24 nôvambra — Pretra tao Viêtnam i André Dũng-Lạc. Maty martiry tamin'ny 21 desambra 1839, niaraka tamin'ireo martiry namany izy. Marihana fa ireo namany ireo dia martiry teo anelanelan'ny taona 1745 hatramin'ny 1862. Martiry fito ambin'ny folo amby zato izy ireo no tsaroana amin'ity andro ity.
23 nôvambra — Teraka tao Rome i Masindahy Clément, niaina tamin'ny taonjato voalohany izy. Mpanan-karena, nahita fianarana, ary nafana fo tamin'ny fitadiavana ny marina, ka tao ami'ny fivavahana kristianina no nahazoany fahafaham-po tamin'izay nilain'ny sainy sy ny fanahiny.
Alarobia 23 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 12-19
22 nôvambra — Niaina tao Rome i Masimbavy Cécile tamin'ny fanombohan'ny taonjato fahatelo. Zanak'andriana manamboninahitra nalaza tamin'ny andro nanjakan'ny amperora Alexandre Sévère izy. I Cécile irery ihany no kristianina tao amin'ny fianakaviany. Nanokan-tena ho an'Andriamanitra izy, ary nitandro ny fahadiovan'ny vatany.
• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco