Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe: "Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina. Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry; ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika; fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika. Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.
Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe: ‘Intý tamy ny mpampakatra, mandehàna mitsena azy ianareo.’ Tamin’izay, dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony. Ary hoy ny adala tamin’ny hendry: ‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay.’ Hoy ny navalin’ny hendry azy: ‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo, fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.’ Ary raha mbola nandeha hividy izy, dia tonga ny mpampakatra ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana. Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe: ‘Tompoko, tompoko, vohay izahay.’ Fa hoy ny navaliny azy: ‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro akory ianareo.’ Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora."
♦ Pretra iray avy amin'ny fikambanana Montfortain, no nohamasinina ho pretra omaly, tao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Feno 35 taona tamin'ny taon-dasa ny niorenan'ny fikambanan-dry Masera ZAFIMA na Zanakavavin'ny Fiangonan'i Mahajanga. Nomarihina omaly izany, tao amn'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Tontosa omaly, ny Zaikaben'ny MDMK tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé...
♦ Hosokafana any Roma ny 09 ôktôbra 2021 izao ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Nomarihana tamin'ny 6 aogositra 2021 ny faha-20 taona naha eveka an'i Mgr Gaetani Di Pierro, evekan'i Farafangana... ♦ Noraisina tamin'ny fomba ôfisialy ny 6 aogositra teo i Sr Rafaraonisoa Blandine, Malagasy voalohany voatendry ho lehiben'ny Fikambanan'ny Masera Filles de Marie Axiliatrice, eto Madagasikara...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo. Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamîna ny tranony. Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona. Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren’ny tompony ho mpifehy ny ankiziny, mba hanome hanina azy amin’ny fotoany? Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany; lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitantana ny fananany rehetra izy. Fa raha ratsy fanahy kosa ilay mpanompo ka manao anakampo hoe: Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy, ka mikapoka ny mpanompo namany izy sy miara-mihinana sy misotro amin’ny mpimamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hotapahiny roa izy ary haraikiny ho any amin’ny mpihatsaravelatsihy ny anjarany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco