13 aogositra 2023 — Alahady Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-33)

Ny votsy dia mifindra amin'ny olona iray amin'ny alalan'ny fifampikasohana, indrindra ho an'ireo manana hoditra marefo sy tsy ampy hery fiarovana ; ny sokajin-taona ankizy sy ny tanora no tena betsaka misy votsy ary mety aharitra taona vitsy no hitondra azy. Tsimok'aretina no mahatonga ny votsy izay ao anatin'ny fianakaviambe ny "papillomavirus humain". Misy karazany maro ny votsy ary mety ho hita amin'ny faritra rehetra amin'ny vatana : hoditra, aty vava, amin'ny taovam-pananahana...

♦ Hihaona amin'i Papa François ao Vatican ny filoham-pirenena Andry Rajoelina amin'ny alakamisy ho avy izao. Isan'ny nambarany tamin'ny fitsidihana any amin'ny faritra avaratry ny nosy omaly izany... ♦ Andrasana ao Antsiranana ny fahatongavan'ny afon'ny lalaon'ny nosy aty amin'ny ranomasina indiana.  Tontosa omaly tatsy amin'ny nosy Maorisy ny lanonana famindrana ny afo ho an'i Madagasikara... ♦ Velon-taraina amin'ny haratsian'ny lalana amin'ireo kaominina miisa 5 amin'ny ilan'ny atsinanan'ny distrikan'Antsirabe-II ny tantsaha sy ny mpandraharaha ary ny mpitatitra ny vokatra amin'ireo kaominina ireo... ♦ Tsy eken'ny rosiana tanteraka ny fikasan'ny CEDEAO hampiasa hery amin'i Niger...

♦ Hotanterahana ny 29 hatramin'ny 31 aogositra izao ny fihaonambe karakarain'ny FFKM. Miantso an'ireo hery velona samihafa handray anjara amin'izany ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana ho avy ny Antoko UNDD araka ny nambaran'izy ireo saingy hiara-hiasa amin'ny Antoko hafa kosa amin'ny fanohanana sy ny fanolorana olona amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena... ♦ Niabo ny voka-bary tohanan'ny PAPRIZ fahatelo nandritra ny taom-pambolena farany teo. Maherin'ny 5 taonina isaky ny Hektara ny salan'isan'ny vokatra niakatra ho an'ireo faritra 11 teo aloha iasan'ny tetik'asa... 

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...