Isan'ny singa fototra maha olona ny olona ny fifandraisany amin'ny zava-boahary sy amin'Andriamanitra. Eo no ahalalany ny momba ny tenany hoye manao ahoana eo anatrehan'ny vohary. Ny famonjena dia mira fahariana lanitra vaovao sy tany vaovao izany hoe hoesorina amin'ilay toetra mety lo ka homena toetra vaovao maharitra. I Jesoa dia sady mampianatra no maneho fa Andriamanitra mifehy ny zava-boahary. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
22 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)
♦ Mbola tsy mety tapitra ny resa-be naterak'ilay vaovao milaza ny fizakan'ny Filoham-pirenena ny zom-pirenena frantsay. Hampiova ny fitiavany an'i Madagasikara sy ny hitakiany ireo "Îles éparses" izany, hoy i Moussa Soalihy... ♦ Nanokatra fanadihadiana ny Oniversiten'Antananarivo, manoloana ny fiparitahan'ilay tranga mamoafady niseho teny Ankatso omaly... ♦ Nisehoana asan-dahalo mahery vaika indray tany Beakanga, Kaominina Vasiana, Distrikan'i Mandoto, androany. Namoizana ain'olona izany, ankoatra ireo omby 80 very, lasan'ireo dahalo...
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 12, 1-10)
Ry kristianina havana, mety ve ny mirehareha e?
Tsy mahasoa izany,
nefa aoka holazaiko ihany ny tsindrimandry
sy ny fanambaràna avy amin’ny Tompo.
Misy olona anankiray fantatro ao amin’i Kristy,
efa efatra ambin’ny folo taona lasa izay,
nakarina hatrany amin’ny lanitra fahatelo;
tsy fantatro na tao amin’ny vatana na tsy tao amin’ny vatana izany:
Andriamanitra no mahalala.
Ary fantatro, fa io olona io, na tao amin’ny vatana izany,
na tsy tao amin’ny vatana, tsy fantatro,
Andriamanitra no mahalala,
dia nakarina tany am-Paradisa,
ka nandre teny tsy hay tenenina, tsy azon’ny olombelona ambara;
ny amin’io olona io no hireharehako;
fa ny amin’ny tenako dia tsy misy hireharehako afa-tsy ny fahalemeko ihany.
Na dia hirehareha aza anefa aho, dia tsy hiendrik’adala,
fa ny marina ihany no holazaiko;
nefa hahatam-bava aho,
fandrao misy mihevitra ahy ho mihoatra noho izay hitany amiko,
na reny avy amiko.
Ary fandrao mirehareha noho ny halehiben’ireo fanambaràna aho,
dia nasiana tsilo tao amin’ny nofoko,
dia anjelin’i Satana hamely tehamaina ahy,
mba tsy hireharehako.
Ny amin’io dia intelo aho no nangataka tamin’ny Tompo,
mba hanalany an’io amiko,
fa izao no navaliny ahy:
“Ampy ho anao ny fahasoavako,
sady amin’ny fahalemena indrindra no hiamparan’ny heriko.”
Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko,
mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
Izany no ifaliako amin’ny fahalemeko,
amin’ny fahafaham-baràka,
amin’ny fahaterena,
amin’ny fanenjehana,
amin’ny fahantrana,
noho ny amin’i Kristy, satria ny fahalemeko no heriko.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 33, 8-9. 10-11. 12-13.
Ny Anjely milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo:
sambatra ny olona mifefy aminy!
Matahora ny Tompo ianareo masiny:
fa izay matahotra Azy tsy orin’inona.
Ny tremalahy no tonga mahantra sy noana;
izay mitady ny Tompo, tsy orin-tsoa inona!
Avia, rey anaka, mihaino Ahy
hampianariko ny tahotra ny Tompo.
Iza no olona mankamamy fiainana
sy maniry hahita andro mahasambatra?
Aleloia. Aleloia.
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 24-34)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tsy misy olona mahay manompo tompo roa,
fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany,
na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hoesoiny.
Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.
Noho izany, izao no ataoko aminareo:
Aza manahy foana ny amin’ny ainareo,
dia izay hohaninareo na hosotroinareo,
na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo.
Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina,
ary ny tena noho ny fitafiana?
Jereo ny voro-manidina,
fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsopitra ireny,
fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy;
ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Ary iza aminareo, na dia manahy aza,
no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza?
Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana?
Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha,
fa tsy mba miasa, na mamoly ireny;
kanefa lazaiko aminareo fa na dia i Salômôna teo amin’ny voninahiny rehetra aza
dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny.
Ka raha toy izany no fanafin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha
izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso
tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo ry kely finoana?
Noho izany aza manahy ianareo manao hoe:
Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay na inona no hotafinay?
Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany;
ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany
dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy,
ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco