♦ Tsy fantatra mazava hatramin'ny antoandro teo ny fivoaran'ny isan'ireo niharam-boina tamin'ilay loza teny Mahamasina. Tafakatra 13 ireo namoy ny ainy, 107 ireo naratra, raha ny antontan'isa navoakan'ireo fampahalalam-baovao iraisam-pirenena sasany... ♦ Taranja 13 no hisy lalao na katrok'ady avy hatrany anio, taorian'ny fanokafana ny lalaon'ny nosy omaly. Anisan'ny andrasan'ny maro ny lalaon'ny Barea sy ny Club M. Maorisana eny amin'ny kianjan'i Mahamasina, anio hariva... ♦ Valoa volana izao no tsy nandray tambin-karama toy ny hatramin'izay intsony ireo mpiasan'ny Antenimeran-doholona eny Anosikely. Manaitra ny Fanjakàna foibe izy ireo, mialohan'ny hirosoana any amin'ny hetsika hafa...
♦ Olona 12 farafahakeliny no namoy ny ainy, 80 naratra, vokatry ny fifanosehina teny Mahamasina, omaly hariva, nandritra ny fanokafana ny lalaon'ny nosy... ♦ Mampitandrina izay hitondra firenena amin'ny taona 2024 mba hanaraka ny lalàna sy hanaja ny mpiasa malagasy ny Fiombonam-ben'ny Sendikà Mpiasa Malagasy. Tafatsangana omaly teny Ankatso io vondron'ny sendikà maro io, ary nanao fanambaràna... ♦ Napetraka etsy amin'ny MBC Ivato ny "Guichet Unique" momba ny fanondranana vato sarobidy sy volamena any ivelany. Iray amin'ireo dingana lehibe hirosoana mankany amin'ny fahafahana manondrana volamena izy io, hoy ny Ministry ny Harena Ankibon'ny tany...
Ny asa dia talenta izay azo adika hoe fananana. Manana fahaizana, tsy mitovy isika olombelon ary io fahasamihafana io no mifameno. Samihafa ny fahaiza-manao ananan'ny olombelona rehetra ary fanomezam-pahasoavana manokana io. Ampiasaina araka ny fitokisan'Andrimanitra amintsika ny talenta, izay misy dingana : andrana, mitombo traik'efa ary tonga ho mpiasa raikitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
26 aogositra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco