Ny fianakaviana no singa fototra fiandohan'ny fiaraha-monina ; raha tianao  ho mendrika ny fiaraha-monina dia andeha hoamafisina ny soatoavina ara-môraly ; raha tianao hivoatra ny fiaraha-monina dia andeha ampiana ny ankohonana hikatsaka ny fivoarana ara-pivelomana ; raha tiana hiorina ny fahafahana, fandriam-pahalemana ary ny fihavanana dia andeha hamafisina ny fifandraisan'ny ankohonana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

30 septambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 44b-45)

♦ Nobahanan'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny antoandro teo, tsy hiditra teny amin'ny Lapan'ny Fanatanjahan-tena Mahamasina, ny vondron'ny kandidà nikasa hihaona tamin'ny tompon'andraikitry ny Lapan'ny Fanatanjahan-tena... ♦ Antoko 13 ao anatin'ny Armada no niara-nanao fanambarana androany, fa ny fanajana ny voalazan'ny Lalàm-panorenana ihany no làlan-tokana hizorana, dia ny fanatanterahana ny fifidianana, ka manameloka ny fitadiavana savorovoro pôlitika eto Madagasikara, izy ireo...

♦ Fo mirehidrehitra anaty; tongotra am-pandehanana; io no hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny Misiôna, ny taona 2023... ♦ Notendrena tamin'ny talata 26 septambra 2023, ny Vikera Jeneraly ho an'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Niompana tanteraka tamin'ny fitsidihana apôstôlika faha-44 nataony tany Marseille, ny fampianaran'ny Papa François, ny alarobia lasa teo...

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...