:
“Tandremo, aza milazalaza izany
na amin’iza na amin’iza ianao
fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona,
ary noho ny nanadiovana anao
dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy,
mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka.
Kanjo nony lasa ralehilahy
dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza,
hany ka tsy afa-niditra niharihary
tao an-tanàna intsony i Jesoa,
fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina izy,
ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco