♦ Tsy hanova ny tanjona efa napetraky ny CENI amin'ny fikarakarana ny fifidianana, ny fihenan'ny vola hampiasaina... ♦ Ho entina amin'ny Fihaonambe Nasiônalin'ny FFKM, izay hatao eto Antananarivo, ireo angon-kevitra voarainy avy amin'ireo mpisehatra pôlitika... ♦ Nilaza ireo mpiasan'ny CNaPS androany, fa misy tsindry amin'ny fanendrena izay ho Tale Jeneraly vaovao. Hikatona ny CNaPS manerana ny nosy rahampitso alakamisy...
Boky Eksaody (Eks. 12, 37-42)
Tamin’izany andro izany,
niala tao Ramsesa ny zanak’i Israely dia nankany Sokôta;
sahabo ho enina hetsy izy no olona nandeha tongotra afa-tsy ny ankizy.
Nisy koa olona be dia be, samihafa karazana, niara-niakatra taminy,
mbamin’ny andian’ondry aman’omby maro be.
Nandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta;
fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta
ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory.
Telopolo sy efajato taona no nitoeran’ny zanak’i Israely tany Ejipta;
ary rahefa afaka ny telopolo sy efajato taona, iny andro iny indrindra,
dia nivoaka niala tamin’ny tany Ejipta ny tafiky ny Tompo rehetra.
Alina niaretan-tory ho an’ny Tompo ilay alina namoahany azy tamin’ny tany Ejipta,
ka izany alina izany dia ho alina fiaretan-tory hankalazana ny Tompo,
ho an’ny zanak’i Israely rehetra isan-taranany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 135, 1 sy 23-24. 10-12. 13-15
Isaory ny Tompo fa tsara!
Eny! mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nahatsiaro antsika nijaly,
eny, mandrakizay ny hatsaram-pony,
sy nisarika antsika tamin’ny mpampahory!
Eny! mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nikapoka an’i Ejipta: dia ny Lahimatoany!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Sy namoaka an’i Israely teo aminy;
eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
tamin’ny tana-mahery sy sandry mihinjitra!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nanilaka roa ny riakan-jozoro;
eny, mandrakizay ny famindram-pony!
nampandalo an’i Israely teo anivony;
eny, mandrakizay ny famindram-pony!
nanipy an’i Faraôna sy ny tafiny tao!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanasitrana lehilahy iray tamin’ny andro sabata.
Ka lasa nivoaka ny Farisianina
ary niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy.
Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo.
Maro ny vahoaka nanaraka Azy,
ka nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny;
nefa noraràny izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy,
mba ho tanteraka ny tenin’i Izaia mpaminany hoe:
Indro ny Mpanompoko izay nofidìko,
dia ilay malalako izay ankasitrahan’ny foko indrindra;
hapetrako ao aminy ny Fanahiko,
ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy.
Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy,
ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana;
tsy hanapaka ny volotara vaky izy,
na hamono ny lahin-jiro manetona,
ambarapamoakany ny rariny ho mpandresy;
ary ny Jentily hitoky amin’ny anarany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 11, 10 — 12, 14)
Tamin’izany andro izany,
dia nanao fahagagana maro teo anatrehan’i Faraôna i Môizy sy i Aarona,
fa nohamafisin’ny Tompo ny fon’i Faraôna,
ka tsy navelany hiala amin’ny taniny ny zanak’i Israely.
Dia izao no nolazain’ny Tompo tamin’i Môizy sy i Aarôna
tany amin’ny tany Ejipta:
“Ity volana ity no aoka ho fiandoham-bolana ho anareo,
dia ho voaloham-bolana amin’ny taona izany ho anareo.
Ary mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra, ataovy hoe:‘Amin’ny andro fahafolon’ity volana ity,
samia ianareo maka zanak’ondry iray avy isain-pianakaviana,
zanak’ondry iray isan-trano.
Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray,
dia hikambanany amin’izay namany akaiky azy indrindra izy
arakaraka ny isan’ny olona,
fa araka izay tokony hohanin’ny olona iray no hanisanareo ny olona
hihinana an’io zanak’ondry io.
Dia ho zanak’ondry tsy misy kilema sady lahy ary efa herintaona;
ny halainareo dia zanak’ondry na zanak’osy.
Dia hotananareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’io volana io,
vao samy hamono azy ny fiangonan’i Israely rehetra
amin’ilay àty takariva iny.
Hangalàna ny rany hatentina amin’ny tolàna roa
sy ny tataom-baravaran’ny trano hihinanana azy;
ary hohanina amin’io alina io ihany ny nofony.
Voatsatsika amin’ny afo no hihinanana azy
miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy.
Tsy hisy haninareo manta na masa-drano aminy,
fa atsatsika amin’ny afo daholo mbamin’ny lohany, ny tongony, ny tsinainy.
Aza avela hisy tra-maraina, fa raha misy tsy lany dia dory.
Ary toy izao no hihinananareo azy:
ny andilana voasikina,
ny tongotra voaisy kapa;
ny tanana mitan-tehina,
ny fihinanana azy atao faingana.
Pakan’ny Tompo izany.’Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io alina io,
ka ny lahimatoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko,
hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby,
ary hisy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra:
fa Izaho no Tompo.
Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo;
ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo,
ka tsy hisy loza hahafaty anareo,
rahefa hamely ny tany Ejipta Aho.
Hataonareo tsy very tadidy izany andro izany,
fa hankalazainareo amin’ny fety hiderana ny Tompo,
hankalazainareo amin’ny taranakareo mifandimby,
ho zava-nalahatra haharitra mandrakizay.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 115, 12-13. 15-16. 17-18
Koa inona no havaliko ny Tompo
fa maro dia maro ny soa nataony?
Halaiko ny kalisim-pamonjena,
hantsoiko ny Anaran’ny Tompontsika.
Tsy zakan’ny Tompo tokoa anie ny hoe hahafaty izay mino Azy.
Ry Tompo ô, satria aho mpanomponao fa zanaka mpanompovavinao,
dia indro ny gadrako esorinao.
Hanatitra sorom-pisaorana aho
hiantsoako amy foko ny Anaranao,
efaiko ny voadiko taminao,
efaiko anatrehan’ny firenena.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalàna aho, ry Tompo,
hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 1-8)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namaky ny tanimbary tamin’ny andro sabata,
ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana;
fa nony nahita izany ny Farisianina,
dia nilaza taminy hoe:
“Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin’ny andro sabata.”
Ary hoy Izy taminy:
“Moa tsy novakìnareo va izay nataon’i Davida
raha noana izy sy izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy,
ka nihinana ny mofo alahatra,
kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy,
afa-tsy ny mpisorona ihany?
Sa tsy novakìnareo ao amin’ny lalàna va
fa amin’ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin’ny tempoly,
kanefa tsy meloka izy?
Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
Raha fantatrareo manko ny hevitry ny teny hoe:
Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona,
dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo;
satria tompon’ny sabata aza ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Noferana ho 200 tapitrisa Ariary ny saram-pandraisana anjaran'ny kandidà tsirairay amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena na ilay "cautionnement" amin'ny fanontana ny bileta tokana hampiasaina amin'ny fifidianana... ♦ Efa tena misokatra tanteraka ankehitriny ny fizahan-tany any Nosy-be Hell-ville, na ny antsoina hoe "haute saison touristique". Ankoatry ny zava-boahary dia manintona ny mpizaha-tany ho any an-toerana ireo hetsika ara-kolotsaina... ♦ Tsy tokony hagaga ny nampidirana amponja vonjimaika ilay vadin-tany tany Mahajanga hoy ny Ministry ny Fitsaràna satria toy ny olom-pirenena rehetra izy ka tsy misy ambonin'ny lalàna...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco