01 nôvambra — Taloha dia tao aorian'ny fetin'ny Paka na ny alahady manaraka ny Pantekôty ny fankalazana ny fetin'ny Olomasina rehetra. Tamin'ny taonjato fahadimy dia ny zoman'ny Paka no nankalazana izany tany Syrie, fa ny tany Roma kosa tamin'io vanim-potoana io dia nomarihana tamin'ny alahady ao aorian'ny Pantekôty.

Manatanteraka fiofanana iraisam-pirenena ao amin'ny Ivo-toeran'ny Soeurs de la Sagesse ao Benasandratra ny Fanilon'i Madagasikara nanomboka ny 29 oktobra 2022. Miisa 22 ireo mpandray anjara ka malagasy ny 19 amin'izy ireo. "Samaritanina tsara fanahy : manao soa ho an'ny tena, ho an'ny hafa, ary amin'ny natiora", io no lohahevitra nofidian'ireo mpampiofana roa avy amin'ny CICG-Europe (Conférence Internationale Catholique du Guidisme) sy ny aomonie maneran-tany. 

♦ Nifarana ny 28 ôktôbra teo ny Visite ad limina, izay notanterahan'ireo Evekan'i Madagasikara tany Rôma... ♦ Hamasinina ho Eveka rahampitso, ny Nonce Apostolique vaovao izay voatendry hiasa eto Madagasikara, ka any Poznań, any Pologne no hanatanterahana izany... ♦ Efa manomboka ny fisoratana anarana, ho an'ireo izay hiatrika ny JMJ any Lisbone, amin'ny taona 2023...

31 ôktôbra — Romanina i Quentin ary niaina tamin'ny taonjato fahatelo. Toa an'i Masindahy Crépin sy Crépinien dia nitory ny Vaovao Mahafaly tany Gaule i Quentin. Nampita ny raki-tsarobidin'ny finoana izay noraisiny izy tamin'izany fotoana izany. Tao Amiens no tena ivon'ny fitoriana nataony.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...