27 ôktôbra — Vehivavy masina niditra ho relijiozy tao amin'ny fikambanana Cistercien tao Boulancourt tao amin'ny diôsezin'i Troyes tany Champagne i Émeline. Tany amin'ny taonjato faharoa ambin'ny folo tany izy no niaina. Io trano fitokana-monina io dia fanta-daza tokoa tamin'izany fotoana izany.
26 ôktôbra — Avy any antioche i Evariste, ary jody ny rainy. Tsy dia fantatra loatra ny fotoana nibebahany ho kristianina, sy ny hoe ahoana no nahatongavany tao Roma. Ny fantatra dia hoe pretra izy, ary nanohana ny mpino krisitianina tamin'ny oha-piainana sy ny fitiava-namana ary torolalana samihafa.
25 ôktôbra — Teraka tao Egypte i Chrysanthe. Sénateur romanina nantsoina hoe Polémius ny rainy, tamin'ny fotoana nanjakan'ny amperora Numérien. Mbola kely i Chrysanthe dia efa niaraka tamin'ny rainy nitety an'i Roma tamin'izany asany izany ; ary tamin'izany no efa nahitan'ny olona ny faharanitan-tsain'i Chrysanthe.
♦ Natomboky ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny fitsidihana ny sampan-draharaha misahana ny fiainan'ny Eglizy maneran-tany, ny Viste ad limina, ny 24 ôktôbra 2022... ♦ Notanterahana tany amin'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ny fanakalazana ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny fampielezana ny finoana eto Madagasikara ny 22 sy ny 23 ôktôbra 2022... ♦ Nosokafan'ny Papa François tamin'ny fomba ôfisialy ny alahady 23 ôktôbra 2022 ny fisoratana anarana amin'ny fandraisana anjara amin'ny JMJ Lisbonne 2023...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco