26 jolay — Ray aman-drenin’i Masina Maria ireto olomasina resahana androany ireto. Ho an’ny tandrefana dia ny 26 jolay no fahatsiarovana azy fa ny tatsinanana kosa dia matsiaro azy ireo ny 09 septambra. Ny Evanjely apokrifa an’i Masindahy Jacques no ahitana ny tantaran’ireo.
♦ Nankalaza ny faha-75 taona nanandratana ho amin'ny laharan'ny olomasina an'i Masindahy Louis Marie Gignon de Montfort ny Fikambanana Montfortain, miasa any amin'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Nofaranana omaly ny fankalazana ny faha-50 taona niorenan'ny CEPAL... ♦ Nigadona tao Edmonton, Canada, omaly alahady 24 jolay 2022 ny fiaramanadina nitondra ny Papa François...
25 jolay — I Jakôba na Jacques Zokiny dia zanak’i Zebede sy i Salome, rahalahin’i Joany evanjelista. Nantsoina hoe zokiny izy mba hanavahana azy amin’ilay apôstôly mitovy anarana aminy. Eveka tao Jerosalema izy. Avy any Galilea i Jacques ary zokin’i Jesoa roa ambin’ny folo taona.
24 jolay — I Masindahy Charbel na Youssef Antun Makhlouf dia teraka ny tamin’ny 08 mey 1828 tao Bekaa Kafra tao Liban avaratra. Mpitoka-monina maronite izy io, libanais izany. Nobeazina tao amin’ny fitiava-bavaka, ary izay no nahatonga azy hirona amin’ny fiainam-bavaka ihany koa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco