Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 2, 2-11)
Tsy azo alàn-tsiny ianao, ry olona,
na zovy na zovy ianao no mitsara,
dia tsy manan-kalahatra ianao,
fa amin’ny fitsaranao ny hafa,
dia manameloka ny tenanao koa ianao,
satria toy ny ataon’ny hafa ihany koa no ataonao mitsara.
Fantatsika anefa fa marina ny fitsaran’Andriamanitra an’izay manao toy izany;
ka moa ataonao va, ry olona,
fa ianao mitsara ny manao izany, nefa manao koa,
dia ho afa-mandositra ny fitsaran’Andriamanitra?
Sa, saingy be famindram-po sy fandeferana amam-piaretana Izy
ka dia tsy ahoanao?
Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon’Andriamanitra
dia mitaona anao hibebaka?
Fahatezeran’Andriamanitra anie no angonin’ny ditranao
sy ny fonao tsy mibebaka ho anao,
amin’ny andron’ny fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra e!
dia Ilay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:
fiainana mandrakizay moa ho an’izay maharitra manao ny tsara
ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana;
fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa
ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina,
fa mpanaraka ny ratsy.
Eny, fahoriana aman-tebiteby no ho an’izay manao ny ratsy,
dia ho an’ny Jody aloha vao ho an’ny Jentily koa;
fa haja amam-boninahitra sy fiadanana kosa
ho an’izay manao ny tsara,
dia ho an’ny Jody aloha vao ho an’ny Jentily koa,
satria Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 61, 2-3. 6-7. 9
Ao amin’Andriamanitra no iadanan’ny fanahiko.
Avy aminy tokoa no nahazoako fanavotana,
ary Izy irery ihany moa no tena vatolampiko,
sady Izy irery ihany koa no tena fanavotana.
Mijoro tsy hihontsona aho fa Izy re no rovako.
Ianao, ry fanahiko, katsaho ny fiadanana,
ao amin’Andriamanitra izay antenaiko fatratra,
ary Izy irery ihany moa no tena vatolampiko.
Sady Izy irery ihany koa no tena fanavotana,
mijoro tsy hihontsona aho;
fa Izy re no rovako.
Aminy ametrahana ny toky, ry vahoakany,
dia Izy no ilazao ny ahiahy fa itokisana.
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 42-46)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza hoe:
“Loza ho anareo, ry Farisianina,
satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo,
ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory;
nefa tsy maintsy atao izany,
ary tsy azo ajanona koa ny sisa.
Loza ho anareo, ry Farisianina,
fa tia ny toerana voalohany ao amin’ny sinagôga
sy ny arahaba eny an-kianja ianareo.
Loza ho anareo,
fa toy ny fasana tsy hita ianareo,
ka hitsahin’ny olona fa tsy fantany.”
Dia niteny ny mpampiana-dalàna anankiray
ka nanao taminy hoe:
“Ry Mpampianatra ô, raha izany no ataonao,
dia manala baraka anay koa Ianao.”
Fa hoy i Jesoa:
“Loza ho anareo koa,
ry mpampianatra ny Lalàna,
fa mampitondra entan-tsy zaka ny olona ianareo,
nefa na dia ny rantsan-tananareo iray aza
tsy akasikareo an’izany akory.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Ahiana hafampana ny zava-misy eny Ampasapito, manoloana ny hetsika samy hafa hataon'ny mpomba ny kandidà miisa 11 sy ny avy amin'ny kandidà laharana faha-3... ♦ Lany ho Filohan'ny Antenimieran-doholona ny maraina teo, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, Loholona vao notendrena farany teo... ♦ Tombanana hanorana mety arahan-kotroka ny eto amin'ny Faritra Analamanga, anio sy rahampitso...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 1, 16-25)
Ry kristianina havana,
tsy menatra ny Evanjely aho,
satria herin’Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino,
dia ny Jody aloha, vao ny jentily.
Fa ambara mazava ao aminy ny fahamarinan’Andriamanitra
avy amin’ny finoana ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe:
“Ho velona noho ny finoana ny olo-marina.”
Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra,
mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra
sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina
amin’ny tsy fahamarinany,
satria miseho miharihary ao aminy
izay mba mety ho fantatra momba an’Andriamanitra,
fa nasehon’Andriamanitra taminy izany.
Fa ny fombany tsy hita,
toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy,
dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany
ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra;
koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
fa nahalala an’Andriamanitra izy,
nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy;
fa nanjary zava-poana izy tamin’ny fisainany,
ary tonga maizina ny fony donto.
Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala,
fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lò,
dia nosoloany sarin-javatra mety lò,
toy ny olombelona,
na ny vorona,
na biby mandady tongotra efatra,
na biby mikisaka.
Noho izany,
dia navelan’Andriamanitra izy ireo
hoentin’ny filan-dratsin’ny fony ho amin’ny fahalotoana,
mba hifanala baràka amin’ny tenany
ary nosoloany lainga ny fahamarinan’Andriamanitra,
ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina
toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay. Amen!
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 18, 2-3. 4-5
Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra.
Ny asany kosa torìn’ny habakabaka.
Ny andro milaza amin’ny andro manaraka.
Ny alina indray mitantara amin’ny alina.
Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany,
tsy feo mba manako ho renesin’ny sofina:
kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.
Aleloia. Aleioia.
Araikao amin’ny Fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.
Aieloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 37-41)
Tamin’izany andro izany,
dia nisy Farisianina anankiray nanasa an’i Jesoa hisakafo ao aminy,
ka niditra Izy dia nipetraka nihinana.
Fa velona eritreritra ilay Farisianina
nahita itý Izy tsy nisasa alohan’ny fihinanana,
ka hoy ny Tompo taminy:
“Ianareo Farisianina kosa iky
mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia,
kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana.
Ry adala,
moa izay manao ny vohony tsy manao ny atiny koa?
Izao ihany:
manaova fiantrana araka izay anananareo,
dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Maro ny olana fa ireto no matetika mitranga amin'ny fiainam-panambadiana : ny fanatanterahana ny asa aman-draharaha, ny ara-bola, ny fanabeazana ny zanaka, ny tsy fahaizana miresaka na mifanakalo hevitra ary indrindra ny eo amin'ny lafiny ara-pananahana (firaisana ara-nofo, fahasarotam-piaro) ka mahatonga ny fisarahana. Na eo aza izany dia tokony tsy hiafara amin'ny fisarahana izany ny mpivady satria Sakramenta ny Mariazy ary koa mila mifampatoky ka miara-mikaroka vaha-olana am-panajàna : tsy manao teny mandratra, tsy miresaka ny lasa loatra, mila mahay mifampihaino sy manaiky ny tsy fitoviana na ny fahasamihafana, manana fijery mihabo sy tsara Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco