Ny soa iombonana dia iray tsy mivaky. Toe-tsaina tokony ho fongorantsika hatramin'ny fakany ny fitiavan-tena, ny tsy fahaizana mizara ny soa amin'ny hafa. Endriky ny tsy fahavononana hikatsaka ny soa iombonana io fitiavan-tena io. Samy nomen'Andriamanitra talenta avokoa ny isam-batan'olona, talenta tsy natao ho tehirizina fotsiny fa natao ho zaraina amin'ny hafa. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
19 ôktôbra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 47-54)
♦ Mandeha ny feo fa misy andiana Solombavam-bahoaka, mikasa hanongana ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena amin'ny toerany, noho ny hevitra hijoroany manoloana ny raharaham-pirenena... ♦ Nitanisa ireo ampihimamba, fahantrana, fiakaran'ny vidim-piainana mianjady amin'ny vahoaka, ireo kandidà 11 androany, nandritra ny lahateny teny Mahamasina... ♦ Mandrahona ny tsy hanohy ny asa sy hampikatso ny fampandehanan-draharaham-panjakana, ny vondron'ny mpiasam-panjakana ambony, tamin'ny fanambarany androany...
♦ Tsy nanafina ny ahiahiny amin'ny endrika fitsabahana ataon'ireo vahiny ny governemanta ifarimbonana raha nitondra valin-kafatra tamin'ny fanambarana nataon'izy ireo ny alatsinainy teo... ♦ Nametraka fitoriana manolohana ny herisetra niteraka faharatrana sy fahasimbana fitaovana teny Andavamamba omaly ny vondron'ireo kandidà ho filoham-pirenena miisa 11... ♦ Tsy ekena kosa ny fanirahan'olona hanao fihantsiana satria mety hitarika hatrany amin'ny ady an-trano izany hoy ny solombavambahoaka Rahasimanana Paulbert na i Rossy... ♦ Voadaroka baomba ny sekoly iray hitobian'ireo mpialokaloka mitsoaka amin'ny ady ao amin'ny faritry Gaza. Miisa 6 farafahakeliny ireo olona maty...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco