20 nôvambra — Teraka ny 841 tao Norbury i Edmond. Zanak'i Æthelweard tao Kent, izay taranaky ny mpanjaka saxons tao Est-Anglie izy. Teo amin'ny fahefatra ambin'ny folo taonany izy nonofidian'ny mpanjaka Æthelstan handimby azy amin'ny fitantanana ny fanjakana, noho io mpanjaka io handeha hitoka-monina any amin'ny Tany Masina, hamarana ny fiainanay amin'ny vavaka sy ny fibebahana.

19 nôvambra — Niaina tamin'ny taonjato fahenina i Tanguy. Voalaza fa ny taona 594 izy no nodimandry. Zanaka tompomenakely tamin'ny andron'ny mpanjaka Childebert I izy. Galonus de Trémazan no rainy, ary nanambady fanindroany io rainy io ka ny renikeliny no nitaiza azy mianadahy. I Haude no anaran'io anabaviny io.

♦ Manentana ny tanora hiara-dia amin'i Masina Maria ny Papa François amin'ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny tanora... ♦ Hosokafana ny 19 novambra 2022 ny taom-pikatrohana ho an'ny Sehatra Fandalinam-pinoana ho an'ny Diôsezy Antananarivo... ♦ Naneho ny fiaraha-mioriny tamin'ny fianakavian'ireo niharam-boina noho ilay asa fampihorohoroana tao Istambul ny Papa François...

Tamin’izany andro izany,
nony voafantsika teo amin’ny Hazofijaliana i Jesoa,
dia nijanona nijery teo ny vahoaka,
ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe:
“Namonjy ny sasany Izy ka aoka hamonjy ny Tenany,
raha Izy no Kristin’Andriamanitra, ilay voafidy”.
Ny miaramila koa naneso Azy,
ka nanatona nanolotra vinaingitra Azy,
ary nanao hoe:
“Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody,
vonjeo ny Tenanao”.
Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra
tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe:
“Ity no Mpanjakan’ny Jody”.
Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra
izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe:
“Raha Ianao no i Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay”.
Fa nanarin’ilay anankiray izy,
nataony hoe:
“Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra,
saingy hoe samy voaheloka ho faty izao?
Ny antsika dia rariny izao,
satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika;
fa ny Azy kosa
tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy”.
Dia hoy izy tamin’i Jesoa:
“Tompoko, tsarovy aho,
rehefa mby any amin’ny fanjakanao Ianao”.
Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Lazaiko marina aminao
fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao”.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...