♦ Sokafana amin'ny fomba ôfisialy eny amin'ny Kianjan'i Mahamasina ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-11... ♦ Nambaran'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, fa tany manana ny fiandrianany i Madagasikara ka tsy ekena ny faintsoana tafika avy any ivelany hiaro azy... ♦ Miatrika Kôngresy Nasiônaly mandritra ny roa andro, nanomboka androany, ny antoko HVM...
♦ Diakra miisa 19 sy pretra 16, no hohamasinina amin'ny Andron'ny Diôsezin'Antananarivo, ny alahady 27 aogositra 2023... ♦ Tsy maintsy mandray an'i Masina Maria mitoetra ao aminy, ireo izay milaza fa mpianatr'i Kristy, hoy i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, tamin'ny fankalazana an'i Masina Maria Mpanjakavavy... ♦ Tanterahana ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga ny 23 hatramin'ny 27 aogositra 2023, ny Lasy Nasiônaly "Balto 2", ho an'ny Lovitao eto Madagasikara...
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 9-12)
Ry kristianina havana,
ny amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy,
dia tsy ilaina ny hanoratana izany aminareo,
satria tenanareo no nampianarin’Andriamanitra hifankatia
sady efa manao izany rahateo amin’ny rahalahy rehetra eran’i Masedônia ianareo.
Miangavy aminareo anefa izahay, ry kristianina havana,
mba handroso kokoa mandrakariva amin’izany.
Mahaiza miaina amim-piadanana,
sy manatanteraka tsara ny raharahanareo,
ary miasa tanana araka ny nandidianay anareo,
mba handehananareo amim-pahamendrehana amin’izay eo ivelany,
sy tsy hiankinanareo amin’olona foana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 1. 7-8. 9
Ihirao hiravao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina!
Aoka hidobodoboka ny ranomasina sy izay mameno azy,
izao rehetra izao sy izay monina ao aminy!
Ny ony aoka hiteha-tanana;
ny vohitra indray hanakora.
Mba hitsena ny Tompo izay tamy!
Fa tamy Izy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!
Aleloia. Aleloia.
Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 14-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny
ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.
Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray;
samy araka ny fahaizany avy dia lasa nandeha izy.
Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany,
ka nahazo tombom-barotra dimy koa.
Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa;
fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa,
nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony.Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo,
ka nampamoaka azy ny amin’ny volany.
Dia nanatona ilay nandray talenta dimy,
nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe:‘Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko,
ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho.’Dia hoy ny tompony taminy:
‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely
dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao.’Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe:
‘Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko,
ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho.’Dia hoy ny tompony taminy:
‘Tsara izany, ry mpanompo tsara, sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely,
dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao.’Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe:
‘Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao,
fa mijinja amin’izay tsy namafazanao,
ary manangona amin’izay tsy nanahafanao,
ka natahotra aho,
dia lasa naleviko tany anaty tany ny talentanao;
koa indro averiko aminao ny anao.’Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe:
‘Ry mpanompo ratsy sady kamo,
fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho,
ary manangona amin’izay tsy nanahafako;
koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako,
ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany.
Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo ilay manana talenta folo;
fa izay manana no homena, ka hanam-be izy,
fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza.
Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona
dia ario any amin’ny maizina any:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 1-8)
Ry kristianina havana,
izao no angatahinay sy ihantanay aminareo ao amin’i Jesoa Tompo:
efa nianaranareo taminay izay fitondran-tena mety hankatsitrahan’Andriamanitra,
sady efa arahinareo koa,
ka mandrosoa mandrakariva amin’ny fandehanana araka izany.
Efa fantatrareo araka ny didy nomenay anareo avy amin’i Jesoa Tompo,
fa ny hanamasinanareo ny tenanareo no sitrapon’Andriamanitra:
dia ny hifadianareo ny fijangajangana,
sy ny hahaizanareo tsirairay avy manana ny fanaky ny tenanareo
amin’ny fahamasinana sy fananan-kaja,
fa tsy amin’ny filan-dratsin’ny nofo araka ny fanaon’ny jentily
izay tsy mahalala an’Andriamanitra,
ary ny tsy hisian’ny olona manao an-keriny
na an-kafetsena amin’ny rahalahiny amin’izany raharaha izany,
fa ny Tompo no mpamaly izany rehetra izany,
araka ny efa voalazanay sy nasehonay marina taminareo;
satria tsy ho amin’ny fahalotoana,
fa ho amin’ny fahamasinana no niantsoan’Andriamanitra antsika.
Koa izay manamavo izany didy izany,
dia tsy manamavo olombelona, fa manamavo an’Andriamanitra,
izay nanome ny Fanahy Masina ho ao aminareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 96, 1 sy 2b. 5-6. 10. 11-12
Aoka hifaly izany tany fa manjaka izao ny Tompo,
koa samia manao koràna ianareo nosy maro
fa ny rahona no lamba ihodidinan’ny Mpanjaka.
E! ny rariny sy ny hitsiny ijoroany ao an-drova.
Fa ny tany raha mahita tsy mitsaha-mihorohoro,
tendrombohitra amin’izany dia mitsonika mikoa.
Fahamarinany no tian’izany lanitra hambara;
voninahiny tazano hita mason’ny vahoaka.
Andriamanitra mahery sy ambony tsisy fetra:
Ianao manerinerina mifehy ny tontolo.
Ianareo izay tia ny Tompo, andosiro re ny ratsy,
fa ny Tompo dia mitandrina an’ireo izay mino Azy.
Ny hazavana vao mitranga: ny olo-marina no tràny,
ka somebin-karavoana izay mahitsy fo rehetra.
Mifalia, ry olo-marina, eo imason’izy Tompo.
Eny, masina ny Anarany, koa tongava ianao hisaotra!
Aleloia. Aleloia.
Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany,
ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;
ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika;
fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika.
Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe:
‘Intý tamy ny mpampakatra, mandehàna mitsena azy ianareo.’
Tamin’izay, dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony.
Ary hoy ny adala tamin’ny hendry:‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay,
fa efa ho faty ny jironay.’Hoy ny navalin’ny hendry azy:
‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo,
fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo,
ka mividiana ho anareo.’Ary raha mbola nandeha hividy izy, dia tonga ny mpampakatra
ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady,
dia nohidiana ny varavarana.
Nony afaka kelikely,
dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe:‘Tompoko, tompoko, vohay izahay.’
Fa hoy ny navaliny azy:
‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro akory ianareo.’
Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco