Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe: "Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela. Ry mpitari-dalana jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo! Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo, nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahonònana. Ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia mba ho madio koa ny vohony."

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: "Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?" Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany ary hoy Izy: "Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory. Koa amin’izany, na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako, dia mandray Ahy koa. Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra. Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia anankiray amin’ireo madinika ireo aza."

04 aogositra — I Masindahy Jean-Marie Vianney dia teraka tao Dardilly akaikin’i Lyon, tamin’ny 08 mey 1786. Jean-Marie Baptiste Vianney moa no tena anarany ary fantatsika amin’ny hoe Curé d’Ars izy, noho izy nitondra ny fiangonana nandritra ny 41 taona tao Ars-en-Dombes, lasa Ars-sur-Formans ankehitriny.

03 aogositra — Niaina tany amin’ny taonjato voalohany i Lydie avy any Grèce, Asie izy ary nitoetra tao Phillipie. Tao amin’ny seranana atao hoe Égée no nivaro-damba sy nivaro-jaky, ary teo no nifankahitany tamin’i Masindahy Paoly sy i Masindahy Lioka ary i Silasy araka ny voalazan’ny Asan’ny Apôstôly 16, 14-15.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...