Ny fiainana eto an-tany, ny fisiana dia misy dikany sy heviny lehibe, indrindra eo amin'ny maha kristiana ka tokony ho fantarina sy tanterahana. Araka ny voasoratra ao amin'ny Jenezy "... ho mpitandrina, mpitantana ny voahary tontolo ianareo, ho tompon'andraikitra eo amin'ireo izay noharin'Andriamanitra". Ny kristiana dia manray anjara amin'ny fandavorariana izao tontolo izao... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
16 jolay 2023 — Alahady Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-23)
Ny aretina "mycoses" dia misy mandavan-taona, indrindra amin'ny vanim-potoana fahavaratra satria mafana no misy hamandoana mandritra iny fotoana iny. Mety ho tratran'ity aretina ity daholo ny sokajin-taona rehetra. Mety miverim-berina. Mifindra amin'ny olona samy olona amin'ny alalan'ny fifampikasoana na fampiasana ireo zavatra iombonana. Ny olona mety handairany kokoa : olona malemy hoditra, ireo manana olana amin'ny fikorinan'ny ra... Ireo karazana mycoses : bucales ao anaty vava, vaginales/génitales amin'ny taovam-pananahana, cutanées eny amin'ny hoditra. Fambara : Mangidihidy, mamaivay, manaintaina...
♦ Mizarazara ny hevitr'ireo mpanao pôlitika eo am-piandrasana ny resaka hataon'ny Filohan'ny repoblika Rajoelina Andry, rahampitso... ♦ Tsy azo terena hanao asa tsy sitraky ny fony ny mpandraharaha na mpiasam-panjakana hoy ny sendika Seces sampana Anananarivo. Ny asa mifandraika amin'ny fanomanana sy fiomanan'ireo mpianatra hanao tezy ihany no azo anerena azy ireo... ♦ Niantso ireo mpiasan'ny CNaPs mba hiverina hiasa tamin'ny alalan'ny naoty ny Filan-kevi-pitantanana... ♦ Tafakatra 289 ireo ankizy maty mandritra ny fiampitàna ny ranomasina Méditeranée, araka ny tatitry ny UNICEF...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco