Boky Eksaody Eks. (1, 8-14. 22)
Tamin’izany andro izany, nisy mpanjaka vaovao,
tsy nahalala an’i Jôsefa, nanjaka tany Ejipta.
Hoy izy tamin’ny vahoakany:
“Tonga vahoaka be sy mahery noho isika ireto ny zanak’i Israely.
Ka andeha ataovy izay hiarovantsika tena aminy, fandrao mitombo izy;
ary raha misy ady tonga tampoka,
dia hikambana amin’ny fahavalo hamely antsika izy,
dia hivoaka hiala amin’ny tany.”
Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an’i Israely izy,
mba hamoritra azy amin’ny asa mafy;
izany no nahavitana tanàna natao fitahirizan-javatra ho an’i Faraôna,
dia Pitaoma sy Ramsesa.
Kanjo, araka ny namoretana azy vao mainka nitomboany sy nihamaroany kosa,
ka tonga nankahalain’ny olona ny zanak’i Israely.
Nampiasain’ny Ejipsianina an-tery vozona ny zanak’i Israely
nampangidìny ny fiainan’izy ireo tamin’ny asa mafy dia mafy,
dia tamin’ny feta, biriky, asa an-tsaha isan-karazany rehetra,
izay asa nanereny azy tamin-kalozàna.
Ary i Faraôna nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:
“Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra
fa ny zazavavy avelao ho velona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 123, 1-3. 4-6. 7-8
Raha tsy ny Tompo no nomba antsika,
lazao re, ry Israely!
Raha tsy ny Tompo no nomba antsika, tamin’ilay niantsapazan’ireny,
dia ho nateliny velona isika, fa nirehitra loatra ny havinirany.
Ho nadifotry ny rano isika;
ho nosaforan’ny riaka ny fanahintsika!
Eny, ny fanahintsika ho nosaforan’ny rano misamboaravoara!
Isaorana ny Tompo tsy nahafoy horotehin’ny vangin’ireny.
Toy ny fody afa-pandrika harato isika:
rovitra ny harato, ka afaka isika!
Ny fitahiana antsika dia ny Anaran’ny Tompo,
Ilay nanao ny lanitra sy ny tany!
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko
ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 34 — 11, 1)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe:
“Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eto an-tany Aho;
tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra;
fa tonga Aho hampisaraka ny zanakalahy amin’ny rainy,
sy ny zanakavavy amin’ny reniny,
ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy;
ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.
Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy;
ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy.
Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy, dia tsy mendrika Ahy.
Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy,
fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy.
Izay mandray anareo, mandray Ahy;
ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy.
Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany,
dia hahazo ny valisoan’ny mpaminany;
ary izay mandray olo-marina, noho izy olo-marina,
dia hahazo ny valisoan’ny olo-marina;
ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza
hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.”
Ary rahefa tapitra ny fampianarana nomen’i Jesoa an’ireo mpianany roa ambin’ny folo lahy ireo,
dia niala teo Izy,
ka nandeha nampianatra sy nitory teny tamin’ny tanàna manodidina rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hanatanteraka fifidianana filoham-pirenena fiodinana voalohany ny vahoaka Malagasy amin'ny 9 novambra 2023 izao, ary ny 20 desambra ny fiodinana faharoa... ♦ Hivoaka amin'ny fahanginany ny filoham-pirenena Malagasy, raha efa am-bolana maromaro izay no tsy nanao fandaharana manokana, namaly ireo resa-be isan-karazany voizina eny anivon'ny fiaraha-monina tato ho ato... ♦ Mampifanantona ny fiaraha-monina sy ny siansa momba ny karazan-java-manan'aina ny tetik'asa Varuna SD. Ampirantiana eny amin'ny UFM eny Analakely nanomboka omaly, ny momba izany...
Araka ny fampianaran'ny Eglizy, ny kristiana dia olona manana ny hasina sy ny fahamendrehany ary ny fahafahany tanteraka. Hoy ny konsily vatikana II " ilay endrik'Andriamanitra araka ny nahariana azy no fototry ny fahafahana sy fahamendrehana ho an'ny olombelona tsirairay. Tsy misaraka amin'Andriamanitra ny fiainantsika olombelona, tonga teto an-tany isika dia noho Izy. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
12 jolay 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 1-7)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco