24 ôktôbra — I Antoine-Marie Claret dia teraka ny 23 desambra 1807 tao Sallent, diôsezin'i Vic ao Catalogne. Zaza fahadimy amin'ny zaza iraika ambin'ny folo izy. Mpanenona no asan'i Jean Claret, rainy ary i Joséphine no anaran-dreniny.
23 ôktôbra — Teraka tao Naples, tao Aquila, Capistran, ny 24 jona 1386 i Jean. Tompomenakely ny rainy. Mbola kely izy no maty io rainy io ka ny reniny no nanome azy ny fanabeazana fototra. Avy eo nalefa tany Pérouse nandritra ny folo taona izy, nandalina ny lalana sy ny lalan'ny Fiangonana.
Manatanteraka fitsidihana-fivahiniana masina antsoina amin'ny teny mahazatra hoe : "Visite ad limina"- ny Fivondronam-ben'ny Evekan'i Madagasikara. Any amin'ny Bazilikan'ny apostoly ao Roma, ary isaky ny dimy ny taona no anatanterahana izany. Mivavaka, mihaona sy mitafa amin'ny Ray masina ary mitsidika ireo sampan-draharaha samihafa ao Vatican no ataon'izy ireo mba hikatsaka ny soa ho an'ny fiainan'ny Eglizy sy ny vahoakan'Andriamanitra. Fandaharana iarahana amin'i P Jean Séraphin Rafanomezantsoa, Secrétaire de coordination, Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara
22 ôktôbra — Teraka ny 18 mey 1920 tao Wadowice tao Cracovie, Pologne i Karol Józef Wojtyła. Zanaka lahy faharoa an'i Emilia Kaczorowska sy i Karol Wojtyła izy. Ny 20 jolay 1920 no natao batemy i Karol Józef Wojtyła. Teo amin'ny fahasivy taonany izy no nandray ny Kômonio voalohany ary teo amin'ny fahafito ambin'ny folo taonany no nandray ny Fankaherezana.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco