♦ Hanampy antsika amin'ny fampandrosoana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny fiainana amim-pitokiana ny Tenin'Andriamanitra sy ny fitanana ny finoana, hoy i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina... ♦ Nahatsiaro ireo rehetra nodimandry tao amin'ny fikambanana, ny fikambanan-drelijiozy Karma omaly... ♦ Nampahatsiahivin'ny Papa nandritra ny vavaky ny Angelus omaly, fa ny kristianina tsirairay dia voaantso hisehatra ho amin'ny mandrakizay...
Ny fifanampiana izay endriky ny fanehoana fitiavana dia tsy eo amin'ny olon-droa fotsiny ihany, fa eo amin'ny sehatra samihafa. Ny zavatra atao am-pitiavana tsy maintsy misy vokatra tsara. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Hiakatra fampanoavana anio ny raharaha nahafaty an'i Mendrika. Efa namoaka ny taratasy fahazoan-dalana manenjika ireo miaramila 13 voakasika ny MDN... ♦ Tamin'ny taona 2017, nahatratra 2 700 000 isa ny olona matin'ny loza nandritra ny asa, eran-tany. Midina ifotony manara-maso ny fanajana ny fahasalamana sy ny aro loza ny Ministeran'ny asa... ♦ Ho fanomezan-danja ny asa soratra sy ny vaky boky dia tontosaina eny amin'ny tranom-bokim-pirenena Anosy ny hetsika tsenaben'ny boky andiany-I ...
♦ Any amin'ny Diôsezin'i Mananjary indray no hanatontosana ny Andron'ny Lahika amin'ny taona 2022... ♦ Hitan'i Jesoa ny fifanoherana teo amin'ny fihetsik'ireo mpanora-dalana sy ilay vehivavy mpitondra tena, tao an-tempoly. Nifantoka tamin'io Evanjely io omaly io, ny fampianarana nentin'ny Papa tamin'ny Angelus... ♦ Fahatsirovana, fitiavana ary fankaherezana no hevitra telo nasongadin'ny Papa tamin'ny toriteniny, nanamarihana ny faha-60 taonan'ny sampana fandalinana ny fitsaboana sy fandidiana tao amin'ny Oniversiten'ny Fo Masin'i Jesoa tao Roma...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco