19 nôvambra — Niaina tamin'ny taonjato fahenina i Tanguy. Voalaza fa ny taona 594 izy no nodimandry. Zanaka tompomenakely tamin'ny andron'ny mpanjaka Childebert I izy. Galonus de Trémazan no rainy, ary nanambady fanindroany io rainy io ka ny renikeliny no nitaiza azy mianadahy. I Haude no anaran'io anabaviny io.

♦ Manentana ny tanora hiara-dia amin'i Masina Maria ny Papa François amin'ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny tanora... ♦ Hosokafana ny 19 novambra 2022 ny taom-pikatrohana ho an'ny Sehatra Fandalinam-pinoana ho an'ny Diôsezy Antananarivo... ♦ Naneho ny fiaraha-mioriny tamin'ny fianakavian'ireo niharam-boina noho ilay asa fampihorohoroana tao Istambul ny Papa François...

Tamin’izany andro izany,
nony voafantsika teo amin’ny Hazofijaliana i Jesoa,
dia nijanona nijery teo ny vahoaka,
ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe:
“Namonjy ny sasany Izy ka aoka hamonjy ny Tenany,
raha Izy no Kristin’Andriamanitra, ilay voafidy”.
Ny miaramila koa naneso Azy,
ka nanatona nanolotra vinaingitra Azy,
ary nanao hoe:
“Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody,
vonjeo ny Tenanao”.
Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra
tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe:
“Ity no Mpanjakan’ny Jody”.
Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra
izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe:
“Raha Ianao no i Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay”.
Fa nanarin’ilay anankiray izy,
nataony hoe:
“Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra,
saingy hoe samy voaheloka ho faty izao?
Ny antsika dia rariny izao,
satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika;
fa ny Azy kosa
tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy”.
Dia hoy izy tamin’i Jesoa:
“Tompoko, tsarovy aho,
rehefa mby any amin’ny fanjakanao Ianao”.
Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Lazaiko marina aminao
fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao”.

18 nôvambra — Teraka ny taona 880 tao Maine i Odon. Andriana ny fianakaviany, ary nalefa tany Anjou sy Aquitaine izy mba hianatra momba ny tafiky ny mpitaingin-tsoavaly. Nanohy fianrana tany Paris izy, ka isan'ny nampianatra azy i Rémi, evekan'i Auxerre. Nandalina ny fitsipi-pitenenana sy ny fombam-pivavahana tao Tours ihany koa i Odon.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...