♦ Olona miisa 11 farafahakeliny no naratra omaly, nandritra ny hetsika fidinana an-dalambe nataon'ireo kandidà 11, nikasa hanao fihetsiketsehana teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey. Olona roa no nosamborin'ny mpitandro ny filaminana, ankoatra izay... ♦ Mbola hanohy ny hetsi-pitakiana ny vondron'ireo kandidà 11 anio, tao aorian'ny fidinana an-dalambe teny Ambohidahy sy Analakely omaly. Mbola nanamafy izy ireo fa tsy ho rava ny firaisan-kina hitakiana ny fahamarinana eto amin'ny firenena...
Ny singa fototra ilain'ny soa iombonana dia ny fanajana sy ny fampahalalana ny zo fototra maha-olona. Miteraka zo sy adidy mikasika ny taranak'olombelona tontolo ny soa iombonana. Isaky ny fitambaran'olona dia tsy maintsy mitsimbina ny zavatra ilaina sy ny faniriana ara-drariny eo amin'ny fitambaran'ny olona hafa. Ambony noho ny zavatra ny maha-olona izay miorina amin'ny fanajana ny zo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
3 ôktôbra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 51-56)
♦ Tsy tafiditra an'Analakely ny vondron'ireo kandidà miisa 11, nosakanan'ny mpitandro ny filaminana teo Ambohidahy, izy ireo... ♦ Nitrangan'ny savorovoro tany an-tampon-tananan'i Vohipeno androany... ♦ Mitohy ny tolona ataon'ny SECES sampana Antananarivo, izay no tapak'izy ireo nandritra ny fivoriambe natao teny Ankatso...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco