Boky Eksaody (Eks. 3, 13-20)
Tamin’izany andro izany,
i Môizy dia nahare ny feon’Andriamanitra avy tao amin’ny zava-maniry milobolobo,
ka hoy izy taminy:
“Izao àry dia ho any amin’ny zanak’i Israely aho,
ka hilaza aminy hoe:‘Irahin’ny Andriamanitry ny razanareo aho ho aty aminareo.’
Raha manontany izay anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo?”
Hoy Andriamanitra tamin’i Môizy:
“Izaho no Ilay Misy.
Izany, hoy Izy, no havalinao ny zanak’i Israely:
Ilay Misy no naniraka ahy ho atý aminareo.”
Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Môizy:
“Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe:
‘Ny Tompo Andriamanitry ny razanareo,
dia ny Andriamanitr’i Abrahama,
Andriamanitr’i Isaaka,
Andriamanitr’i Jakôba,
no maniraka ahy ho atý aminareo.’Fa izany no Anarako mandrakizay;
izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.
Mandehàna, vorio ny loholon’i Israely, ka lazao aminy hoe:‘Niseho tamiko ny Tompo Andriamanitry ny razanareo,
dia ny Andriamanitr’i Abrahama,
sy i Isaaka ary i Jakôba, nanao hoe:
Namangy anareo Aho,
ary nahita ny anaovan’ny olona anareo any Ejipta.
Ka hoy Aho:
Hoentiko ianareo hiakatra avy any Ejipta, izay hamoretana anareo,
ho any amin’ny tanin’ny Kananeana, ny Heteana, ny Amôreana, ny Ferezeana, ny Heveana, ary ny Jebôseana,
any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely.’Fa hihaino ny teninao izy ireo;
dia handeha ianao sy ny loholon’i Israely ho any amin’ny mpanjakan’i Ejipta,
ka hanao aminy hoe:‘Niseho taminay ny Tompo, Ilay Andriamanitry ny Hebrio.
Koa amin’izao, avelao izahay handeha lalan-kateloana any an’efitra
hanolotra sorona amin’ny Tompo Andriamanitray.’Fantatro ihany fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta,
raha tsy amin’ny tanana mahery;
nefa haninjitra ny tanako Aho hamely an’i Ejipta
amin’ny fahagagana isan-karazany hataoko eo aminy,
ka havelany handeha ianareo rahefa afaka izany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 104, 1 sy 5. 8-9. 24-25. 26-27
Derao ny Tompo! Antsoy ny Anarany!
Ampahafantaro ny vahoaka ny asany ambony!
Tsarovy ny asa mahagaga nataony,
ny asany mahatalanjona, ny fitsaran’ny vavany.
Tsaroany mandrakizay ny fanekeny:
dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo:
ilay niantorahany tamin’i Abrahama,
sy nianianany tamin’i Isaaka.
Nohamaroiny fatratra ny Vahoakany,
sy nataony mahery noho ny rafiny.
Ny fon’ireto novàny hankahala ny Vahoakany,
sy hamely am-pitaka an’ireo mpanompony.
Kanjo nalefany i Môizy mpanompony, sy i Aarôna ilay voafidiny.
Ireo no nametrahany ny Famantarany tany an’efitra,
sy ny fahagagany tany amin’ny tanin’i Kama.
Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo,
izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 28-30)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao hoe:
“Mankanesa aty amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana
fa hanamaivana anareo Aho.
Ento ny jiogako,
ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho,
dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
fa mora entina ny jiogako ary maivana ny hazofijaliako.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 3, 1-6. 9-12)
Tamin’izany andro izany,
niandry ny biby fiompin’i Jetrao, rafozany,
mpisorona tao Madiàna, i Môizy.
Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby,
ka tonga tany amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, tany Hôreba izy.
Ny Anjelin’ny Tompo niseho taminy, amin’ny endriky ny lelafo,
teo afovoan’ny zavamaniry milobolobo.
Hitan’i Môizy fa indro nirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo,
nefa tsy levona.
Ka hoy i Môizy:
“Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io,
sy hizaha izay tsy mahalevona ny zava-maniry milobolobo.”
Hitan’ny Tompo fa niolaka hijery izy,
dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo,
nanao hoe:
“Ry Môizy! Ry Môizy!”
Ka hoy ny navaliny:
“Inty aho!”
Dia hoy Andriamanitra:
“Aza manakaiky eto;
esory ny kapa amin’ny tongotrao, fa tany masina io.”
Ary hoy koa Izy:
“Izaho no Andriamanitry ny rainao,
Andriamanitr’i Abrahama,
Andriamanitr’i Isaaka
ary Andriamanitr’i Jakôba.”
Nosaronan’i Môizy ny tavany,
fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra izy.
Hoy indray ny Tompo:
“Ankehitriny,
indro tafasondrotra hatratý amiko ny fitarainan’ny zanak’i Israely,
ary efa hitako ny fahoriana atambesatry ny Ejipsianina amin’izy ireo.
Koa handeha ianao amin’izao,
irahiko ho any amin’i Faraôna,
hitondranao mivoaka ny zanak’i Israely vahoakako.”
Fa hoy i Môizy tamin’Andriamanitra:
“Zinona moa aho no hankany amin’i Faraôna
sy hitondra ny zanak’i Israely hivoaka avy any Ejipta?”
Dia hoy Andriamanitra:
“Homba anao Aho;
ary izao no famantarana fa Izaho no naniraka anao:
Rahefa tafavoakanao an’i Ejipta ny vahoaka,
dia hanompo an’Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 102, 1-2. 3-4. 6-7
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa azo avy aminy.
Izy Ilay mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny lavaka,
manototra hatsaram-po sy indrafo anao!
Mpanome rariny ny Tompo,
omeny hitsiny izay ampahoriana rehetra.
Nampahafantatra ny Lalany an’i Môizy Izy,
sy ny asany vaventy ny Zanak’i Israely.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-27)
Tamin’izany andro izany, niteny i Jesoa nanao hoe:
“Misaotra Anao Aho, Raiko,
Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao,
ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.
Eny, misaotra Anao Aho, Raiko,
fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray;
ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 2, 1-15a)
Tamin’izany andro izany, nisy lehilahy anankiray, fokon’i Levi,
lasa naka ho vadiny ny zanakavavin’i Levi anankiray.
Ary tonga bevohoka ravehivavy, dia tera-dahy.
Ary hitany fa tsara tarehy ity zaza, ka dia nafeniny telo volana.
Nony efa tsy azony nafenina intsony, dia nalainy ny vata zozoro anankiray,
nohosorany mena-tany sy ditin-kazo dia napetrany tao ny zaza,
ka nalatsany tao anaty bararata amoron’ny ony.
Ary ny anabavin’ilay zaza no nijanona teny lavidavitra teny
mba hahita izay hihatra aminy.
Dia nidina handro teo amin’ny ony ny zanakavavin’i Faraôna,
ka nitsangantsangana teny amoron’ny ony ny zazavavy namany.
Rahefa tazany ilay vata tao anaty bararata,
dia nasainy nalain’ilay ankizivaviny.
Nosokafany ity izy, ka hitany ilay zaza, zazalahy kely mitomany,
dia nangoraka azy izy, ary nanao hoe:
“Zanaky ny Hebrio itony!”
Tamin’izay kosa ny anabavin’ity zaza dia niteny tamin’ny zanakavavin’i Faraôna nanao hoe:
“Moa tianao va ny handehanako hitady mpitaiza
amin’ny vehivavy Hebrio hampinono io zaza io?”
Ary hoy ity zanakavavin’i Faraôna:
“Mandehàna.”
Dia lasa razazavavy naka ny renin’ny zaza.
Ary hoy ny zanakavavin’i Faraôna taminy:
“Ento ity zaza ity ka tezao ho ahy,
fa homeko anao ny karamanao.”
Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.
Nony efa lehibe ny zaza,
dia nentiny tany amin’ny zanakavavin’i Faraôna,
ka nataony toy ny zanany sy nomeny anarana hoe Môizy,
fa teo amin’ny rano no nanalako azy, hoy izy.
Tamin’izany andro izany, efa lehibe i Môizy,
ka nivoaka nankany amin’ny rahalahiny;
nahita ny asa mafy nataony izy,
ary nisy Ejipsianina anankiray hitany nikapoka Hebrio anankiray tamin’ireo rahalahiny.
Niherikerika nijery izy aloha,
ka nony fantany fa tsy nisy olona teny dia novonoiny ilay Ejipsianina
ka nafeniny tao anaty fasika.
Ny ampitson’izay indray, nivoaka izy,
ka indro fa nifanditra ny Hebrio roa lahy,
ary hoy izy tamin’ilay diso hoe:
“Ahoana no ikapohanao ny namanao?”
Fa hoy ny navalin-dralehilahy:
“Iza no nanangana an’ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay?
Sa tadiavin’ialahy hovonoina koa aho,
tahaka ny namonoan’ialahy ilay Ejipsianina?”
Raiki-tahotra i Môizy, ka hoy izy:
“Misy mahalala tokoa ilay zava-nitranga!”
Nony ren’i Faraôna ny zava-nitranga,
dia notadiaviny hovonoina i Môizy,
saingy nandositra ny tanan’i Faraôna izy,
ka nankany amin’ny tany Madiàna.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 68, 3. 14. 30-31. 33-34
Revon’ny fotaky ny hantsana aho:
tsy mahita hifaharana;
tonga amin’ny lalina indrindra:
safotry ny onja.
Fa izaho mivavaka aminao, ry Tompo!
Iantrao aho, ry Andriamanitra;
valio noho ny haben’ny hatsaram-ponao,
sy araka ny fahamarinan’ny vonjinao.
Fa izaho ilay ory sy mijaly kosa
dia harovan’ny Vonjinao, ry Andriamanitra:
ka hidera amin-kira ny Anaran’Andriamanitra,
ary hankalaza Azy amin-tsaotra.
Ny ory mahita ka mifaly.
Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra:
fa ny Tompo mihaino ny mahantra;
ny babo tsy hainy hamavoina.
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio,
fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 20-24)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro;
satria tsy nibebaka ireo; ka nataony hoe:
“Loza ho anao, ry Kôrôzaina,
loza ho anao, ry Betsaida!
fa raha izay no tany Tira sy Sidôna no natao ny fahagagana natao taminareo,
dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy.
Koa lazaiko aminareo, fa amin’ny andron’ny fitsarana,
dia ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidôna
noho ny hatao aminareo.
Ary ianao, ry Kafarnaôma,
hasandratra hatrany an-danitra va ianao?
Hietry hatrany amin’ny afobe ianao,
fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao,
dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy.
Koa dia lazaiko aminao
fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma amin’ny andron’ny fitsarana
noho ny hatao aminao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny vehivavy avy niteraka ka tsy mahatana ny amany, izay tokony hivoaka amin'ny lalany ara-boajanahary fa lasa manaraka ny lalan-jaza no tiana holazaina amin'ny hoe "aretina mamany lava". Miteraka fofona io aretina io rehefa tsy voatsabo, ary iharan'ny fanilikiliana eny anivon'ny fiaraha-monina ny vehivavy tratran'io tsy fahasalamana io. Ny antony mety mahatonga azy dia ny fahateren'ny hoditry ny lalan-jaza sy ny tatavy na ny tsinaibe noho ny faharetan'ny fotoana fiterahana ka misy faharovitana ireo taova ireo. Mba hisorohana izany dia tokony ho maoty ny vehivavy vao miatrika ny fitondrana vohoka sy fiterahana.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco