♦ Havan'ny mahantra, io no iantsoana an'i Masindahy Artemide Zatti, Salezianina hasandratra ho olomasina, amin'ny alahady 9 ôktôbra 2022... ♦ Nanatontosa ny fanokafana amin'ny fomba ôfisialy ny taom-pikatrohana 2022-2023, ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katôlika ao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nandefa hafatra fiaraha-miory noho ny loza nitranga ny alakamisy teo, nahafatesana olona 36 tao amin'ny akanin-jaza tao Thaïlande, ny Papa François...
07 ôktôbra — Efa hatramin'ny taona 1547 no nankalazaina tany Espagne ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Raozery isaky ny alahady fahatelo amin'ny volana aprily. Ny papa Pie V kosa ny taona 1572 no nanambara fa fankalazana ny fetin'i Notre-Dame de la Victoire ny alahady voalohany amin'ny volana ôktôbra ho fisaorana sy fankasitra noho ny fandresena tao Lépante.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco