Bokin’i Izaia Mpaminany 45, 6b-8. 18. 21b-25
“Izaho no Tompo, ary tsy misy hafa.
Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina;
manao ny fiadanana sy mahary ny loza;
Izaho Tompo no manao izany rehetra izany.
Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony;
ary aoka ny rahona
handatsaka ny fahamarinana toy ny ranon’orana!
Aoka ny tany hisokatra, hahavokatra ny famonjena,
ka hampitsimoka ny fahamarinana miaraka amin’izany!
Izaho Tompo no mahary ireo zavatra rehetra ireo.”
Izao no lazain’ny Tompo, izay nahary ny lanitra,
Izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany
sy nahavita ary nampiorina azy,
ka tsy nataony ho zava-mifanjevo foana,
fa nataony ho fonenana:
“Izaho no Tompo, ary tsy misy hafa!
Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Izaho no Andriamanitra marina,
ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
Mitodiha aty amiko dia hovonjena ianareo,
ianareo rehetra mponina amin’ny tany,
fa Izaho no Andriamanitra ary tsy misy hafa.
Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho;
ny marina no aloaky ny vavako, dia ny teny iray,
izay tsy hofoanana.
Ny lohalika rehetra handohalika amiko,
ary ny lela rehetra hianiana amiko.
Izao no hilazan’ny olona Ahy:
Amin’ny Tompo irery no mitoetra
ny fahamarinana sy ny hery!”
Hanatona Azy ny olona,
fa ho menatra kosa izay rehetra tezitra taminy.
Hohamarinina sy homem-boninahitra
ao amin’ny Tompo avokoa ny taranak’i Israely rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14
Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo,
mirary fiadanana ho an’ireo tiany,
mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.
Akaiky izay mino Azy Tompo ny vonjy.
Honenan’ny lazany ety amintsika
koa indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany,
ny hitsiny hita mitsiry amin’ny tany,
mitsinjo avy eny amin’ny rahon’ny lanitra koa ny rariny.
Handrotsaka orana anie Izy Tompo,
izay hampamokatra tsara ny tany
fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.
Aleloia. Aleloia.
Tongava, ry Tompo, ary aza ela:
vahao ny fatoran’ny vahoakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 7, 19-23
Tamin’izany andro izany
niantso roa lahy tamin’ny mpianany i Joany
nalefany ho any amin’i Jesoa hanao aminy hoe:
“Ianao va no Ilay ho avy,
sa mbola hafa no handrasantsika?”
Nony tonga tany aminy ireo dia nanao hoe:
“Nirahin’i Joany Batista hankatý aminao izahay
hanontany raha Ianao no Ilay ho avy,
na mbola hafa no andrasantsika.”
Tamin’izay indrindra i Jesoa
dia nanasitrana olona maro
niferinaina tamin’ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy,
sady nampahiratra jamba maro koa,
koa izao no navaliny an’ireto iraka:
“Mandehana lazao amin’i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo:
mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa,
madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty,
torîna amin’ny mahantra ny Evanjely,
ary sambatra izay rehetra tsy ho tafintohina noho ny amiko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
02 desambra — Teraka tao Rome i Viviane, na i Bibiane ary fanta-daza tamin'ny toe-panahy kristianina sy ny fiandrianana ny fianakaviana. Flavien no rainy, préfet tao Rome izy io, ary nampidirin'i Julien tany am-ponja satria nibebaka ho kristianina. Nalefa sesitany tany Toscane izy ary maty tany.
Bokin’i Sofonia 3, 1-2. 9-13
Izao no lazain’ny Tompo:
Loza ho an’ilay miodina sy voaloto,
dia ny tanàna fampahoriana!
Tsy nisy feo nohenoiny akory,
tsy nandray anatra izy,
tsy niankina tamin’ny Tompo,
tsy nanatona an’Andriamaniny.
Fa amin’izany ny firenena homeko molotra madio
hiantsoan’izy rehetra ny Anaran’ny Tompo
sy hanompoany Azy amim-piraisan-kina.
Avy any an-dafin’ny onin’i Etiôpia
ireo mpivavaka amiko, ireo naeliko,
hitondra ny fanatitra ho Ahy.
Amin’izany andro izany,
tsy ho henatra ho anao intsony
ny asanao rehetra izay nanotànao tamiko;
satria amin’izany hoesoriko hiala eo aminao
ireo izay nifaly tamim-pireharehana;
ary ianao tsy hiavonavona intsony eo an-tendrombohitro masina.
Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray
izay hatoky ny Anaran’ny Tompo.
Ny sisa amin’i Israely dia tsy hanao ny tsy marina,
na hilaza lainga,
ary tsy hahitàna eo am-bavany intsony izay lela mandainga.
Fa hihinana sy handry fahizay izy ireo,
ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 33, 2-3. 6-7. 17-18. 19 sy 23
Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia!
Mibanjìna Azy, fa ho mirana;
ny tavanareo tsy hangaihay.
Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.
Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo;
tsy hisy ho voasazy iray mifefy aminy.
Aleloia. Aleloia.
Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy;
miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 21, 28-32
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe:
“Ahoana ny hevitrareo?
Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy,
dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe:
Andeha, anaka, miasa any an-tanim-boaloboko anio.
Hoy izy: ‘Tsy handeha aho’,
kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany.
Dia nankeo amin’ilay iray indray izy
ka nilaza toraka izany koa.
Hoy io: ‘Handeha aho, tompoko’;
kanefa tsy nandeha izy.
Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy?”
Hoy ireo:
“Ny lahimatoa”,
dia hoy i Jesoa taminy:
“Izaho milaza marina aminareo
fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga
no efa mialoha anareo ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra;
fa tonga teo aminareo
tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany,
nefa ianareo tsy nino azy;
fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy;
ary ianareo, na dia nahita izany aza,
dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin'i Izaia Mpaminany 35, 1-6a. 10
Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina,
hiravoravo ny tany lemaka lava volo,
ary hamony tahaka ny narisisa;
hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana
ary hanao hoby firavoravoana izy.
Homena azy ny voninahitr’i Libàna
mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna.
Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo,
sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.
Hatanjaho ny tanana osa,
herezo ny lohalika mangozohozo!
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:
“Makà hery fa aza matahotra.
Inty ny Andriamanitrareo;
tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra,
Tenany no ho avy, dia hamonjy anareo”.
Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba,
halady ny sofin’ny marenina.
Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa,
hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.
Ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana
ireo navotan’ny Tompo;
firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;
fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy;
fa ny sento amam-pijaliana handositra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 145, 7. 8-9a. 9bd-10
Ilay mitandrina mandrakizay ny fahamarinana
sy manome rariny izay ampahoriana,
Ilay manome sakafo ny noana,
dia ny Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitràka ny miondrika.
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena.
Tompo tia ny olo-marina,
fa ny olon-dratsy aviliviliny.
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby,
ny Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!
Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly 5, 7-10
Ry kristianina havana,
mahareta mandrapiavin’ny Tompo.
Jereo ange ny mpiasa tany,
izay manantena ny voka-tsoan’ny tany;
miandry amimpaharetana izy,
mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
Aoka àry ianareo haharitra koa;
ary ankaherezo ny fonareo,
fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo.
Aza mifampimonomonona, ry havamalala,
fandrao dia helohina ianareo.
Indro, efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara!
Aoka ny mpaminany
izay niteny tamin’ny Anaran’Andriamanitra,
ry kristianina havana, no hataonareo fakan-tahaka
amin’ny fandeferana sy ny faharetana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo:
nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 11, 2-11
Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Joany tao an-tranomaizina ny nataon’i Kristy,
dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany izy
hanao aminy hoe:
“Ianao va no Ilay ho avy,
sa mbola hafa no andrasantsika?”
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Mandehana ka lazao amin’i Joany,
izao zavatra renareo sy hitanareo izao:
mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa,
sitrana ny boka, malady ny marenina,
atsangana ny maty, torîna amin’ny malahelo ny Evanjely,
ary sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko”.
Nony lasa ireo,
dia nilaza an’i Joany tamin’ny vahoaka i Jesoa,
nanao hoe:
“Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra?
Volotara hetsiketsehin’ny rivotra va?
Sa hizaha inona no nalehanareo tany?
Lehilahy tsara fitafiana va?
Indro any an-tranon’ny mpanjaka izay tsara fitafiana.
Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany?
Moa mpaminany va?
Eny, hoy Izaho aminareo,
ary ambony noho ny mpaminany aza,
fa izy no ilay voasoratra hoe:Indro Aho
maniraka ny Anjeliko hialoha Anao
sy hamboatra ny lalanao!
Lazaiko aminareo marina tokoa
fa amin’izay natera-behivavy,
mbola tsy nisy nitsangana
izay lehibe noho i Joany Batista;
kanefa izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra
no lehibe noho izy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco