Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 1, 2b-5. 8b-10)
Ry kristianina havana,
misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay,
sady manonona anareo amin’ny fivavahanay,
ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika ny asan’ny finoanareo,
sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo,
ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika;
fa fantatray, ry havana malalan’Andriamanitra, fa olom-boafidy ianareo,
satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo dia tsy tamin’ny teny ihany,
fa tamin’ny hery koa, sy tamin’ny Fanahy Masina, ary tamin’ny fampiekena tanteraka;
sady fantatrareo koa izay toetranay tany aminareo ho an’ny famonjena anareo.
Niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra,
ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.
Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay,
ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho atý aminareo,
sy ny nialanareo tamin’ny sampy mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,
sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra, izay natsangany ho velona,
dia i Jesoa izay manafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b
Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany;
ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
fankalazana am-bava an’Andriamanitra,
no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 13-22)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe:
“Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy
fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra;
ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.
Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety
mba hahazo mpianatra na dia iray aza;
ka nony mahazo ianareo,
dia ataonareo zanaky ny gehen’afo mihoatra indroa noho ianareo.
Loza ho anareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe:‘Raha misy mianiana amin’ny tempoly,
dia tsy mampaninona izany;
fa raha misy mianiana amin’ny volamena izay ao amin’ny tempoly,
dia voafehy izy.’Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa,
ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena?
Ary koa:‘Raha misy mianiana amin’ny ôtely,
tsy mampaninona izany;
fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny,
dia voafehy izy.’Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa,
ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra?
Koa amin’izany izay mianiana amin’ny ôtely,
dia mianiana aminy sy amin’izay rehetra eo amboniny;
izay rehetra mianiana amin’ny tempoly,
dia mianiana aminy sy amin’Ilay mitoetra ao anatiny;
ary izay mianiana amin’ny lanitra,
dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra,
sy amin’izay mipetraka eo amboniny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Efa mahazo laka ary mampidi-bola ny tantsaha eto Madagasikara ny fizahan-tany eny ambanivohitra. Mampidi-bola ho an'ny tantsaha ny fizahan-tany ambanivohitra raha haintsika ny mitrandraka izany. Mampiditra 50 Dôlara hatramin'ny 200 Dôlara ho an'ny fianakaviana tantsaha iray iantranoany ny mpizahan-tany iray. 20 taona niantsehatra amin'izay fizahan-tany ambanivohitra izay ny Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy na ny FEKRITAMA...
♦ Hanofana an'ireo vonona hampiasa ny HayFidy manomboka amin'ity herinandro ity ny Transparency International namolavola azy. Fitaovana hanampiana ny olom-pirenena mpifidy amin'ny fanapahan-kevitra manoloana ny latsa-bato ny HayFidy... ♦ Mahazo vahana indray tato ho ato ny fandripahana ala tsy ara-dalàna toa ny tranga tany amin'ny Faritra Analanjirofo sy Alaotra Mangoro. Nidina ifotony manamarina izay fandrimpahan'ala tsy ara-dalàna izay ny Tafo Mihaavo... ♦ Nidina an-dalambe nitaky ny hitohizan'ny fampianarana ny mpianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo androany maraina...
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 22, 19-23)
Izao no lazain’ny Tompo an’i Sôbnà, lehiben’ny ao an-dapa:
“Horoahiko hiala eo amin’ny fitoeranao ianao,
haongan’ny Tompo amin’ny raharahanao ianao”.
Ary izao no hitranga amin’izany andro izany:
Hiantso ny mpanompoko Aho,
dia i Eliasima zanak’i Helkiasa,
ka hampiakanjoiko azy ny akanjo vitanao,
hampanaoviko azy ny samboadinao;
hapetrako eo am-pelatanany ny fahefanao;
dia ho tonga ray izy amin’ny mponina ao Jerosalema,
sy amin’ny taranak’i Jodà.
Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida,
ka hamoha izy, tsy hisy handrindrina;
handrindrina izy, tsy hisy hamoha.
Hatsatoko toy ny fantsika amin’ny toerana mafy izy,
ka hanjary sezam-boninahitra ho an’ny ankohonan-drainy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 137, 1. 3. 6 sy 8bd
Midera Anao amin’ny foko tontolo aho,
satria Ianao mihaino ny tenin’ny vavako;
miantsa Anao eo anatrehan’ny Anjely aho,
miankohoka mitodika ny Tempolinao.
Midera ny Anaranao masina aho, ry Tompo,
noho ny fitiavanao sy ny fahamarinanao:
nasehonao ho lehibe ny Anaranao,
sy ho ambonin’ny voaary rehetra ny teninao.
Rehefa miantso aho, Ianao mamaly
sy mampitombo ny hery ato amiko.
Avo ny Tompo ka miondrika amin’ny iva,
ny mpiavona kosa ataony tazan-davitra.
Mandrakizay ny fitiavanao, ry Tompo:
aza atsahatra ny efa ataon’ny tananao.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 11, 33-36)
Ry kristianina havana,
endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra,
tsy azo fantarina ny fitsarany, ary tsy takatry ny saina ny lalany!
Fa iza moa no nahalala izay hevitry ny Tompo,
ary zovy no mpanolo-tsaina Azy?
Sa iza no nanome azy aloha, mba hahazoany valin’izany?
Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra.
Eny, Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-20)
Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany hoe:
“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”
Ary hoy ireo taminy:
“Ny sasany manao hoe i Joany Batista,
ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia,
na ny anankiray amin’ny mpaminany”.
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?”
Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:
“Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona”.
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy)
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko,
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao ety an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra”.
Ary tamin’izay,
dia noraràny ny mpianany tsy hilaza amin’ny olona fa Izy no i Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco