23 jolay — Teraka tao Finsta tamin’ny taona 1303 i Masimbavy Brigitte akaikin’i Uppland moa no misy an’izany toerana izany. Zanaky ny governora ao amin’ny faritr’i Uppland izy. Teo amin’ny faha-14 taonany izy no nanambady an’i Ulf Gudmarson, andriana izy io, izay niterahany valo mianadahy.
♦ Diakra efatra miarahalahy avy amin'ny Fikambanana Karma no nohamasinina ho pretra tao amin'ny Diôsezin'i Moramanga, ny 17 jolay 2022... ♦ Hotsofin-drano ny alahady 24 jolay 2022 ny tsangambaton'ny taom-bolamenan'ny CEPAL... ♦ Niantso ny rehetra hihaino ny feon'ny voahary ny Papa François amin'ny Andro eran-tany hivavahana ho fiarovana ny voahary...
22 jolay — Niaina tamin’ny taonjato voalohany i Marie Madeleine rahavavin’i Marthe, anabavin’i Lazare izy. Nanan-katao tokoa ny ray aman-dreniny ary nandova trano be tao Magdala tao Galilée izy ireo. Izany no nahatonga ny anaram-bositr’i Marie hoe Madeleine izany hoe avy ao Magdala.
Ny fahatokisan-tena no manala ny sakana anaty, ity farany ity, izay mitondra any amin'ny tsy fandrosoana mihitsy ho an'ny olona. Ny tsy fahatokisan-tena dia azo lazaina ho manapotika ny fiainana mihitsy. Fandaharana "Mba ho vanona" momba ny fahatokisan-tena, iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco